Jôba 24 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valintenin’i Jôba (tohiny):avelan’Andriamanitra ny ratsy fanahy

1Nahoana no tsy feran’Andriamanitra Tsitoha

ny fotoanandro voatendry hitsarany,

ka hahitan’ny mpanompony Azy manafay ny ratsy.

2Fa afindran’ny olona ny baorin-taniny;

ary biby fiompy nangalarina no andrasany.

3Indaosina ny borikin’ny kamboty

ary atao antoka ny ombin’ny mpitondratena.

4Voatosika ivelan’ny lalana ny mahantra;

ka voatery miafina avokoa ny madiniky ny tany.

5Indro tahaka ny fiaingan’ny borikidia ho any an-taniefitra

no iaingan’ireo mahantra hiasa any an-taninay

hahazoany hanina hameloman-janaka.

*

6Eny an-tsahan’ny hafa ireo madinika

no voatery hamory vilona

ary eny an-tanimboaloboky ny olon-dratsy

no voatery hitsimpontsimpona voaloboka.

7Mandry miboridana izy amin’ny alina;

fa tsy manan-damba hisaronana;

tsy mba mirakotra izy raha mangatsiaka.

8Kotsan’ny orana any an-tendrombohitra izy,

ka mitampifimpify amin’ny vatolampy

satria tsy manan-kialofana.

9Na dia ny kamboty mbola minono aza

dia sarihin’ny olon-dratsy ho mpanompony,

ary ataony ho antoky ny mahantra.

10Ampandehanina amin’izao tsy miakanjo ireo

sady ampitondraina amboaram-bary nefa noana.

11Ao anaty sahan’ny olon-dratsy izy

no manery ôliva hahazoan-menaka

sady manosihosy koa ny famiazam-boaloboka

saingy tsy afa-misotro divay hialan-ketaheta.

*

12Mitoreo ao an-tanàna ny olona,

mitaraindraina ny maratra miala aina,

nefa tsy ahoan’Andriamanitra izany.

13Ny olon-dratsy no mankahala ny mazava,

ka tsy mahalala ny lalany akory

na mizatra amin’ny sakeli-dalany.

14Mifoha vao mangiran-dratsy ny mpandatsaka aina

ka mamono ny mahantra sy ny ory,

ary lasa mpangalatra rehefa tonga ny alina.

15Mikendry somambisamby ny mpaka vadin’olona

ka manao anakampo hoe: «Tsy misy hahita ahy».

Ary dia misaron-tava amin’izay izy.

16Ao anaty haizina no mamaky trano ny mpangalatra

fa mihidy an-trano kosa izy nony antoandro

ka tsy mahalala akory ny mazava;

17ho azy rehetra ireo dia ny alina mahatahotra no maraina

satria efa zatra ny alina mahatahotra izy.

*

18Fa ianareo kosa milaza hoe

«Mitsinkafona entin-drano ny olon-dratsy,

voaozon’ny olona ny anjara-taniny eto.

Tsy iviliany ny lalana

mankany amin’ny tanim-boaloboka.

19Tahaka ny andevonan’ny hafanana sy tanihay ny ranomandry

no andevonana ny mpanota any amin’ny fonenan’ny maty.

20Manadino azy ny kibo nifonosany,

ary manjary hanim-py ho any’ny olitra izy,

ka dia tsy hotsaroana intsony.

Eny, tapaka tahaka ny hazo ny faharatsiana.

21Nampahory ny momba tsy niteraka izy,

ary tsy mba nanisy soa ny mpitondratena.

22Fa Andriamanitra dia manan-kery hamotika ny matanjaka;

Mitroatra Izy ka tsy manampo ho velona intsony ireo.

23Avelany hatoky tena tanteraka izy,

kanefa arahiny maso ny lalan-kalehany.

24Nisandratra vetivety izy, dia tsy hita intsony;

Mitolefika toa voninkazo malazo izy,

ka tangosana toy ny salohim-bary.»

25Raha tàhiny ka tsy izany no marina,

dia iza no sahy hanao ahy ho mpandainga

ka haneho fa tsinontsinona izay voalazako?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help