Deoterônômy 11 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fampahatsiarovana ny nataon’ny Tompo ho an’ny Israelita

1Tiava ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tandremo isan’andro izay asainy tandremana, dia ny lalànany sy ny fitsipiny ary ny didiny.

2Tsy ny zanakareo no itenenako izao fa ianareo. Tsy ny zanakareo manko fa ianareo no nahalala sy nahita ny fomba nitantanan’ny TOMPO Andriamanitrareo fahizany, dia ny fahalehibiazan’ny TOMPO sy ny fiarovany mahery ary ny fahefany tsy hay tohaina

3mbamin’ny famantarana sy asa nataony. Teo ny nataon’ny TOMPO tany Ejipta hamelezana ny Farao mpanjakan’ny Ejiptianina sy hamelezana ny taniny manontolo;

4teo ny nataon’ny TOMPO hamelezana ny tafika ejiptianina sy ny soavaliny aman-kalesiny, dia ny nanaronany azy tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara fony nanenjika anareo izy ka voaringana tsy hisy intsony;

5ary teo ny nataony hanasoavana anareo tatỳ an-taniefitra mandra-pahatonganareo amin’izao toerana izao.

6Teo koa ny namelezan’ny TOMPO an’i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin’i Eliaba, taranak’i Reobena; teo afovoan’ny Israelita rehetra no nisokafan’ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin’ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy.

7Eny, efa nahita maso ireny asa lehibe rehetra nataon’ny TOMPO ireny ianareo.

8Koa tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio mba hahery ianareo ka haka ho fanananareo ilay tany izay hiampitanareo sy hidiranareo,

9ary mba ho maro andro ianareo any amin’io tany io izay nianianan’ny TOMPO tamin’ny razambenareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.

Ilay tany voakarakaran’Andriamanitra

10Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an’i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin’ny voly anana.

11Fa ny tany, izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady vonton’ny ranonoran-danitra,

12tany izay voakarakaran’ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin’ny masony mandrakariva hatreo amin’ny fiandohan’ny taona ka hatrany amin’ny fiafaràny.

13Raha tena hankatoavinareo ny didy izay ampitaiko aminareo anio, ka ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo no hitiavanareo sy hanompoanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo,

14dia halatsako eo amin’ny taninareo ny ranonorana amin’ny fotoanandrony, izany hoe ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanareo vary sy divay ary menaka.

15Hampanirîko ahitra koa ny sahanareo ho an’ny biby fiompinareo; ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.

16Mitandrema ianareo fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamani-kafa ianareo sy hiankohoka eo anatrehany.

17Dia hirehetan’ny fahatezeran’ny TOMPO ianareo, ka hanampina ny lanitra Izy mba tsy hisy ranonorana; ary tsy hahavokatra intsony ny tany, dia ho lany ringana ianareo any amin’ny tany soa izay homen’ny TOMPO anareo.

18Koa alatsaho ao amin’ny fo amam-panahinareo ireto didiko ireto; ary mba ho marika fampahatsiahivana azy anareo, dia ataovy anaty boaty famehy eny amin’ny hato-tananareo na eny an-kandrinareo.

19Ampianaro ny zanakareo izany ary resaho na mipetraka ao an-tranonareo ianareo na mandeha eny an-dalana, na mandry ianareo na mifoha;

20ary soraty eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonareo sy eo amin’ny vavahadin’ny tanànanareo.

21Dia ho maro andro ianareo sy ny taranakareo eny amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’ny razambenareo homena azy; eny, ho maro andro tahaka ny aharetan’ny lanitra eo ambonin’ny tany.

22Fa raha tena imasoanareo hotanterahina avokoa izao didy ampitaiko aminareo izao ka hotiavinareo sy hifikiranareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hizoranareo ny sori-dàlany rehetra,

23dia horoahin’ny TOMPO ny firenena rehetra manoloana anareo ka ho voaroakanareo ny firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo.

24Ho anareo avokoa ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo: ny faritaninareo dia hanomboka amin’ny taniefitra any atsimo ka hiafara any Libano any avaratra, ary hanomboka amin’ny ony Eofrata any atsinanana ka hiafara amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.

25Tsy hisy hahatohitra anareo fa hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo, araka ny nampanantenainy anareo.

26Indro aho Mosesy mametraka fitahiana sy ozona hisafidiananareo anio.

27Hotahîna ianareo raha mankatò ireo didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio;

28ho voaozona kosa ianareo raha tsy mankatò ireo didin’ny TOMPO Andriamanitrareo fa mivily hiala ny lalana izay soritako ho anareo ka hanaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo.

29Rahatrizay ny TOMPO Andriamanitrareo hahatafiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, dia ny fitahiana no tonony eo an-tendrombohitra Gerizima, ary ny ozona kosa tonony ao an-tendrombohitra Hebala.

30(I Gerizima sy i Hebala dia tendrombohitra roa any an-dafy andrefan’ny ony Jôrdàna, any amparan’ny lalana miankandrefana, eo amin’ny tanin’ireo Kanahanîta monina ao amin’ny faritr’i Harabà; ireo tendrombohitra roa ireo dia eo akaikin’ny ôakan’i Môrà, tandrifin’i Gilgala).

31Efa hiampita an’i Jôrdàna ianareo ka hiditra haka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary hahazo azy ho fanananareo ianareo ka honina eo.

32Koa imasoy hotanterahina avokoa ny lalàna amam-pitsipika izay apetrako eo anoloanareo anio.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help