Salamo 31 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Tompo ô, Ianao no fianteherako

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2TOMPO ô, Ianao no fialofako;

tsy ho diso fanantenana

na oviana na oviana aho.

Araka ny fahamarinanao

dia afaho amin’ny loza aho!

3Mba anongilano sofina aho ka vonjeo faingana;

aoka Ianao ho Vatolampy fiereko

ary ho manda hahitako famonjena!

4Eny, harambato sy manda fiarovana ho ahy Ianao;

ary mba ho voninahitry ny anaranao,

dia aoka Ianao hitarika ahy sy hiandry ahy!

5Tsoahy amin’ny fandrika harato

izay novelarina tamiko aho,

satria Ianao no miaro ahy.

6Eo an-tananao no apetrako ny fiainako;

TOMPO ô, Ianao no nanafaka ahy,

Ianao Ilay Andriamanitra mahatoky.

7Halako ny mivavaka amin’ny sampy;

fa izaho, TOMPO ô, dia mitoky aminao.

8Te hifaly sy hiravo aho noho ny fitiavanao,

satria hitanao ny fahantrako

sady fantatrao ny fahoriako;

9ary tsy navelanao ho azom-pahavalo aho

fa najoronao ho eo an-kalalahana.

10Mba iantrao aho, TOMPO ô,

fa ao an-katerena

ny tena amam-panahiko

ary jembin’alahelo ny masoko.

11Kikisam-pahoriana ny aiko,

lanin-tsentosento ny taonako,

ritran’ny heloka vitako ny heriko,

ka dia indro maina mbamin’ny taolako.

12Mandatsa ahy avokoa ny fahavaloko,

eny, na dia ny mpiara-monina amiko aza;

ny olom-pantatro koa matahotra ahy,

ka mandositra raha mifanena amiko.

13Tsy fantatra intsony aho

fa hadino toy ny maty

sy toy ny zavatra nariana.

14Efa reko ny besinimaro mifosa ahy

ka mampihorohoro hatraiza hatraiza.

Mikaon-doha hamely ahy izy

sy miray tetika hanala ny aiko.

15Izaho kosa mitoky aminao, TOMPO ô,

ka hoy aho hoe: «Andriamanitro Ianao.»

16Eo ambany fiahianao ny androm-piainako

ka afaho amin’ny fahavalo sy mpanenjika aho.

17Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao,

ka vonjeo satria be fitiavana Ianao.

18Tsy ho diso fanantenana anie aho,

satria miantso vonjy aminao, TOMPO ô;

fa aoka ireo ratsy fanahy no ho menatra

ka hangina any amin’ny toeran’ny maty!

19Ataovy moana ireo fa mpandainga

sady sahisahy mamely olo-marina

amin’avonavona sy fanamavoana.

20Kanefa, Tompo ô, akory ny hamaroan’ny soa

atokanao ho an’ireo manaja Anao!

Eo imason’ny olona no anaovanao izany

ho an’izay mialoka aminao hatrany.

21Ampierenao tsara eo anatrehanao Izy

mba ho lavitra ny ankaso ataon’olona;

Ao an-tranonao no anafenanao azy

mba ho lavitra ny mpifosa manangana ady.

22Hisaorana anie Ianao, TOMPO ô,

fa nigagàna tokoa ny fitiavanao ahy

fony aho toy ny tanàna voafahirano!

23Tamin’ny fahatairako no nilazako hoe:

«Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao.»

Kanjo nohenoinao ny fitalahoako,

rehefa niantso vonjy taminao aho.

24Ry mpivavaka rehetra, tiava ny TOMPO

satria Izy miaro an’izay mino Azy;

fa ireo mpiavonavona kosa

dia valiany tsy an’erany izay nataony.

25Ianareo rehetra manantena ny TOMPO,

matanjaha sy mahereza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help