Salamo 47 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Hobio ny Tompo, ilay Mpanjaka lehibe

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra

.

2Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana

sy manaova hobim-pifaliana ho an’Andriamanitra;

3fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra,

Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo Izy.

4Vahoaka maro no reseny hofehezinay,

firenen-tsamy hafa no ataony manaiky anay.

5Nofidiny ny zaratany holovanay

ka izany no ireharehanay,

satria izahay taranak’i Jakôba

dia vahoaka tiany tokoa.

Fiatoana

6Arahina hoby Andriamanitra no miakatra ao Tsiôna

.

Ombàn’ny feon’anjomara no tonga ao Izy TOMPO.

7Ankalazao Andriamanitra, ankalazao amin-tsalamo!

Ankalazao ny Mpanjakantsika, ankalazao amin-tsalamo!

8Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra,

koa ankalazao amin-kira faran’izay mirindra.

9Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-drehetra

sy mitoetra amin’ny sezafiandrianany manokana.

10Ireo mpanapaka ny firenen-kafa dia nikambana

ho mpomba an’ilay Andriamanitr’i Abrahama;

ka voasandratra ambony dia ambony Andriamanitra

noho Izy mifehy ireo andriambaventin’ny tany!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help