1Raha te hankasitrahina ianao amin’ny soa ataonao,
dia mba fantaro izay olona anaovanao azy.
2Manaova soa amin’ny olona tia vavaka,
dia hahita valim-pitia ianao,
ary na tsy avy amin’ilay olona aza
dia avy amin’Ilay Avo Indrindra kosa.
3Tsy mba misy fahasambarana
ho an’izay mikiribiby amin’ny ratsy
sady tsy mankamamy ny asa fiantrana.
4Ny olona tia vavaka no omeo zavatra,
ary aza mandray na inona na inona avy amin’ny mpanota.
5Manaova soa amin’ny manetry tena
ary aza manome ho an’izay tsy mpivavaka;
mandava tsy hanome mofo azy velively ianao,
fandrao hanjakazakany aminao izany;
ka hovaliany ratsy avo roa heny
ny soa rehetra vitanao taminy.
6Fa halan’ny Avo Indrindra koa ny mpanota,
ary hampiharany famaizana ny tsy mpivavaka.
7Ny olona tsara fanahy no omeo zavatra,
ary aza mandray na inona na inona avy amin’ny mpanota.
Sakaiza tena izy sy sakaiza sandoka8Tsy amin’ny andro fanambinana
no hahafantarana ny sakaiza;
fa amin’ny andro fahoriana kosa
dia tsy miafina ny fahavalo.
9Raha ambinina ny olona, malahelo ny fahavalony;
fa raha ory kosa izy, na ny sakaizany aza mihataka.
10Aza matoky ny fahavalonao na oviana na oviana;
satria toy ny varahina rakotry ny harafesina,
toy izany koa no ho endriky ny hasomparany.
11Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy,
dia mitandrema sy miarova tena ianao amin’ny fahavalonao;
manoloana azy, dia ho tahaka ny mpandambolambo
fitaratra anie ianao
ka ho fantatrao fa tsy misy harafesina
maraorao intsony ao aminy!
12Aza apetraka eo anilanao ny fahavalonao,
fandrao aongany ianao, dia alainy ny toeranao;
aza apetrakao ho tanan-kavananao izy
fandrao tsiriritiny ny toeran misy anao;
ka amin’ny farany, nony hahalala
ny hamarinan’ny foto-kevitro ianao
dia hanana alahelo ama-nenina
amin’ny fahatsiarovana ny teniko.
13Iza no hangoraka izay mpisafosiaka
voakaikitry ny menarana tezainy
na izay rehetra manatona ny bibidia?
14Toy izany koa, iza no hangoraka
ny miray petsapetsa amin’ny mpanota
ka voarohirohy amin’ny fahotana ataony?
15Raha mbola miara-dalana aminao ny olon-dratsy,
dia tsy mampiseho ny tena toetrany;
fa raha mianjera ianao, dia avelany ho eo.
Raha mbola tafajoro tsara ianao,
dia mijanona mitampify aminao izy;
fa vao mibolisatra ianao, dia iny izy no lasa.
16Ny fahavalo dia malefaka am-bava,
nefa ao am-pony dia satriny tokoa
ny hamarina anao any an-davaka.
Ny ranomaso mitrahotraho amin’ny mason’ny fahavalo,
nefa ny handatsa-dra anao no mahaliana azy
raha misy fotoana hahazoany manao izany.
17Raha tra-doza ianao, dia hahita azy manoloana anao,
ary hody hoe hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;
18avy eo dia handihindihy loha sy hiteha-tanana izy,
tsy hitsaha-mitakoritsidritsika ny aminao,
ary hiova endrika ho araka ny maha izy azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.