Bena-Siràka 47 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Natàna mpaminany sy i Davida mpanjaka

1Manaraka an’i Samoela, dia niseho i Natàna

mba ho mpaminany tamin’ny andron’i Davida.

2Toy ny fanavahana ny jabora tamin’ny sorom-pihavanana

no nanavahana an’i Davida teo amin’ny Israelita.

3Kilalao ho azy ny miatrika liona na orsa

mova tsy ny mandray osikely na ondrikely.

4Mbola tanora izy no namono ilay lehilahy goavana,

ka nanaisotra ny latsa tamin’ny vahoaka israelita;

nahodiny mirimorimo ny antsamotady nisy vato

ka nahalavo an’i Gôliata mpirehaka.

5Nantsoin’i Davida ny Tompo Avo Indrindra

ka nanome tanjaka ny tanany ankavanana

mba hamono hahafaty an’ilay mpiady kinga

sy hanandratra ny herin’ny fireneny.

6Izany no nanomezam-boninahitra an’i Davida

tamin’ny famonoany fahavalo an’alinalina;

tao anatin’ny fisaorana ny Tompo no niderana azy,

ary dia natolotra azy ny diademam-piandrianana.

7Nataony ringana hatraiza hatraiza ny fahavalo

ary nomontsaniny ny Filistinina mpanohitra azy

ka nopotehiny mandraka androany ny heriny.

8Tamin’ny asa rehetra nataon’i Davida, dia teny fiderana

no nanolorany haja an’ilay Masina sady Avo Indrindra;

tamin’ny fony manontolo no nihirany salamo

sy nitiavany an’Ilay Mpahary azy.

9Nanendry antoko-mpihira teo anoloan’ny alitara izy,

ka feon-kira mahafinaritra no nampandrenesin’ireny.

10Nomeny endrika manetriketrika ny fety

ary narindrany ho tapitra ohatra ny fankalazana

mba hideran’ny olona ny anara-masin’ny Tompo

sy hampanakoako ny Toeramasina dieny vao maraina.

11Ny Tompo kosa namela ny fahotan’i Davida

sy nanandratra ny fahefàny ho mandrakizay

ary nanome azy ny taranaka ho mpanjaka mifanesy

mbamin’ny sezafiandrianana be voninahitra

eo amin’i Israely.

I Salômôna mpanjaka

12Manaraka an’i Davida, dia niseho ilay zanany hendry

izay niaina tanaty faritra malalaka, noho ny amin-drainy.

13Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna

satria nomen’Andriamanitra fitsaharana izy

teo amin’ny sisin-tany rehetra manodidina,

mba hanaovany trano voatokana ho an’ny anarany

sy hanamboarany Toeramasina mandrakizay.

14Endrey ny fahendrenao, ry Salômôna,

fony ianao mbola tanora;

endrey izato ianao feno fahalalana

tahaka ny ony feno rano!

15Nitatra manerana ny tany ny fahiratan-tsainao;

nofenoinao ohabolana sy ankamantatra ny sehatra rehetra.

16Ny lazanao tonga hatrany amin’ny nosy lavitra;

ary ny fiadanana omenao no nitiavan’ny olona anao.

17Nigagan’ny tany samihafa ianao

noho ny hiranao masina sy ny ohabolanao

ary ny fanoharanao sy ny valin-teninao.

18Araka ny anaran’Andriamanitra mendri-kaja

izay nantsoina tamin’ny vahoaka Israely

no nanomezana anarana anao.

Nanangona volamena tahaka ny fanangona fira-potsy ianao

ary nanavosa volafotsy tahaka ny fanavosa firaka.

19Kanefa nanaram-po tamin’ny vehivavy ianao

ary nitolo-batana handevozin’izy ireny.

20Izany no nanisy pentina ny voninahitrao

sy nandotoanao ny voninahitr’ireo taranakao

ka nahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra taminy.

Nampangirifiry azy tokoa ny fahadalànao,

21satria lasa nivaky roa ny fanjakanao;

ka avy amin’ny fokon’i Efraîma

no nipoiran’ilay fanjakana nikomy.

22Kanefa ny Tompo tsy nampitsahatra ny famindrampony

ary tsy namela ny fampanantenàny ho foana;

tsy namongotra ny taranak’ilay voafidiny Izy,

ary tsy nahalany tamingana an’ilay tia Azy.

Nisy sisa velona navelany teo amin’ny taranak’i Jakôba,

toy izany koa no nanomezany an’i Davida solofo avy aminy.

I Rehabohama sy i Jerobohama

23Dia nodimandry i Salômôna ka tafaraka amin’ny razany;

ary ny mpanjaka nanarakaraka azy

dia anankiray tamin’ireo zaza navelany,

dia i Rehabohama izay nampikomy vahoaka

tamin’ny fanapahan-kevitra nataony.

Manam-be izy io ny amin’ny fahadalana

fa mahantra ny amin’ny fahiratan-tsaina.

Tao kosa i Jerobohama, zanakalahin’i Nebata.

Notarihiny hanota ny foko israelita tavaratra

ary lalam-pahotana no natorony

ho an’ny fanjakan’i Efraîma.

24Dia nitombo aoka izany ny fahotan’ireo

ka nentin-ko babo lavitra ny taniny izy;

25haratsiana isan-karazany no nivarinany

ambara-piavin’ny famaizan’Andriamanitra taminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help