Salamo 69 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Endrey izany fitiavako ny tempolinao!

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Salamo nataon’i Davida.

2Andriamanitra ô, mba vonjeo aho,

fa efa mby hatenda ny rano;

3Milentika amin’ny fota-mandrevo aho

sady tsy mahita izay hifaharana;

tonga amin’ny rano lalina aho

ary efa indaosin’ny riaka.

4Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako,

vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.

5Ireo mpankahala ahy tsy amin’antony

dia maro kokoa noho ny volon-dohako;

mahery ireo mitady hahafaty ahy,

dia ireo mpandrafy ahy tsy an-drariny.

Zavatra izay tsy nalaiko

no indro asainy averiko.

6Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalàko;

ny hadisoako tsy mba miafina aminao.

7Ry Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao ô,

aoka tsy ho menatra noho ny amiko

ireo olona miantehitra aminao;

aoka tsy hangaihay noho ny amiko

ireo mitady Anao, ry Andriamanitr’i Israely!

8Noho Ianao no izakako latsa

sy mahasafo-kenatra ny tavako,

9ka nanjary olon-kafa sy vahiny aho

ho an’ireo mpiray tampo amiko.

10Ny fitiavako an’ilay tranonao

dia mandoro ahy toy ny afo.

Ny latsa natao hihatra aminao

no mifotitra atỳ amiko.

11Mietry tena sady mifady hanina aho,

kanefa dia andatsana ahy izany.

12Fitafiam-pisaonana no nanaovako,

dia tonga fanarabin’ny olona aho

13sy fitafan’ny mpitorovoka eo am-bavahady

ary koa fikalon’ny mpidoroka.

14Izaho kosa mivavaka aminao, TOMPO ô,

satria fotoam-panambinanao izao;

Andriamanitra ô, be fitiavana Ianao,

ka valio aho fa azo antoka ny famonjenao.

15Afaho aho mba tsy ho difotry ny fotaka

na hindaosin’ny tafio-drivotra sy ny rano lalina;

16aoka aho tsy ho safotry ny riaka

na koa ho voatelin’ny hantsana

na ho voahidin’ny fasana ao anatiny!

17TOMPO ô, valio aho fa soa ny fitiavanao;

todiho aho fa be fiantrana Ianao.

18Aza minia tsy hijery ahy mpanomponao;

azom-pahoriana aho, ka valio faingana.

19Tongava eto akaikiko Ianao hiandraikitra ahy,

ka afaho amin’ny fahavaloko aho.

20Latsa, henatra, fahafaham-baràka:

fantatrao fa mihatra amiko avokoa ireny;

tsy misy takona Anao ny mpandrafy ahy.

21Torotoron-datsa ny foko ka reraka aho:

niandry mpitsetra fa tsy nisy,

nitady mpampionona fa tsy nahita.

22Ny sakafoko nasian’ny sasany poizina;

mangetaheta aho, ampisotroiny vinaingitra.

23Ho fandrika ho an’ny fahavaloko anie ny sakafony

ary ho tonga hahavoa azy ny sorom-pihavanana hohaniny!

24Hojambena anie ny masony ka tsy hahita,

hanjary manjoko lalandava anie izy!

25Ny fisafoahanao atosahy aminy;

ary enga anie hahatratra azy

ny firehitry ny haviniranao!

26Aoka ho rava ny tobiny

ary tsy hisy mpitoetra ny lainy,

27satria ilay nokapohinao no mbola enjehiny

ary ny ferin’ilay noratrainao no ampiany!

28Ho voatahiry an-tsoratra avokoa anie

ny heloka vitan’ireo fahavaloko,

ka tsy hisy hoekenao ho marina izy!

29Koseho ny anarany ao amin’ilay horonamboky

mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiainana;

aoka izy tsy ho voasoratra ho anisan’ny olo-marina!

30Izaho kosa dia ory sy mijaly, Andriamanitra ô,

ka ny famonjenao anie no hampahery ahy;

31dia hidera ny anaranao amin-kira aho

sy hankalaza Anao amin-tsaotra.

32Fa izany, TOMPO ô, no sitrakao noho ny ombilahy

na ny vantotr’omby ary tandroka sy kitro.

33Hahita ny famonjena ahy ny ory ka ho faly.

Ry mpitady an’Andriamanitra,

ho ela velona anie ianareo!

34Satria ny mahantra henoin’ny TOMPO

ary ny olony voagadra tsy mba ariany.

35Miderà Azy, ry tany aman-danitra

mbamin’ny ranomasina sy izay velona ao.

36Fa Andriamanitra hamonjy an’i Tsiôna

sady hanangana ireo tanànan’i Joda,

ka hitoetra ao ny olony

sady ho tompon-toerana;

37ireo taranaky ny mpanompon’Andriamanitra

no ho tonga mpandova izany;

ary izay tia ny anarany

no hiorim-ponenana ao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help