1Nony ren’i Demetry fa maty tamin’ny ady i Nikanôra sy ny tafiny, dia nalefany ho any Jodea indray i Bakida sy i Alkima, nitondra ny vondron-tafi-panjakana kinga indrindra.
2Ny lalana mankany Gilgala no nizorany; dia nataony fahirano i Mesalôta izay tao anatin’ny faritany Arbela, ka azony io tanàna io ary namonoany maro be ny mponina.
3Tamin’ny taona faha-152, volana voalohany, dia nampitoby tafika teo anoloan’i Jerosalema i Bakida sy i Alkima.
4Avy eo dia niainga nankany Bereta izy roa lahy, nitondra miaramila andiany roapolo sy mpitaingin-tsoavaly andiany roa.
5I Joda kosa niorin-toby tao Elasà, nombà-miaramila voafantina andiany telo.
6Raiki-tahotra mafy ny tafika jiosy, nony nahita ireto fahavalo maro tokoa; ka betsaka ny Jiosy no nitsoaka mangingina niala teo an-toby; valonjato lahy sisa tafajanona.
7Hitan’i Joda fa nilofika ireto miaramilany, kanefa ny tenany tsindrian-daona hiatrika ady; koa torotoron’alahelo ny fony, satria tsy nisy intsony fotoana hamoriany ny mpitsoaka an-daharana.
8Nahatsiaro reraka izy, saingy izao no teny nataony tamin’ireto sisa tafajanona teo aminy:
–Ndeha isika hisehatra ny fahavalontsika sy hamely azy, raha mbola afa-miady aminy koa isika!
9Notohain’ny miaramilany kosa i Joda mba tsy hanao izany sady nitenenany hoe:
–Tsy afa-manoatra isika izao, fa aleo manavotra aina; aoriana isika vao hiverina hiaraka amin’ny namantsika indray mba hiady amin’ny fahavalontsika.
10Fa hoy i Joda taminy:
–Sanatria ahy ny hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana hahafatesantsika, dia aoka isika ho faty amin-kerimpo ho an’ny mpiray firenena amintsika; ary aza asiana pentina ny voninahitsika.
11Dia nivoaka ny toby ireo fahavalo mba hifanehatra amin’ny Jiosy; nizara roa toko ny an-tsoavaly ka ny mpirongo antsamotady sy tsipîka no teo aloha mbamin’ireo zatra ady eo an-dohalaharana, dia olona mahery fo avokoa; i Bakida kosa tery amin’ny ilany ankavanana.
12Nandroso ho antokony roa ny miaramila an-tongotra sady nampaneno trômpetra.
13Ry Joda koa, tetsy an-daniny, dia nampaneno trômpetra; ka nihorohoro ny tany, azon’ny firohondrohon’ny tafika roa tonta. Rafitra ny ady, nanomboka tamin’ny maraina ka naharitra hatramin’ny hariva.
14Nony hitan’i Joda fa teo amin’ny ilany ankavanana i Bakida sy ny miaramilany kinga indrindra, dia novorîny hanodidina azy ny Jiosy rehetra mahery fo indrindra,
15ka nitsofohany ny ilany ankavanana amin’ny fahavalo ary notanahiny hatrany an-tendrombohitra Azarà.
16Rehefa hitan’ny ilan-tafika ankavia amin’ny fahavalo fa resy ny ilan-tafika ankavanana, dia nifoterany avy ato aoriana i Joda sy ny namany.
17Nihanangotraka ny ady, ka samy be maty izy roa tonta.
18Maty koa i Joda, dia vaky nandositra ireo namany sisa.
19Dia nentin’i Jônatàna sy i Simôna ny fatin’i Joda rahalahiny ka naleviny tao amin’ny fasan-drazany ao Môdina.
20Nitomanian’ny Israelita rehetra sy nigogogogoany mafy i Joda; ary naharitra andro maro no nisaonany azy sy nanaovany hoe:
21«Ahoana re no dia nahafaty an’ilay mahery, an’ilay nanafaka an’i Israely?»
22Ny sisa amin’ny tantaran’i Joda mbamin’ny ady hafa nataony sy ny herimpo hafa nasehony ary ny anaram-boninahitra hafa nananany dia tsy ary ho voasoratra mihitsy satria maro loatra.
I Jônatàna no nandimby an’i Joda rahalahiny23Nony efa maty i Joda, dia nitrangatranga eran’ny tany Israely manontolo ireo mpanohitra ny lalànan’Andriamanitra ary niarin-doha izay rehetra mpanao ratsy.
24Nisy mosary tena mafy koa tamin’izany andro izany, ka lasa nivadika niandany taminy mbamin’ny firenena iray manontolo.
25Ny olona mpankahala fivavahana rahateo no voafidin’i Bakida sy notendreny hitondra ny tany.
26Nokarohin’ireo ny sakaizan’i Joda sady nataony tsongo dia, ary nentiny any amin’i Bakida, ka nofaizan’io sy nataony fihomehezana.
27Lalina loatra ny fahoriana nanjo ny Israelita, fa nanomboka teo amin’ny andro tsy nahitana mpaminany teo aminy intsony dia tsy mbola nisy fahoriana toy izany.
28Koa nivory izay rehetra sakaizan’i Joda ary nilaza tamin’i Jônatàna hoe:
29–Hatrizay nahalasanan’i Joda rahalahinao izay, dia tsy misy lehilahy toa azy intsony mba hitsangan-kanohitra ny fahavalontsika, izany hoe i Bakida mbamin’ireo rehetra mankahala ny firenentsika.
30Ka dia ianao no fidinay anio ho filohanay hisolo azy, sy ho mpitari-tafika amin’ny ady hatrehintsika.
31Dia noraisin’i Jônatàna ny fanapahana tamin’izany andro izany, ary nandimby an’i Joda rahalahiny izy.
Namaly faty an’i Joda rahalahiny i Jônatàna32Vao nandre ny nifidianana an’i Jônatàna i Bakida, dia nitady hamono azy.
33Nony nahafantatra izay fikasana izany i Jônatàna sy izay rehetra nomba azy mbamin’i Simôna rahalahiny, dia nandositra tany an-taniefitr’i Tekôa sy nitoby teo akaikin’ny rano amin’ny lava-drano Asfara.
34Ren’i Bakida, indray andro sabata, ny toeran’ireo; ka niainga izy mbamin’ny tafiny manontolo ho any andafin’i Jôrdàna.
35Nirahin’i Jônatàna hankany amin’ny Nabateanina sakaizany kosa i Jôhany rahalahiny sady mpifehy vahoaka; hiangavy ny Nabateanina no anton-diany mba homeny lalana hametraka entana any aminy satria be entana tokoa ny tafika israelita.
36Kanjo nivoaka avy ao Medebà ireo Jambrita ka nisambotra an’i Jôhany mbamin’ny entany rehetra, dia nandeha nitondra ny babony.
37Taorian’izany zava-nitranga izany, dia nisy nilaza tamin’i Jônatàna sy i Simôna rahalahiny fa hoe hanao fampakaram-bady malaza ny Jambrîta, ka avy any Nabatà no havoaka amim-boninahitra lehibe razazavavy izay zanaky ny andriambaventy kanahanita anankiray.
38Tsaroan’izy roa lahy tamin’izay ny namonoana an’i Jôhany rahalahiny; dia niakatra izy, ka nitampify takon’ny tendrombohitra.
39Nanopy maso nitsirika izy mirahalahy, ka indro tetsy an-kilany andian’olona maro miraondraona sy enta-miavosa be dia be; tetsy an-daniny kosa ny mpampakatra otronin’ireo rahalahiny aman-tsakaizany no mandroso mitsena azy ka nomban’ny feon’ampongatapaka aman-javamaneno sady nirongo fiadiana be dia be.
40Nahita izany i Jônatàna sy ireo olony, dia niroatra avy ao am-panotrehany, ka niantoraka tamin’ny mpikorana hamono azy; niharan’ny ratra mafy ny maro tamin’ireo ka maty, fa ny sisa velona kosa nandositra tany an-tendrombohitra, ary nobaboin’ny Jiosy ny entana rehetra nananany.
41Ka niova ho fisaonana ny fampakaram-bady, ary ho fidradradradràna ny feon-javamaneno.
42Nony avy namaly faty ny namonoana ny rahalahiny ry i Jônatàna sy i Simôna, dia nihataka ho any amin’ny henihenin’i Jôrdàna.
Ady saritaka teo amoron’ny ony Jôrdàna43Ren’i Bakida ny toeran’i Jônatàna sy ny olony; ka, indray andro sabata, dia tonga hatrany amoron’i Jôrdàna izy nitondra tafika lehibe.
44Dia hoy i Jônatàna tamin’ireo namany:
–Mitsangàna ankehitriny, miadia ho fiarovana ny aintsika! Fa tsy tahaka ny omaly sy afak’omaly intsony ity anio ity.
45Indro fahavalo vonon-kiady no eo anoloantsika, ny ranon’i Jôrdàna no ao ivohontsika, ary ala aman-keniheny no eo an-daniny roa, ka tsy misy azo andosirana akory.
46Koa miantsoa vonjy amin’Andriamanitra ankehitriny mba ho afa-doza isika fa tsy ho azon’ny fahavalontsika.
47Dia nanomboka ny ady. Naninji-tanana i Jonatàna mba hikapa an’i Bakida; fa lasa nankany aoriana i Bakida hialana azy.
48Tamin’izay kosa i Jônatàna sy ireo olony no nivikina niroboka an’i Jôrdàna, ka nita nilomano; nefa ny fahavalo tsy nita hanenjika azy.
49Nisy vatan-dehilahy andiany iray no maty tamin’ireo mpomba an’i Bakida androtrizay.
I Bakida tao Jodea. Ny nahafatesan’i Alkima50Niverina ho any Jerosalema i Bakida. Ary nohamafisiny ny tanàna sasany tao Jodea, ka nasiany manda avo sy vavahady ary hidy mafy; ireo tanàna ireo dia i Jerikao sy i Emaosy ary i Bety-Hôrôna mbamin’i Betela sy i Timnà ary i Paratôna sy i Tefôna.
51Nametrahan’i Bakida miaramila mpiandry koa ireo toerana ireo mba hanelingelina ny Israelita.
52Nohamafisiny rahateo ny tanàna Bety-Tsoro sy Gezera ary koa ilay toera-mafin’i Jerosalema; ka miaramila sy tahirin-tsakafo no napetrany tao amin’ny tanàna ireo.
53Nalainy ho antoka ny zanakalahin’ny lohandohany teo amin’ny tany, dia notanany ho sambo-belona tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema.
54Tamin’ny taona faha-153, volana faharoa, no nandidian’i Alkima fa hazera ny rindrin’ny kianja anaty ao amin’ny tempoly. Nikendry handrava ny asa nataon’ireo mpaminany
izy tamin’izany; ary efa natomboka tokoa ny fampianjerana.55Saingy tamin’izay fotoana izay no nidonan’aretina i Alkima, ka voatery natsahatra ny asa; fa tsy afa-niteny intsony izy, na indraim-bava aza, ary tsy afa-namoaka didim-pananana akory.
56Dia maty tamim-pijalijaliana fatratra i Alkima tamin’izany vaninandro izany.
57Rehefa hitan’i Bakida fa maty i Alkima, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka Demetry izy; ka nandry feizay ny tanin’i Jodea nandritra ny roa taona.
Tsy fahombiazan’i Bakida sy fialàny tanteraka58Tamin’izay ny Jiosy mpivadika rehetra dia nifampidinika nanao hoe: «Miadana sy mandry feizay ity ry i Jônatàna sy ny olony, ka ndao hohafarantsika i Bakida; fa indray alina monja no hisamborany azy rehetra.»
59Dia lasa tokoa ireo nifanaraka tamin’i Bakida.
60Ka niainga ilay io nitondra tafika goavana sady nandefa taratasy mangingina ho any amin’ireo rehetra mpiandany aminy ao Jodea mba hisamboran’ireo an’i Jônatàna sy ny olona; kanjo tsy afa-nanoatra ireo, satria fantatr’i Jônatàna ny tetiny.
61Tamin’ireo vatan-dehilahy mponin’io tany io ka lohandohan’izany teti-dratsy izany aza, dia nisy dimampolo no nasain’i Jônatàna nosamborina sy novonoina ho faty.
62Avy eo dia lasa ry i Jônatàna sy i Simôna mbamin’ireo mpomba azy, nankany Bety-Basy any an-taniefitra; namboariny izay rava tamin’io toerana io, dia nasiany manda.
63Ren’i Bakida izany, ka novorîny ny miaramilany rehetra sady nantsoiny ny mpomba azy tao Jodea;
64dia lasa niorin-toby teo akaikin’i Bety-Basy izy ary nanao fahirano io tanàna io nandritra ny andro maro ka namboatra milina fandrobahan-drindrina.
65Tamin’izay kosa no navelan’i Jônatàna tao an-tanàna i Simôna rahalahiny; ka nivoaka ho any an-tsaha izy nomban’ny miaramila vitsivitsy.
66Dia nasiany tao an-day i Odômerà sy ny mpiray tarika aminy ary koa ny Fasirônita; ka niroso hamely ny mpanao fahirano ireo sady niady niandany tamin’ny miaramilan’i Jônatàna.
67Ry i Simôna sy ny namany kosa, tetsy an-daniny, nivoaka ny tanàna sy nandoro ny milina namboarin’ny fahavalo.
68Nifanotofan’izy roa tonta i Bakida ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary novesarany fahoriana lalina ny tenany noho ny teti-panafihany tsy nahomby.
69Loza ny hatezeran’i Bakida tamin’ny Jiosy mpankahala fivavahana, satria ireo no nanome hevitra azy ho tonga aty amin’ny taniny; ka maro tamin’ireo Jiosy ireo no nampamonoany ho faty. Avy eo dia nanapa-kevitra i Bakida ny hody any amin’ny tany fiaviany.
70Fantatr’i Jônatàna izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy sy hifanaraka momba ny hamerenana ny sambo-belona.
71Noraisin’i Bakida sy nekeny ny hevitra naposak’i Jônatàna; ary nianianany mihitsy i Jônatàna fa tsy hitady hanisy ratsy azy intsony izy raha mbola velona aina koa.
72Tenan’i Bakida no namerina taminy ny sambo-belona azony taloha tao Jodea; dia lasa nody any amin’ny tany fiaviany izy, ka tsy niverina teo amin’ny faritry ny Jiosy intsony.
73Dia nitsahatra ny ady teo amin’i Israely; ary niorim-ponenana tao Mikmasy i Jônatàna, ka nanomboka nitondra ny vahoakany sy namongotra ny mpankahala fivavahana teo amin’i Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.