1Rehefa misy manolotra sorom-pihavanana ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no aoka hatolony eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO.
2Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
3Amin’io omby sorom-pihavanana io, dia halain’izy mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;
4ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.
5Ireo taranak’i Aharôna kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ireo sorona dorana manontolo eo ambonin’ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO izany.
6«Rehefa ondry na osy no atolotra amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no aoka hatolotra.
7Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.
8Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
9Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;
10ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.
11Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.
12«Rehefa osy no atolotra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.
13Ny mpanolotra no hametra-tanana amin’ny lohan’ilay osy ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.
14Amin’io osy io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany ny jaboran-tsinainy;
15ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.
16Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina izany.
«Ny faritra matavy rehetra dia atokana ho an’ny TOMPO.
17Lalàna raikitra ho anareo izany hatrany hatrany, ary na aiza na aiza onenanareo: tsy hihinana jabora na ra akory ianareo!».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.