2 Makabeo 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fambara mialoha momba ny fanafihana an’i Ejipta

1Tamin’izany fotoana izany eo ho eo koa no niomakomanan’i Antiôkosa hanafika an’i Ejipta fanindroany.

2Ary eran’ny tanànan’i Jerosalema manontolo, nandritra ny efapolo andro, dia nahitana ireto sehon-javatra ireto: nisy mpitaingin-tsoavaly mitafy lamba voatemitra amboradara volamena ary antokon-tafika mirongo lefona samy nihazakazaka teny ana habakabaka;

3tazana koa ny antokon-tsoavaly voalahatra hiady, ny famelezana amam-pikatrohana ifanaovan’ny andaniny sy ankilany, ny ampinga voahevingevina, ny lefona mifanaretsaka, ny sabatra voatsoaka tamin’ny tranony, ny zana-tsipîka mitsoriaka, ny fanjelajelatry ny haingo volamena eo amin’ny akanjo vy isan-karazany.

4Noho izany samy nivavaka avokoa ny mponina rehetra mba ho zavatra tsara no ambaran’izany fisehoana izany.

Notafihin’i Jasôna i Jerosalema

5Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty i Antiôkôsa; ka naka miaramila tsy latsaka ny arivo i Jasôna, dia tonga namely tampoka an’i Jerosalema. Niezaka niaro ny manda ireo mponina, kanefa azon’i Jasôna ihany ny tanàna nony farany; dia lasa niery tao amin’ilay toera-mafy i Menelà.

6Novonoin’i Jasôna ho faty ka tsy nananany antra akory ireo mpiray firenena aminy; ary noheveriny fa ny andro iray nandresena ny mpiray firenena no loza amin’antambo goavana indrindra; fahavalo fa tsy hoe mpiray firenena no nataony ho nahombiazany.

7Kanefa sady tsy afa-nandrombaka fahefana izy no nahazo henatra tamin’ny teti-dratsy nafitsony, hany ka voatery indray izy nandositra tany amin’ny faritr’i Hamàna.

8Izao no niafaran’ny toe-paharatsiana niainan’i Jasôna: voafonja tao amin’i Haretà mpanjakan’i Arabia izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin’ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, voailika ho mpanabotry tanindrazana sy mpamono mpiray firenena, ka dia noroahina hatrany Ejipta.

9Avy tao izy no nankany Gresy, satria nanantena hahita fialofana tao amin’ny Sparsiaty, izay iray fiaviana amin’ny Jiosy; nanesitany olona betsaka handao tanindrazana i Jasôna, ka mba maty an-tany hafa koa.

10Namela faty maro hiampatrampatra tamin’ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa: tsy nahazo mpikarakara fandevenana izy ary tsy nomen-toerana teo am-pasandrazana.

Ny nandroban’i Antiôkosa ny tempolin’i Jerosalema(Jereo 1 Mak 1.21-24)

11Rehefa nahafantatra izany zava-niseho tany Jerosalema izany ny mpanjaka, dia noheveriny fa efa nikomy i Jodea. Ka nisafoaka toa biby masiaka izy no niala tany Ejipta; ary nombàn-tafika naka ny tanànan’i Jerosalema.

12Nodidiany ny miaramilany handavo tsy hananana antra izay azon’ny tanany, sy hamono hahafaty an’izay miakatra eny amin’ny efitrano ambany.

13Naringany na tovolahy na anti-dahy, naripany ny zaza amam-behivavy, ary novonoiny ho faty ny tovovavy mbamin’ny zaza mbola minono.

14Nandritra ny telo andro fotsiny dia fianakaviana valopolo no nahita loza: ny efapolo maty novonoina; ary toraka izay no namidy ho andevo.

15Tsy mbola afa-pon’izany halozana izany anefa i Antiôkosa, fa sahy nitsofoka koa tao amin’ilay tempoly masina indrindra eran-tany; ka i Menelà, izay mpivadika amin’ny lalàna sy amin’ny tanindrazana, no mpitari-dalana azy.

16Nalain’io mpanjaka io tamin’ireto tanany maloto ny fitaovana masina; notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka hafa mba hanitarana io toerana io sy hanomezana haja amam-boninahitra azy.

17Nobohizin’ny fiavonavonam-po i Antiôkosa, ka tsy nandinika fa ny fahitan’ireo mponin’i Jerosalema no nahatezitra ny Tompo vetivety ihany, ka izany no tsy niahiany an’izany tempoly izany.

18Fa raha tahiny kosa tsy meloka tamin’ny fahotana maro ireo, dia ny tenan’i Antiôkosa, vantany vao tonga teo, no tsy maintsy voakapoka sy voasakana tamin’izao hasahiany izao, tahaka an’i Heliôdôra izay nirahin’i Seleokôsa mpanjaka mba hizaha ny rakitry ny tempoly.

19Kanefa tsy noho ny tempoly no nifidianan’ny Tompo ilay vahoakany; fa noho ny vahoakany no nifidianany an’ilay tempoly.

20Noho izany, sady niara-nidiran-doza tamin’ny vahoaka io tempoly io no nanana anjara, taty aoriana, tamin’ny fanambinana azon’ny vahoaka. Ny hatezeran’ilay Tompon’izao rehetra izao no nahatonga ny tempoly ho nilaozany; fa naverina tamin’ny voninahiny manontolo koa io tempoly io, rehefa nihavana tamin’ny vahoakany indray ilay Tompo ambony indrindra.

Vono olona nahatsiravina indray tao Jerosalema

21Volafotsy 48 taonina no nalain’i Antiôkôsa tao an-tempolin’i Jerosalema, dia niverina haingana ho any Antiôkia izy. Nentanim-piavonavonana izy sady nobohizin’ny fieritreretam-pony ka nihevitra ho afa-mampiantsambo amin’ny tany maina sy ho afa-mampamindra miaramila eny ambony ranomasina.

22Nametraka mpandraharaha hampahory ny vahoaka jiosy izy; tao Jerosalema dia nametrahany an’i Filipo izay avy any Frijia sady masiaka mihoatra noho ilay nanendry azy,

23ary tao an-tendrombohitra Gerizima dia nametrahany an’i Andrônika. Ankoatra ireo, dia teo i Menelà izay ratsy lavitra noho ny hafa ary nanandra-tena ho ambonin’ireo mpiray firenena aminy.

Nanao an-dolompo tamin’ireo Jiosy tia tanindrazana tokoa i Antiôkosa,

24hany ka nalefany tany Jerosalema koa i Apôlôny ilay filohan’ireo mpikarama an’ady tao Nizia. Nombàn-tafika nisy antokony 22 izy io ary nomena didy hamono ho faty ireo lehilahy matanjaka rehetra sy hivarotra ny zaza amam-behivavy ho andevo.

25Nody niseho ho havana i Apôlôny fony tonga tao Jerosalema, nijanona tsy naninon-tsy naninona izy mandra-pahatongan’ny andro masina sabata; kanjo nanararaotra ny fitsaharan’ny Jiosy tamin’ny asa izy, dia nampanao matso ny miaramilany.

26Ka izay rehetra nivoaka ny trano hizaha izany, dia nasainy novonoina ho faty avokoa; ary niara-nirohotra nankao an-tanàna izy sy ny miaramilany ka nandripaka olona maro.

27I Joda Makabeo kosa dia niaraka tamin’ny lehilahy folo hafa ka nihataka nankany an-taniefitra; nanao toe-piainan’ny bibidia izy sy ny namany tany an-tendrombohitra tany. Mba tsy handotoany tena no tsy nihinanany afa-tsy zava-maniry ihany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help