Eksôdy 20 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny didy folo

1Dia nanambara ireto teny rehetra ireto tamin’ny Israelita Andriamanitra ka nanao hoe:

2–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.

3«Aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany.

4«Aza manao sarin-tsampy voasokitra ho anao, ampisehoanao endri-javatra izay eny amin’ny habakabaka ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay ao amin’ny rano ambanin’ny tany.

5Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;

6nefa kosa izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko, dia hanehoako famindrampo hatramin’ny taranaka faharivo.

7«Aza manonom-poana ny anarako ianao fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia mitana ho meloka izay manao toy izany.

8«Tsarovy ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy.

9Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.

10Fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha mihitsy amin’io andro io, na ianao na ny zanakao na ny mpanomponao na ny biby fiompinao na ny vahiny izay ao an-tanànanao.

11Fa enina andro no nanaovako ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Aho tamin’ny andro fahafito. Izany no nahatonga Ahy TOMPO nitahy ny andro sabata sy nanokana azy ho Ahy.

12«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.

13«Aza mamono olona.

14«Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona.

15«Aza mangalatra.

16«Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao.

17«Aza mitsiriritra izay rehetra an’ny namanao, na ny tranony, na ny vadiny na ny mpanompony, na ny ombiny na ny borikiny.»

18Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.

19Hoy ireo tamin’i Mosesy:

–Ianao ihany no mitenena aminay dia hohenoinay fa aoka tsy hiteny aminay mivantana Andriamanitra, fandrao maty izahay.

20Namaly azy ireo i Mosesy hoe:

–Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.

21Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra.

Lalàna momba ny alitara fanaovan-tsorona

22Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ianareo mihitsy no nahita fa avy any an-danitra Aho no niteny taminareo.

23Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo.

24Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.

25Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin’ny fandraka ianareo, dia handoto azy.

26Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin’ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help