Isaià 49 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ilay Mpanompon’ny Tompo(tononkira faharoa)

1Mihainoa ahy ianareo,

ry mponina any amin’ny nosy any;

ary atongilano ny sofinareo,

ry firenena any lavitra.

Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka;

vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.

2Nataony toy ny sabatra maranitra ny teniko,

sady arovany ao ambany aloky ny tanany aho;

nataony toy ny zana-tsipîka voarangitra tsara aho

ka voaafiny tao amin’ny tranon-jana-tsipîkany.

3Hoy Izy tamiko: «Ianao no mpanompoko,

ilay Israely entiko maneho ny voninahitro.»

4Fa izaho kosa manao anakampo hoe:

Very maina ny nisasarako;

zava-poana sy tsinontsinona

no nandaniako ny heriko.

Kanefa ny rariny ananako dia ao amin’ny TOMPO;

ary Izy Andriamanitro no valisoako.

5Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO,

Izay namorona ahy hatrany am-bohòka

mba hahatonga ahy ho mpanompony

ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba

sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany;

fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho,

ary Izy Andriamanitro no heriko.

6Dia nitenenany aho ka nataony hoe:

«Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao

mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba

sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely.

Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao

mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»

Famerenana ny fampanantenana fanafahana

7Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely,

dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona

sy ankahalain’ny firenen-kafa,

ary andevozin’ireo mpanjakazaka;

ka izao no lazainy aminao:

«Raha vao mahita anao ny mpanjaka

dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany;

ary hiankohoka ny manampahefana,

raha vao mahatazana anao.

Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky,

dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»

8Izao koa no lazain’ny TOMPO:

«Tamin’ny fotoana mety

dia namaly ny antsonao Aho,

ary tamin’ny androm-pamonjena

dia tonga namonjy anao Aho.

Nokolokoloiko ianao mba hataoko

ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona.

Noho izany, dia hanarina ny tany Aho

sy hizara indray ny lova efa rava;

9ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina

dia hitenenako hoe:

‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.›

Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo,

ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy

mirao-bilona amin’ny havoana rehetra.

10Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo

ary tsy hampaninona azy akory

na ny rivo-mahamay na ny masoandro,

satria am-pitiavana no hitarihako azy

ary any amin’ny loharano miboiboika

no hitondrako azy hiala hetaheta.

11Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana;

ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.

12Indreny izy fa tonga avy any lavitra,

ny sasany avy any avaratra,

ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina,

ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»

13Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany;

manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra,

fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany

ary naneho indrafo tamin’ny mahantrany.

Fatra-pitia an’i Tsiôna ny Tompo

14I Tsiôna nanao hoe:

«Efa nandao sy nanadino ahy

ilay ANDRIANANAHARY Tompo.»

15Fa ny TOMPO kosa mamaly hoe:

Moa manadino ny zanany minono ve ny vehivavy

na tsy tia ny zaza naloaky ny kibony intsony?

Na dia mety manadino aza izy,

Izaho kosa tsy mba hanadino anao.

16Indro efa vitako tombokavatsa

eo am-pelatanako ny anaranao,

ary eo imasoko hatrany ny mandanao.

17Tamy faingana ireo mpanarina anao;

fa miala manalavitra anao kosa

ireo nandrava sy nanimba anao,

18Atopazo ny masonao hijery manodidina,

ny zanakao rehetra dia mivory mankeo aminao.

Velona Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

ka mianiana fa izy rehetra

dia hataonao fihaingo toy ny firavaka

ary hataonao fietra toy ny fehikibon’ny ampakarina.

19Eny, toerana rava sy fonenana lao

ary koa tany simba no fahitana anao izao;

kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy

ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.

20Nihevi-tena tsy hanan-janaka intsony ianao,

kanefa hiteny eo an-tsofinao indray ny zanakao

hifampilaza hoe: «Tery ny toerako,

fa mikisaha kely mba hipetrahako.»

21Ianao kosa, ry Tsiôna, dia hanontany tena hoe:

«Iza no nanome ahy ireto zanaka ireto?

Maty anaka aho teo

ary tsy mba nanantena

ny hanan-janaka intsony,

sady natao sesitany sy ankilabao.

Koa iza no nahalehibe an’ireto?

Indro aho navela hanirery,

fa mba avy taiza kosa ireto?»

22Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:

«Indro hasandratro ny tanako hanatsika ny firenen-kafa;

ary hatsangako ny fanevako ho hitan’ny vahoaka.

Dia hotrotroiny no fitondra ny zanakao lahy;

ary hoentiny an-tsoroka ny zanakao vavy.

23Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao

ary andriambavy no ho reny mpampinono azy.

Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo

ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao,

dia hoekenao fa Izaho no TOMPO

ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.

24Alaina amin’ny miaramila mahery ve ny rembiny?

Sarihina amin’ny olon-doza ve ny babony?

25Eny, hoy ny famalin’ny TOMPO,

na dia ny babon’ny miaramila mahery aza

dia halaiko aminy;

ary hosarihiko amin’ny olon-doza ny rembiny.

Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema,

no hiady amin’izay miady aminao

sady hanafaka ny zanakao.

26Ireo olona mpampahory anao kosa

hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany

ary hataoko mamon’ny ran’ny tenany ihany

toy ny mimamo amin’ny divay vaovao.

Amin’izay dia ho fantatry ny olona rehetra

fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao,

ary Izaho ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help