Isaià 48 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Manambara zava-baovao amin’i Israely ny Tompo

1Henoy izao, ry firenen’i Jakôba,

dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely

sy taranaka nipoitra avy tamin’i Joda,

ianareo izay mianiana amin’ny anaran’ny TOMPO

ka miantso ny anaran’Andriamanitr’i Israely

nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

2Eny, ianareo izay mitonon-tena

ho avy amin’ny tanàna masina

ka miankina amin’Andriamanitr’i Israely

Izay «TOMPOn’izao rehetra izao» no anarany,

henoy àry izao teniko izao:

3Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany;

Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo.

Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny.

4Saingy fantatro fa maditra ianareo;

miridiridy toy ny hoza-by ny hatokareo

ary mafy toy ny varahina ny handrinareo.

5Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny

ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany,

sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny;

ny andriamanitray sarisokitra hazo

na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»

6Efa renareo izay nambarako mialoha

ka hitanareo fa tanteraka avokoa;

moa tsy hotantarainareo ve izany?

Manomboka androany àry

dia hampandre anareo zava-baovao Aho,

dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.

7Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela

no namoronako ireo zava-baovao ireo,

Talohan’ny androany dia tsy mbola renareo izany

sao holazainareo hoe: «Efa fantatray izany!»

8Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala

no tsy nanokatra sofina hatry ny ela;

Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo

sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohòka.

9Fa satria Andriamanitra Aho,

dia notoneko ny fahatezerako

ary ho fitandroako ny voninahitro,

dia nandà tsy handringana anareo Aho.

10Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin’ny afo

toy ny fanao amin’ny volafotsy;

fa tamin’ny memin’ny fahoriana

no nandiovako anareo.

11Noho ny amiko no nanaovako izany,

eny, noho ny amiko ihany,

satria tsy zakako velively

ny hanalam-baràka ny anarako;

ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

Ilay hanatanteraka ny fikasan’ny Tompo

12Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba,

ry vahoaka Israely izay nantsoiko,

henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova,

Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

13Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany;

ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra.

Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.

14Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra:

Ilay tiako no hanatanteraka

izay sitrapoko amin’i Babilôna

sy amin’ny taranaky ny Kaldeanina.

Kanefa iza taminareo moa

no nanambara izany? Tsy misy.

15Izaho, eny, Izaho no niteny;

Izaho mihitsy no niantso azy

ka nanao izay hahatongavany

sy hampahomby izay hataony.

16Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao:

Efa hatrany am-boalohany

no nitenenako an-karihary;

ary teo Aho hatramin’ny vaninandro

izay nisehoan’izany zavatra izany.»

(Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy

no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)

Raha mba nihaino Ahy manko ianao!

17Ry firenen’i Jakôba, ny TOMPO mpanavotra anao,

Ilay Masin’i Israely dia miteny aminao hoe:

«Izaho TOMPO Andriamanitrao

no mampianatra anao izay mahasoa anao

sy mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.

18Raha mba nihaino tsara ny didiko manko ianao,

dia ho nikoriana toy ny ony ny fiadananao;

ary ho toy ny onjan-dranomasina

no fiavin’ny fanafahana anao!

19Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe

toy ny fasika eny amoron-dranomasina;

tsy ho tapaka na ho foana

eo anatrehako ny anarany.»

Mivoaha avy ao Babilôna

20Mivoaha avy ao Babilôna

, mandosira avy ao Kaldea!

Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao

izao vaovao mahafaly izao,

hatrany amin’ny faran’ny tany;

torio ary aelezo izany, ka lazao hoe:

«Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»

21Tsy nangetaheta ireo olony

tamin’ny nitondrany azy tany an-taniefitra.

Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy:

eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.

22Tsy misy fiadanana ho an’ny olon-dratsy, hoy ny TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help