Jôba 22 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tenin’i Elifaza: tena meloka i Jôba

1Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao tamin’i Jôba hoe:

2Mba mahasoa an’Andriamanitra ve ny olona?

Tsia, fa mahasoa ny tenany izy raha hendry.

3Mampaninona an’ilay Tsitoha moa ny fahamarinanao?

Inona no soa azony na dia mahatoky aza ianao?

4Ny fanajànao Azy ve no hiarovany anao

sy hiandaniany aminao amin’ny fitsarana?

5Tsia, satria be loatra ny faharatsianao

ary tsy hita fetra ny helokao.

*

6Fa naka antoka tsy an-drariny tamin’ny rahalahinao ianao

ka nanendaka ny hany fitafiana teny an-kodiny.

7Tsy nanome rano ho an’ny mangetaheta ianao

ary tsy nahafoy mofo kely ho an’ny noana.

8Fa ny be sandry no navelanao hahazo ny tany

ary ny mpiandranandrana no nekenao hitoetra eo.

9Noroahinao hitondra tanam-polo ny mpitondratena

ary norobainao ny teo an-tanan’ny kamboty.

10Izany no mahatonga anao ho voahodidim-pandrika

sy ho voafahiranon-korohoro tampoka.

11Na hoe rakotry ny haizina ianao

ka tsy mahita na inona na inona intsony;

fa rendrika ao anaty onjan-drano.

*

12Tsy any an-danitra avo any ve Andriamanitra?

Igagana ny halaviran’ny kintana ambony indrindra.

13Ka hoy ianao hoe: «Inona no fantatr’Andriamanitra?

Afa-maninteraka ny raho-mainty ve Izy mba hitsara antsika?

14Takon’ny raho-matevina Izy ka tsy mahita,

rehefa mandehandeha mitety ny lanitra.»

15Tianao hizorana ve ny lalam-pahagola

izay falehan’ireo olon-dratsy,

16dia ireo voailika alohan’ny fotoana

ka lasan’ny riaka hatramin’ny fanorenany?

*

17Eny, ireo olon-dratsy ireo indrindra

no nanao tamin’Andriamanitra hoe: «Mialà aminay!

Fa afaka ny hanao inona aminay moa ilay Tsitoha?»

18Kanefa Izy no nampanankarena ny ankohonany.

Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny olon-dratsy.

19Ny marina mahita ny fahavoazany ka faly

ary ny tsy manan-tsiny mba maneso azy hoe:

20«Indreo fa ringana ny fahavalontsika!

Efa kilan’ny afo avokoa ny fananany.»

*

21Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra

dia hiverina aminao ny fahasambarana.

22Mbola raiso ny fampianarana omeny anao

ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23Miverena am-panetren-tena amin’ilay Tsitoha,

ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.

24Ario amin’ny tany ny vongam-bolamenanao

na avelao eny amin’ny vaton-driaka;

25fa ilay Tsitoha no ho volamenanao

sy ho volafotsy miavosa ho anao.

*

26Koa dia hifaly amin’ilay Tsitoha ianao

ary hanandra-tava mitoky amin’Andriamanitra.

27Raha mivavaka aminy ianao, dia hohenoiny;

ary hefainao aminy ny voadinao.

28Fa ho tanteraka aminao izay kasainao hatao;

ary ny mazava hamiratra eo amin’ny lalanao.

29Fa Andriamanitra manetry ny miavonavom-pisainana,

nefa kosa mamonjy ny manetry tena.

30Satria manafaka na dia ny olo-meloka aza Izy;

eny, ny fahadiovan’ny tananao no hanafaka azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help