1Misy anatra tsy tandrifin’ny tokony hanaovana azy;
ary misy fanginana izay maneho fahamalinana.
2Aleo mananatra toy izay mirehi-pahatezerana anaty;
3ary izay miaiky heloka no hidifiam-pahavoazana.
4Lehilahy vositra mitsiriritra hanolan-jazavavy:
toy izany ny olona te hampijoro ny rariny an-keriny.
5Ao ny mangina kanefa iekena azy ho hendry izany;
ary ao ny mahasorena noho izy be resadresa-poana.
6Misy mangina satria tsy mahita havaly;
ary misy mangina satria mahalala
ny fotoana izay tokony hitenenany.
7Ny olon-kendry dia mangina hatrany
mandra-pahatongan’ny fotoana fitenenana;
fa ny mahery vava sady tsy misaina kosa
dia mihoatra izany fotoana fitenenana izany.
8Izay be resaka loatra dia mahasosotra;
ary izay tsy sahy miteny dia hankahalaina.
Toe-javatra toa mifandaka9Misy olona mahita zava-mahasoa azy amin’ny fahoriana;
ary ny fanambinana kosa mety tonga fatiantoka ho azy.
10Misy fanomezanao tsy ahazoanao n’inon’inona;
ary misy fanomezanao valiana avo roa heny.
11Misy voninahitra iavian’ny fiambaniana
ary misy fietrena miteraka fisandratana.
12Misy mividy zavatra betsaka amin’ny vola kely,
kanefa avy eo dia mandoa ireny impito heny.
13Teny kely dia ampy hitiavan’ny olona ny hendry,
fa very maina kosa ny teny malefaka ataon’ireo adala.
14Tsy ahazoanao n’inon’inona ny fanomezan’olona adala,
satria miandrandra bebe kokoa izy ho setrin’izany.
15Kely fanome zavatra ny olona adala
saingy be fanomezan-tsiny erỳ
ary miloa-bava toy ny mpiantso kabary;
anio izy mampindrana, rahampitso izy mitaky:
maharikoriko tokoa ny olona toy izany.
16Hoy ny olona adala hoe: «Tsy manan-tsakaiza aho,
ary tsy sitraky ny olona ny soa nataoko;
ratsy vava ireo mihinana ny mofo arosoko.»
17Betsaka sady matetika ny olona
no manao azy ho fihomehezana.
Fadio ny teny tsy voahevitra18Aleo lavo amin’ny lampivato
toy izay solafa-piteny;
ho tonga tampoka toy izany koa
ny fahalavoan’ny olon-dratsy.
19Ny olona tsy mahalala fomba
dia toy ny tantara fitatitra
na amin’ny fotoana tsy fanaovana azy aza
sady tsy afaka am-bavan’ireo ratsy taiza.
20Tsy raisin’ny olona ny fanoharana
aloaky ny vavan’izay adala,
satria tsy amin’ny fotoana sahaza
no mba ilazalazany an’izany.
21Misy olona tsy afa-manota, noho ny tsy fananany;
ary amin’ny fitsaharany, dia tsy arahi-nenina izy.
22Misy olona resin-kenamaso,
ka very fanahy miatrika adala.
23Misy olona resin-kenamaso
very fanahy ka miatrika adala.
Misy koa ny resin-kenamaso
ka mampanantena be ny sakaizany
ary mahatonga azy ho fahavalony
noho ny zavatra tsisy fotony.
24Pentina mahamenatra amin’ny olona ny lainga,
tsy afaka am-bavan’ireo ratsy taiza izany.
25Aleo mpangalatra toy izay olona fatra-pandainga;
kanefa samy faharavana no ho anjaran’izy roa tonta.
26Ny fahazàran-dratsin’ny mpandainga
dia mitarika fahafaham-baràka;
ary ny henatra mihatra aminy
dia momba azy hatrany hatrany.
Tombontsoa aman’andraikitry ny olon-kendry27Teny kely ataon’ny hendry dia ampy
mba hampitombo ny fanajana azy;
ary ny olona mahira-tsaina
dia hahazo sitraka amin’ny lehibe.
28Izay miasa tsara ny taniny
dia hanangom-bary be miavosa;
ary izay mahazo sitraka amin’ny lehibe
dia afaka hampamela ny heloky ny hafa.
29Fanatitra amam-panomezana
no mahajamba maso ny hendry;
mova tsy fehivavam-biby ireny
ka misakana azy tsy hanome anatra.
30Fahendrena miafina sy harena milevina:
inona no tombontsoa omen’izy roa tonta?
31Aleo olona manafina ny hadalàny
toy izay olona manafina ny fahendreny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.