Tononkiran'i Salômôna 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izaho kosa dia voninkazo

any amin’ny lemak’i Sarôna

ary lisy eny an-dohasaha.

(Ralehilahy)

2Toy ny lisy eo anivon’ny tsilo,

dia toy izany ity rahavako,

eo anivon’ireo zatovovavy.

(Ravehivavy)

3Toy ny hazo paoma anankiray

eo anivon’ireo hazo anaty saha,

dia toy izany ity malalako

eo anivon’ireo zatovolahy.

Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka

eo ambany alokalon’io hazo paoma io,

sady mamy ao am-bavako ny voany.

4Nentiny ho ao amin’ny toerana fisotroan-divay aho

ka «Fitiavana» no teny faneva teo amboniko.

5«Rosoy ampempam-boaloboka aho

hamelombelona aina ahy

ary hatanjaho amina paoma aho,

fa mararim-pitia.»

6Manondana ahy ny sandriny ankavia

ary mamihina ahy ny sandriny ankavanana.

(Ralehilahy)

7«Ry tovovavin’i Jerosalema ô,

noho ny amin’ny gazela

na ny dieravavy eny an-tsaha,

dia miangavy mafy anareo aho hoe:

Aza tairina na fohazina ilay tiako,

raha tsy efa sitrapony!»

Indro tamy ny malalako (Ravehivavy)

8Injay ny feon’ny malalako!

Indro izy fa tamy

ka mitsambikimbikina eny an-tendrombohitra

ary mifalihavanja eny an-kavoana.

9Ny malalako dia mailamailaka

toy ny gazela na ny diera tanora;

indro izy fa mijanona ao alatranonay,

ka manarangarana eo am-baravarankely,

zary mitsikilo eo amin’ny makarakara.

10Dia niteny ny malalako

ka nanao tamiko hoe:

«Mitsangàna, rahavako;

ry ilay tsaratarehiko,

ndeha hiaraka amiko.

11Fa efa lasa ny ririnina,

nitsahatra sy dify ny orana.

12Mamelana amin’ny tany ny voninkazo,

tonga ny fotoam-pikalokaloana

ka re atỳ amin’ny tanintsika

ny feon’ny domohina.

13Mihamasaka eny amin’ny aviavy

irony voany tanora;

ary mamerovero manitra

ny voaloboka mamony.

Koa mitsangàna, rahavako;

ry ilay tsaratarehiko,

ndeha hiaraka amiko.

14E ry voromahailalako

mitoetra eny an-tsefatsefa-bato

sy miery eny amin’ny hantsana,

mba asehoy ahy ny endrikao

ary ampandreneso ahy ny feonao,

fa mamy ny feonao

ary soa ny endrikao.»

(Ny renin-dravehivavy)

15«Sambory ka omeo anay ny fosa,

dia ireo zanaka fosa

mpanimba ny tanimboalobokay

fa efa mamony izao ny voalobokay.»

(Ravehivavy)

16Ahy ny malalako, ary azy aho.

Amin’ny toerana misy lisy

no mirao-bilona izy.

17Amin’ny takariva mangatsiatsiaka,

rehefa hilentika ny masoandro

ka hihamaizina ny andro,

dia miverena, ry malalako;

ary aoka ianao ho mailamailaka

toy ny gazela na ny diera tanora

no manketỳ Ambohimisaraka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help