1Fa ny fofonainao tsy mety maty
dia ao amin’ny voaary rehetra.
Famaizana tsikelikely ny Kanahanita2Izany no amaizanao miandalana ireo olo-meloka.
Anarinao izy ka ampahatsiarovinao ny fahotany
mba hialany amin’ny ratsy
ka hinoany Anao, Tompo ô.
3Izany koa no efa nataonao
tamin’ny mponina taloha
teo amin’ny Taninao Masina.
4Nankahalainao ireo olona ireo
noho ny zava-maharikoriko tontosainy:
dia fanaovana majika, fombam-pivavahana maloto,
5famonoan-jaza tamin-kabibiana,
ary fanasam-be ihinanana nofon’olona
mbamin’ny rany sy ny taovany.
Ireo mpahay fomba maizimaizina
tra-tehaka eo anivon’ny filerana,
6ireo ray aman-dreny mpamono zaza
izay tsy afa-miaro tena akory
dia nokasainao haringana
tamin’ny tanan’ny razanay
7hany ka io tany izay maminao
mihoatra noho ny hafa rehetra io
dia handray ireo zanak’Andriamanitra
ho mponina mendrika honina aminy.
8Kanefa ireo mponina taloha teo koa
dia notsimbininao satria olombelona izy,
ka fanenitra no nalefanao
hialoha lalana ny tafikao
mba ho miandalana ny handringanany azy.
9Marina fa ireo tsy mpivavaka ireo
dia azonao natolotra an’ady
teo an-tanan’ny olo-marina
na naringana indray maka
tamin’ny biby masiaka
na tamin’ny didy tsy azo ivalozana.
10Kanefa miandalana no nampiharanao famaizana
mba hahazoan’ireo olona ireo mibebaka,
na dia fantatrao aza fa mivaona toetra izy,
sady ratsy fanahy hatramin’ny niterahana azy
ka tsy hiova fisainana na oviana na oviana,
11satria taranaka voaozona
hatrany am-piandohana ireo.
Ary tsy mba noho ny fahatahoranao olona
no namelanao ny fahotany ho afa-maina.
12Koa zovy no ho sahy hilaza aminao hoe:
Inona ity nataonao?
Iza no hanohitra ny fanapahan-kevitrao?
Iza no hitory Anao
ho nandringana vahoaka izay noarînao?
Iza no sahy hitsangana eo anatrehanao
hisolovava ny olo-meloka?
13Tsy misy manko Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao,
Izay mahakarakara ny zava-drehetra;
tsy misy andriamanitra hafa
hanehoanao ny fitsarana marina ataonao.
14Tsy misy koa mpanjaka na mpanapaka
ka sahy nanohitra anao
mba hiaro izay nofaizinao.
Mitondra izao tontolo izao amim-pahamarinana Andriamanitra15Marina Ianao, Tompo ô,
ka mitondra izao tontolo izao
araka ny fahamarinana,
heverinao fa tsy mifanaraka amin’ny herinao
ny manameloka izay tsy mendrika hofaizina.
16Fa ny herinao no loharanom-pahamarinanao,
ary satria Tompon’ny zava-drehetra Ianao
dia mitondra azy rehetra amin-kamorampo.
17Izay tsy mino ny fahefana feno anananao
no anehoanao ny herinao;
ary izay olona mahalala izany kosa
dia ataonao mangaihay
raha sahy mihantsy Anao.
18Kanefa noho Ianao mifehy ny herinao,
dia amim-pahatoniana no itsaranao
ary amin-kamorampo fatratra
no itondranao anay.
Saingy, rehefa tianao,
dia mampihatra fahefana Ianao.
Manabe ny vahoakany Andriamanitra19Ny nanaovanao izany, Tompo ô,
no nampianaranao ny vahoakanao
fa tokony ho sakaizan’ny olona ny marina;
ary nameno fanantenana ny zanakao Ianao
satria omenao fahazoa-mibebaka izy, raha manota.
20Tamin’ny faharetana sy fahononana fatratra
no namaizanao ny fahavalon’ireo zanakao
na dia mendrika ny ho faty aza izy,
fa nomenao fotoana sy andro
hialany amin’ny faharatsiana.
21Fitsimbinana manao ahoana kosa
no nitsaranao ny zanakao,
satria ny razany efa nomenao
fianianana sy fanekempihavanana
nombàn’ny fampanantenana zava-tsoa!
22Koa ho fanabeazana anay,
dia nanarinao tamim-pahononana ny fahavalonay
mba hiheveranay ny fahatsaranao
rehefa mitsara ny hafa izahay
ary hanantenanay ny fitiavanao
rehefa tsarainao izahay.
Famaizana izay mivavaka amin’ny biby23Izany, ry Tompo, no nampijalianao
izay nitondra tena toy ny hafa firenena
tamin’ny fahadalàny;
ary ny nampijalianao azy
dia ireo biby maloto
izay nivavahany ihany.
24Satria efa niriorio loatra
tamin’ny lalan’ny hadisoana izy,
ka nanao ho andriamanitra
ireo biby faran’izay ratsy
sy faran’izay maharikoriko,
fa nanaiky ho voafitaka
toy ny zaza tsy manan-tsaina.
25Koa tahaka ny atao amin’ny zaza adaladala,
dia famaizana manahaka azy no nalefanao taminy.
26Fa izay tsy niraika akory
tamin’izany famaizana maivana izany,
dia hiharan’ny sazy sahaza
avy amin’Andriamanitra.
27Sendaotran’ireo biby nampijaly azy izy
ary nofaizin’izay nataony ho Andriamanitra.
Izay vao fantany sy nekeny
fa ilay nolaviny tsy ho fantatra fahiny
no tena Andriamanitra marina.
Izany no nianjeran’ny fanamelohana
faran’izay mafy taminy.
Ny fanaovana ho andriamanitra ny zavaboaaryWho We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.