Ohabolana 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Antso vaovao ataon’ny Fahendrena

1Injany fa miantso ny Fahendrena

ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.

2Eo an-tampon-kavoana amoron-dalana

sady eo am-pihaonan-tsakelidalana no ijoroany.

3Eo anilan’ny vavahady fidirana ny tanàna

sy toeram-pandalovan’olona no iantsoantsoany hoe:

4«Ianareo anie, rey olona, no antsoiko;

ianareo rehetra no iantefan’ny teniko.

5Ry kely saina, fantaro ny fahendrena,

ry adala, hamafiso ny fahalalana.

6Henoy fa zava-dehibe no holazaiko

ka hiteny tsy misorona aminareo aho.

7Eny, ny marina ihany no lazain’ny vavako

fa halan’ny molotro ny faharatsiana.

8Rariny avokoa izay tenin’ny vavako,

fa tsy misy lainga na fitaka.

9Mazava avokoa izy ho an’ny mahira-tsaina

ary mahitsy ho an’ny manam-pahalalana.

10Ny fampianarako no raiso fa tsy ny volafotsy

ary aleo fahalalana toy izay ny volamena voafantina.

11Satria Izaho Fahendrena dia tsara noho ny perla;

tsy misy zava-tsarobidy azo ampitahaina amiko.»

Mampiseho ny maha izy azy ny Fahendrena

12«Izaho Fahendrena no manana ny fahamalinana

ka nahazo ny fahaiza-manao drafitrasa.

13Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO.

Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehana

na ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.

14Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra;

Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.

15amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka,

sy ahazoan’ny mpitondra manao didy ara-drariny;

16amin’ny alalako no ifehezan’ireo mpifehy

sy anaovan’ireo loholona fitsarana ara-drariny.

17Izaho dia tia izay tia ahy;

ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.

18Miaraka amiko ny harena sy ny voninahitra,

dia fananana mateza sy fanambinana sahaza.

19Izay omeko dia tsara noho ny volamena,

eny, noho ny volamena madio indrindra;

ary izay azo avy amiko dia tsara

noho ny volafotsy voafantina.

20Ny soritry ny fahamarinana no izorako

dia ny lalana anjakan’ny rariny,

21mba hampahazoako zava-tsoa ireo tia ahy

ka hamenoako ny tranon-drakiny.

22«Nateraky ny TOMPO ho voalohan’asany aho,

dia talohan’ny asa nataony hatry ny elabe.

23Natokany hatramin’ny fahagola aho,

eny, natokany hatrany am-piandohana,

dia fony tsy mbola nisy akory ny tany.

24Fony tsy mbola ary ny rano lalimbe no efa teraka aho

dia fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika.

25Talohan’ny niorenan’ny tendrombohitra

sy talohan’ny havoana no efa teraka aho,

26dia fony tsy mbola nataon’Andriamanitra

na ny tany na ny saha midadasika eo aminy

na ny vovotany singany voalohany

teo amin’izao tontolo izao.

27Efa teo aho, fony Andriamanitra

namorona ny lanitra,

sy namaritra ny faravodilanitra

teo ambonin’ny rano lalimbe.

28Nampivangongo ny rahona eny ambony Izy

ary nampiboiboika ny loharano lalina;

29nanisy faritra ho an’ny ranomasina Izy,

dia faritra tsy azony hihoarana,

ary nametraka ny fanorenan’ny tany.

30Tamin’izany asa rehetra nataony izany

dia nanampy azy toy ny mpanao mari-trano aho

ka sady antom-piravoravoany isan’andro isan’andro

no nibita-kafaliana tsy tapaka teo anatrehany;

31nibita-kafaliana aho teo amin’ny tany noarîny

ary naharavoravo ahy teo amin’ny olombelona.»

Sambatra ny olona izay mihaino ny Fahendrena

32«Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka;

fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.

33Henoy ny anatro ary aza lavina

fa hampahendry anareo izany.

34Sambatra izay olona mihaino ahy

ka miandry isan’andro eo am-baravarako

sy miambina eo an-tokonako!

35Izay mahita ahy dia mahita ny fiainana

sady mahazo sitraka amin’ny TOMPO.

36Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany,

ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help