Estera Grika Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana -Ny dikanteny grika momba ny Testamenta Taloha, atao hoe Dikantenin’ny Septoazinta, dia notontosaina nandritra ny taonjato faha-2 tal J.K. ho an’ireo vondrona jiosy miteny grika sady miely patrana manodidina ny Ranomasina Mediteranea. Io dikanteny io dia manolotra ny Bokin’i Estera ao amin’ny rijan-teny manatombo 50% eo ho eo raha ampitahaina amin’ny rijan-teny hebreo izay nandrosoana dikanteny koa ato amin’ity Baiboly DIEM ity. Ny fizotran’ny zava-mitranga dia mitovy ihany eo amin’ny fitantarana roa tonta, fa ny dikanteny grika kosa no manisika fanamboamboarana isan-karazany (anaran-tsamirery, ohatra) ary fanovana sasantsasany. Ankoatra ireo, misy fanampin-javatra enina mafonja, izay tondroina etoana amin’ny litera kapitaly manaraka ny abidỳ.

Ny toko A (alohan’ny toko 1) sy G (aorian’ny 10.3) dia manokatra sy mamarana ny fitantarana sady manome fivoasana ara-pinoana momba ny zava-nitranga. Andriamanitra no manapa-kevitra ny amin’ny anjara voatendry ho an’ireo firenena, ka asandrany ny vahoaka voafidiny ary aetriny ny lehibe mpiavonavona sy mpampahory azy.

Ny toko B (eo anelanelan’ny 3.13 sy 3.14) ary F (eo anelanelan’ny 8.12 sy 8.13) dia manome ny rijan-teny ôfisialy momba ilay didy famongorana ny Jiosy sy ilay taratasy manafoana izany didy izany.

Eo afovoan’ny tantara, ny toko D (aorian’ny 4.17) dia ahitana ireo vavaka nataon’i Môrdôkay sy i Estera, vavaka izay nahatonga ny fifandanjan-kery hifamadika teo amin’ny Jiosy sy ny mpanenjika azy.

Ny toko E (alohan’ny 5.3) dia fanalavana sy fanitarana ny tantara amin’ny fanalalànana nataon’i Estera teo anatrehan’ny mpanjaka.

Ny rijan-teny hebreo momba ny Bokin’i Estera dia tsy milaza loatra ny fiàsan’Andriamanitra, ary andininy anankiray ihany (4.14) no mba mampahatsiahy an’izany. Ny rijan-teny grika kosa dia mamelabelatra izany lafiny miafina eo amin’ny zava-mitranga izany. Samy fomba fijery ara-pinoana izany: ny ankilany manindry ny asan’ny olona sy ny herisetra mifamahofaho aminy; ny andaniny mampahatsiaro fa Andriamanitra dia eo anivon’ny tantaran’ny olombelona hatrany, na dia mahafanina sy mampahory tokoa aza izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help