1Tiako ny TOMPO noho Izy mihaino ny feoko
fony aho mitalaho aminy.
2Manongilan-tsofina amiko Izy ka hantsoiko,
raha mbola velona koa aho.
3Ny fahafatesana toa efa nitana ahy am-patorana;
ny toeran’ny maty toa efa nangeja harato ahy,
tojo fahoriana sy tebiteby aho,
4ka niantso ny TOMPO nanao hoe:
«Miangavy aho, TOMPO ô,
mba vonjeo re aho!»
5Miantra sy marina ny TOMPO,
mamindrafo ny Andriamanitray.
6Miaro ny olon-tsotra ny TOMPO;
reraka aho ka novonjeny.
7«Milamîna indray, ry fanahiko,
fa ny TOMPO efa nanisy soa anao».
8Ianao tokoa, TOMPO ô,
no nanafaka ahy tsy ho faty;
ka ny masoko tsy hitomany,
ny tongotro tsy ho solafaka.
9Dia hiaina eo anatrehanao aho
eto amin’ity tany ivelomanay ity.
10Natoky aho, na dia efa nahateny aza hoe:
«Farafahoriana tokoa aho!»
11Taitra loatra aho ka loa-bolana hoe:
«Mpandainga avokoa ny olombelona!»
12Inona no havaliko ny TOMPO
noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13Hitondra fanatitra divay aho
ka hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.
14Hanefa ny voadiko amin’ny TOMPO aho
eo anatrehan’ny vahoakany tafangona.
15Tsy sitraky ny TOMPO velively
ny hahafatesan’ny mpivavaka aminy.
16TOMPO ô, mpanomponao aho;
eny, mpanomponao tokoa aho
sady zanaky ny mpanompovavinao,
ka novahanao ny fatorako.
17Hanolotra sorom-piderana aho
ary hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.
18Hanefa ny voadiko amin’ny TOMPO aho
eo anatrehan’ny vahoakany tafangona,
19dia eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO,
eo afovoanao, ry Jerosalema.
Haleloià!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.