1Hafatra momba an’i Môaba.
Indray alina monja dia rava
tsy nisy niangana ny tanàna Hara-Môaba,
indray alina monja dia rava
tsy nisy niangana ny tanàna Kira-Môaba.
2Ny mponin’i Dibôna dia miakatra
eny amin’ny toeram-pivavahany mba hitomany.
Any Nebao sy Medebà no idradradradran’i Môaba.
Voaharatra avokoa ny loha rehetra
ary voaala ny volombava rehetra.
3Eny an-dalambe dia lamba fisaonana
no itafian’ny besinimaro,
eny an-tampon-trano sy eny an-kianja eny
no idradradradran’izy rehetra
sady irotsahan’ny ranomasony.
4Miantso vonjy ny any Hesbôna sy Elehale
ka re hatrany Jahatsa ny feony;
izany no mampilofika an’i Môaba
sy mahakivy ny fanahiny.
5Mitaraina ny foko noho ny amin’i Môaba:
tonga hatrany Tsôhara sy Heglata-Selisià ny mpandositra.
Mitomany ny olona mianika ny fiakaran’i Lohita
ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Hôrônaima.
6Nanjary ritra ny ranon’i Nimrima,
maina ny vilona, nalazo ny zava-maniry,
ary tsy nisy ahi-maitso intsony.
7Ireo harena vitsivitsy hany sisa voatahiry
dia nentin’ireo Môabita nitsoaka
any am-pitan’ny lohasahan-driakan’ny Hazomalahelo.
8Antsoantsom-pitarainana no heno
manodidina ny faritanin’i Môaba;
hatrany Eglaîma sy hatrany Beera-Elima aza
no andrenesana ny fidradradradràny.
9Feno ra ny rano mandalo ao Dibôna,
fa hoy ny TOMPO hoe:
«Eny, hitondra loza vaovao ao Dibôna Aho,
dia liona hamely izay afa-nandositra tao Môaba,
sy izay sisa velona amin’izany tany izany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.