Isaià 54 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tsy ilaozana intsony i Jerosalema

1Miravoravoa ianao, ry Jerosalema

izay momba tsy niteraka;

ianao izay tsy nihetsi-jaza akory,

manaova horakora-pifaliana ka mihobia

satria hoy ny TOMPO aminao:

«Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao

noho ny zanaky ny manam-bady.»

2Halalaho ny faritry ny lay fonenanao,

asio fanitarana ny ambain’ny lainao,

ka aza anaovana fitsitsiana.

Halavao ny tadin-dainao ka hamafiso ny tsatòka,

3satria miely miankavanana sy miankavia ianao:

ny taranakao hahazo indray ny tanin’ny firenen-kafa,

ary koa hipetraka indray amin’ireo tanànanao efa haolo.

4Aza matahotra satria tsy ho menatra intsony ianao;

aza mivoara mena fa tsy ho afa-baràka intsony ianao;

eny, hohadinonao ny henatra

tamin’ny fahatanoranao,

ary tsy hotsarovanao intsony ny fahafaham-baràka

tamin’ny naha mpitondratena anao.

5Fa ilay mpanao anao no ho vadinao;

ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.

Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao,

dia ilay antsoina hoe «Andriamanitry ny tany tontolo.»

6Fa tahaka ny vady nariana ka ory am-panahy ianao

nefa nampodîn’ny TOMPO indray.

Fa hoy ny Andriamanitrao aminao:

«Ahoana no hanariana tanteraka

ny vadin’ny fahatanorana?

7Vetivety foana no nanariako anao,

fa amin’ny indrafo lehibe no hampodîko anao.

8Tamin’ny firongatry ny hatezerako

no nandavako vetivety tsy hijery anao;

fa amin’ny fitiavana mandrakizay kosa

no anehoako indrafo aminao.

Izaho TOMPO mpanavotra anao no milaza izany.

9Tamin’ny andron’i Noà, dia nianiana Aho

fa tsy hanafotra ny tany intsony ny rano;

mianiana toy izany koa Aho ankehitriny

fa tsy hisafoaka aminao na handrahona anao intsony.

10Fa na dia hifindra hiala aza ny tendrombohitra

ary na dia hihozongozona aza ny havoana,

dia tsy hiala aminao ny fitiavako

ary tsy hihozongozona ny fanekempihavanako

mikendry ny hampiadam-pinaritra anao.

Izaho TOMPO mpamindra fo aminao no milaza izany.»

I Jerosalema amin’ny hoavy

11Ry ilay Jerosalema ory ô,

nasafotofoton’ny tafio-drivotra ianao

saingy tsy nisy olona nampahery!

Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao:

«Indro Aho hanangana anao amin’ny vato miloko,

ary hamboatra ny fanorenanao amin’ny vato safira.

12Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika

eny an-tampon’ny mandanao,

hataoko vato kristaly ny vavahadinao

ary hataoko vatosoa ny manda

izay manodidina anao manontolo.

13Izaho TOMPO no hahatonga

ny zanakao rehetra ho mpianatro

,

ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.

14Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao:

hampanalaviriko anao ny famoretana,

ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao;

hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana,

ka tsy hananontanona anao intsony.

15Na dia misy miara-mioko aza,

dia tsy avy amiko izany;

sady na iza na iza miara-mioko hamely anao,

dia ho lavo eo anoloanao izy.

16Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy

izay mifofotra ny afon’arina

ka mahavita fitaovam-piadiana

hampiasaina amin’izay ilana azy;

nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava

izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.

17Ny fiadiana isan-karazany

tefena hamelezana anao

dia tsy hahomby mihitsy;

ary ny olona rehetra izay miampanga anao

eo anoloan’ny fitsarana

dia horesenao lahatra.

Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko,

ary izany no rariny hananany avy amiko.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help