Bena-Siràka 17 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fahariana ny olombelona

1Noarîn’ny Tompo tamin’ny tany ny olombelona

ary asainy hiverina indray koa amin’ny tany.

2Andro voaisa sy fotoana voafetra

no naraikiny hiainan’ny olombelona;

ary nomeny fahefana izy ireo

amin’ny zavatra etỳ an-tany.

3Araka ny toetran’ny Tompo

no nanomezany hery azy ireo,

ary araka ny endriny koa

no nanaovany azy mitovy aminy.

4Nataon’ny Tompo manaja ny olona

ny zava-mananaina isan-karazany,

mba hahazoan’izy ireo manjaka

amin’ny biby amam-borona.

6Ny olombelona dia nomen’ny Tompo fisainana,

nomeny lela sy maso ary sofina

mbamin’ny fo hieritreritra;

7nofenoiny fahaizana amam-pahiratan-tsaina izy

ary nampahafantariny ny tsara sy ny ratsy.

8Nataon’ny Tompo tao am-pon’izy ireo ny fijeriny

hanehoany aminy fa lehibe ny asany;

10dia hoderain’ny olombelona Izy fa masina

ka hotantarainy fa lehibe ny asan’ny Tompo.

Ny Fanekempihavanana sy ny Lalàna

11Nomen’ny Tompo ho an’ny olombelona koa ny fahaizana

ary natolony azy ilay lalàna mitondra fiainana.

12Nanaovany fanekempihavanana mandrakizay izy,

ary nampahafantarany ny didiny.

13Dia nobanjinin’ny mason’ny olombelona

izany halehiben’ny voninahitry ny Tompo,

ary norenesin’ny sofin’izy ireo

izany fikarantsan’ny feony.

14Ka izao no voalazan’ny Tompo taminy:

«Mitandrema tena ianareo

amin’ny tsy rariny rehetra.»

Dia nomeny didy avy izy ireo

ny amin’ny namana iaraha-monina.

Hitan’Andriamanitra ny ataon’ny olombelona

15Eo anatrehan’ny Tompo mandrakariva

ny fomba fiainan’ny olombelona;

tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.

17Ny firenen-kafa tsirairay avy

dia samy nanendren’ny Tompo mpitondra azy;

fa ilay Israely kosa dia fananan’ny Tompo.

19Ny asa rehetra ataon’ny olombelona

dia miharihary toy ny masoandro,

raha eo anatrehan’ny Tompo;

ary todihany maso lalandava ny fomba fiainany.

20Ny tsy rariny rehetra ataon’izy ireo

dia tsy miafina amin’ny Tompo;

ary ny fahotana rehetra vitany

dia eo anoloan’ny Tompo avokoa.

22Ny asa fiantrana ataon’ny olombelona

dia manan-danja toy ny tombokase ho an’ny Tompo;

ary ny soa vitany dia tehiriziny

ho zava-tsarobidy toy ny anakandriamaso.

23Dia hitsangana ny Tompo amin’ny farany

ka hamaly azy ireo araka ny asany

ary hampianjera amin’ny tsirairay

ny famaliana tandrify azy avy.

24Kanefa izay miala amin’ny toe-dratsy

dia homen’ny Tompo fahazoana hiverina aminy;

ary izay tsy ampy faharetana

dia hotolorany fampaherezana.

Fanaingana hiverina any amin’ny Tompo

25Miverena amin’ny Tompo

ka ilaozy ny fahotana;

mivavaha eo anoloany

ary havitsio ny ratsy atao.

26Mitodiha amin’Ilay Avo Indrindra

ka ialao ny tsy rariny;

ary aoka ianao hankahala mafy

ny toetra maharikoriko Azy.

27Iza no hidera Ilay Avo Indrindra

any amin’ny fonenan’ny maty,

ka hisolo toerana ireo velona

izay manolotra fisaorana Azy?

28Rehefa maty ny olona ka tonga tsinontsinona,

dia manjavona ny fisaorany an’Andriamanitra;

fa izy velona sy salama iny

no afaka midera ny Tompo.

29Lehibe tokoa ny famindrampon’ny Tompo

sy ny famelany heloka an’izay miverina aminy!

30Tsy ananan’ny olombelona manko

ny fahefana hanao ny zava-drehetra,

satria ny zanak’olombelona

dia tsy mba hoe tsy mety maty.

31Inona no mamirapiratra noho ny masoandro?

Kanefa dia mety mihamaizina izy io.

Toy izany koa ny olombelona nofo aman-dra

izay misaintsaina hanao ratsy.

32Andriamanitra no mitandrina ny kintana,

tafika eny amin’ny habakabaka ambony;

fa ny olombelona rehetra kosa

dia vovoka sy lavenona ihany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help