2 Makabeo 13 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nasain’i Antiôkosa novonoina ho faty i Menelà

1Tamin’ny taona faha-149 dia henon’i Joda Makabeo sy ny namany fa tamy hamely an’i Jodea i Antiôkôsa Eopatôra ombà-miaramila maro.

2Niaraka tamin’ny mpanjaka koa i Lisià, mpanabe azy sady praiminisitra. Tafika grika no samy notarihin’izy roa lahy, dia tafika izay nahitana miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 110 sy miaramila an-tsoavaly nisy antokon-tafika dimy sy andiany telo, elefanta 22 ary kalesy telonjato mirongo antsy lava tsirairay avy.

3Nikambana tamin’izy ireo i Menelà sady nihatsaravelatsihy erỳ manangoly an’i Antiôkosa; kanefa tsy mba ho famonjena ny tanindrazany izany fa noho ny fanantenany haverina indray amin’ny andraikitra maha mpisorombe azy.

4Kanjo ny Tompo, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, dia nampirehi-katezerana an’i Antiôkosa tamin’ilay tsy mifaditrovana io. Nasehon’i Lisià tamin’ny mpanjaka manko fa io Menelà io no fototr’izao loza rehetra izao; ka nasain’i Antiôkosa nentina any Berea izy, dia hovonoina ho faty any araka ny fanao amin’izany toerana izany.

5Tao amin’io tanàna io dia nisy tilikambo anankiray feno lavenona; 25 metatra ny haavony ka teny an-tampony no voaisy milina mihodina ary mampirona hatraiza hatraiza hankao an-davenona.

6Ao no famarinana ny olo-meloka nandroba tempoly na diso tamina heloka bevava hafa koa.

7Toy izany no nahafatesan’i Menelà, ilay mpanohitra ny lalànan’Andriamanitra; ary rariny loatra ny tsy nahazoany fandevenana.

8Nanota imbetsaka tamin’ny alitaran’ny Tompo manko izy: madio ny afo aman-davenon’izany alitara izany ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana.

Fandresen’i Joda an’i Antiôkosa tao Môdina

9Niroso hatrany ny dian’i Antiôkosa mpanjaka; feno hevitra barbarianina ny sainy ka nivonon-kamely mafy ny Jiosy izy mihoatra noho ny nataon-drainy.

10Vao nahalala izany i Joda Makabeo, dia nandidy ny vahoaka hiantso ny Tompo andro aman’alina mba hovonjeny amin’izao indray mandeha izao koa; tsara hoesorina amin’ny Jiosy manko ny lalànany sy ny tenin-drazany ary ny tempoly masina.

11Izany vahoaka izay vao teo no nahita hiainana izany no nasain’i Joda nivavaka mba tsy havelan’ny Tompo ho latsaka eo am-pelatanan’ny firenena mpaniratsira.

12Niara-nivavaka toy izany izy rehetra sy nitaraina tamin’ny Tompo mpamindrafo ka nanao an-dranomaso sy nifady hanina sady nandohalika lalandava nandritra ny telo andro; avy eo dia nanao teny fampaherezana azy i Joda ary nandidy azy hiomana hiatrika ady.

13Rehefa niresaka manokana tamin’ny loholona i Joda, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka hitondra ny tafiny hiditra ao Jodea sy haka ny tanàna Jerosalema, fa ny hiainga kosa miaraka amin’izay sy hisahan-draharaha ombàn’ny fanampian’ny Tompo.

14Koa nankininy tamin’ilay Mpahary an’izao tontolo izao ny ho fiafaran’ny ady; fa nampirisihany ny namany hiady amin-kerimpo hatramin’ny fahafatesana ho an’ny lalànany sy ny tempoliny, ho an’i Jerosalema sy ho an’ny tanindrazany ary ho an’ny fitondram-pireneny.

Ary nasain’i Joda nitoby eo amin’ny manodidina an’i Môdôna ny tafiny.

15Nomeny ny teny haikan’ady hoe «Andriamanitra no fandresena» ireo miaramilany, vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin’ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin’ny alina ny faritra nisy ny lain’ny mpanjaka, ary nahafaty antokon-tafika roa tao an-tobim-pahavalo; fanampin’ireo koa dia voatrobaka ho faty ilay lehibe indrindra tamin’ny elefanta mbamin’ny mpitondra azy.

16Hany ka nivadi-po sy nifanaritaka aoka izany ny tao an-tobim-pahavalo vao nialan’ny Jiosy tamim-pahombiazana tanteraka

17fony efa nazava ratsy ny andro. Vita tomombana ny fanafihana natao, satria nomba fiarovana an-dry i Joda ny Tompo.

Nihavana tamin’ny Jiosy i Antiôkosa(Jereo 1 Mak 6.48-63)

18Rehefa tsapan’i Antiôkosa mpanjaka izany herimpon’ny Jiosy izany, dia izay hahazoana an-kafetsena ireo tanàna nisy azy no nandramany.

19Niroso izy hamely an’i Bety-Tsoro izay tanàna mimanda mafy an’ny Jiosy, saingy voatosika izy ka tsy nahomby fa resy.

20Ireo voafahirano tamin’izay manko dia nandefasan’i Joda ny zavatra nilainy.

21Kanefa i Rôdôka, izay anisan’ny miaramila jiosy, dia nilaza tsiambaratelon-tafika tamin’ny fahavalo; nokarohina izy, ka voasambotra ary novonoina ho faty.

22Nifandrindra fanindroany tamin’ireo mponin’i Bety-Tsoro ny mpanjaka, ary nanaiky hanao fifampihavanana taminy, ka nampihataka ny tafiny;

23avy teo izy dia namely an’i Joda sy ny namany, kanjo resy.

I Filipo no navelan’ny mpanjaka tao Antiôkia sady notendreny ho praiminisitra. Kanefa nandre ity mpanjaka fa nikomy io Filipo io, ka nivarahontsana izy. Dia nifampiraharaha tamin’ny Jiosy i Antiôkosa, nanaiky hilefitra, niainiana hitandro ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, ary nanao fihavanana taminy. Ho marik’izany no nanoloran’i Antiôkosa sorona, sy nanehoany fanajana ny tempoly tamin’ny fahalalahan-tanany ho an’io toerana io,

24ary koa nandraisany tsara an’i Joda Makabeo.

I Hezemônida no napetraky ny mpanjaka ho governoran’ny faritra izay manomboka eo Ptôlemaîda ka miafara any Gerà.

25Kanjo nony tonga tao Ptôlemaîda ny mpanjaka, dia nasehon’ny mponin’io tanàna io ny hasosorany amin’ny fifanekena, satria nahatezitra azy tokoa izany ka tiany holavina ny zavatra tinapaka.

26Koa niakatra teo amin’ny lampivato i Lisià ary niaro ny fifanekena araka izay azony natao; dia nandresy lahatra ny mpihaino izy, sy nampilamina azy ary nahatarika azy hilefaka, izay vao niainga ho any Antiôkia.

Toy izany no zava-nitranga tamin’ny fanafihana sy fihatahan’i Antiôkôsa mpanjaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help