1Nifamory ny vatan-dehilahin’i Efraîma, dia niampita an’i Jôrdàna ary tonga tao Tsafôna, ka niteny tamin’i Jiftà hoe:
–Nahoana no nandeha niady tamin’ny Hamônita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.
2Fa namaly azy i Jiftà ka nanao hoe:
–Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamônita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan’ireny.
3Koa rehefa hitako fa tsy tonga hanafaka ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha nanafika ny Hamônita; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra àty amiko anio mba hila ady amiko?
4Dia namory ny vatan-dehilahy rehetra tao Gilehada i Jiftà, ka niady tamin’ny Efraîmita; ary nandresy azy ny Gilehadita, satria ireo Efraîmita ireo indrindra no naneso hoe: «Ianareo olon’i Gilehada dia tsy inona akory fa mpitsoaka an-daharana tao aminay Efraîmita ihany; avy tao anivonay Efraîmita ianareo no nankao anivon’ny Manasita.»
5Ary nobahanan’ny Gilehadita ireo fitàna ny ony Jôrdàna hankany Efraîma. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe:
–Efraîmita va ianao?
Koa raha namaly izy hoe «Tsia»,
6dia nasaina notononiny ny teny hoe «Shibôleta»; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe «Sibôleta», dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin’ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraîmita maty tamin’izany fotoana izany.
7Koa i Jiftà, ilay Gilehadita, no nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona; avy eo dia maty izy ka nalevina tao amin’ny tanàna izay nahabe azy, tany Gilehada.
I Ibitsàna sy i Elôna ary i Habdôna8I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita.
9Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;
10avy eo dia maty izy ka nalevina tao Betlehema.
11I Elôna avy tamin’ny fokon’i Zebolòna no nandimby an’i Ibitsàna ka nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona.
12Avy eo dia maty izy ka nalevina tao Aialôna, ao amin’ny faritanin’i Zebolòna.
13I Habdôna, zanakalahin’i Hilela avy tao Pirehatôna, no nandimby an’i Elôna ka nitondra ny Israelita.
14Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdôna; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdôna;
15avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Pirehatôna, any amin’ny faritanin’i Efraîma, eo amin’ilay hoe tendrombohitry ny Hamalekita.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.