1Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.
2Koa ampiasao amina sehatr’asa maro ny volanao, fa tsy fantatrao mihitsy izay loza mety hitranga eto ambonin’ny tany.
3Na aiza na aiza toerana ianjeran’ny hazo, dia eo amin’izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin’ny tany.
4Izay mataho-drivotra na manahy ny oran-ko avy dia tsy mba hamafy na hijinja.
5Toy ny tsy ahafantaranao ny fiforonan’ny aina ao an-kibon’ny vehivavy bevohòka no tsy hahatakaranao ny fomba fiasan’Andriamanitra mpanao izao rehetra izao.
6Noho izany dia afafazo vao maraina ny voanao ary aza mitsahatra miasa mandra-paharivan’ny andro, fa tsy fantatrao izay ho vanona na ny teo aloha na ny tafara na koa samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
7Kanto ny fahazavàn’ny andro, ary mahafinaritra ny maso ny fahitana ny masoandro.
8Na dia ela velona aza ny olona, dia tokony hifaly amin’ny taona tsirairay omena azy. Nefa aoka hotsarovany fa ho maro ny andro manjombona, satria izay rehetra ho avy dia zava-poana.
Torohevitra ho an’ny tanora9Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.
10Halaviro izay mety hampalahelo sy hampaharary, fa ny fahatanorana sy ny hery dia mihelina samy zava-poana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.