1I Joda, izay atao hoe Makabeo, no nitsangana nandimby an’i Matatià rainy.
2Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin’izay rehetra mpomba an-drainy, ka niady tamin-kafaliana ho an’i Israely.
3I Joda no nampitombo voninahitra ny fireneny.
Rehefa nisalotra ny akanjo vy fiarovan-tena izy,
dia miendrika lehilahy goavana.
Nirongo ny fitaovam-piadiany izy
ary namory ny olona hiady.
Ny sabatra fitondran’i Joda
no niarovany ny tafika israelita.
4Teo am-pikatrohana izy dia tahaka ny liona,
toy ny bibidia mieronerona amin’ny rembiny.
5Nenjehiny sy nataony tsongo dia
ireo mpanohitra ny lalànan’i Mosesy;
ary nodorany tamin’ny afo
ireo mpanabataba ny fireneny.
6Nilefitra natahotra azy
ireo mpanohitra ny lalànan’i Mosesy,
ary nivadi-po avokoa
izay rehetra mpampanao ratsy
anoherana ny lalan’i Mosesy;
tamin’ny alalan’i Joda Makabeo,
dia niroso tsara ny fanapaham-pirenena.
7Noho ny asa vitany
dia niharan’alahelo mangidy ny mpanjaka maro,
fa heni-kafaliana kosa ny taranak’i Jakôba;
ka hatao tsara laza mandrakizay
ny fahatsiarovana an’i Joda Makabeo.
8Noteteziny ny tanànan’i Jodea,
ka naringany ny mpankahala fivavahana;
ary naviliny tsy hihatra amin’ny Israelita
ny fahatezeran’Andriamanitra.
9Tonga nalaza hatrany am-paran’ny tany izy,
ary navoriny indray ireo olona
efa notandindomin’ny faharinganana.
Ny fandresena roa voalohany azon’i Joda Makabeo10Namory miaramila hafa firenena i Apôlôny, dia tafika lehibe nalainy tao Samaria, mba hiady amin’ny Israelita.
11Vao nampahafantarina izany i Joda, dia niainga hifanehatra amin’i Apôlôny, ka naharesy azy ary namono nahafaty azy; maro ny fahavalo matin’ny ratra nanjo, ary ny sisa kosa nandositra.
12Nobaboin’ny Jiosy ny fananany; ary nalain’i Joda ny sabatr’i Apôlôny, dia izany no nampiasainy an’ady tamin’ny androm-piainany sisa rehetra.
13Ren’i Serôna filohan’ny tafika sirianina fa mpiady maro sy antokon’olona mpivavaka betsaka no tafavorin’i Joda hiaraka aminy;
14dia hoy izy anakampony hoe: «Hahatonga ny tenako halaza sy hahazo voninahitra amin’ny fanjakana aho, ka hiady amin’i Joda sy ireo mpomba azy sady mpaniratsira ny didin’ny mpanjaka.»
15Dia mba lasa nanafika koa àry i Serôna; tafika goavan’ny tsy mpivavaka no niakatra niaraka taminy mba hanao valifaty eo amin’ny Israelita.
16Nony mby akaikin’ilay fiakarana i Bety-Hôrôna i Serôna, dia niainga i Joda nombà-miaramila vitsy foana hifanehatra aminy.
17Rehefa nahita ity tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin’i Joda hoe:
–Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin’ity tafika goavana dia goavana ity? Indrindra fa isika efa reraky ny tsy nihinan-kanina androany.
18Fa novalian’i Joda hoe:
–Mora foana ny hangejan’ny olona vitsy eo am-pelatanany ny vahoaka marobe; amin’Andriamanitra dia tsy hamaroana na havitsiana no zava-dehibe mba hahazoam-pahombiazana.
19Ny fandresena an’ady manko tsy miankina amin’ny habetsahan’ny mpiady fa amin’Andriamanitra Izay iavian’ny hery.
20Mandroso hamely antsika ny fahavalo feno avona sy fanoheran-dalàna mba hamono hahafaty antsika mbamin’ny vady aman-janatsika sy handroba antsika.
21Fa isika kosa miady hiarovana ny aintsika sy ny lalànantsika.
22Andriamanitra mihitsy no hampivadi-po azy eo anoloantsika; koa aza matahotra an’ireo ianareo.
23Vao nitsaha-niteny i Joda, dia niantoraka tampoka tamin’ny fahavalo; ka nivadi-po teo anatrehany tokoa i Serôna sy ny tafiny.
24Nenjehin’i Joda sy ny mpomba azy nitsontsorika ny fidinan’i Bety-Hôrôna ka hatrany amin’ny tany lemaka ireo; dia nahafatesana valonjato lahy ny miaramilan’i Serôna, ary ny sisa nandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina.
25Izay vao niely ny tahotra an’i Joda mbamin’ireo rahalahiny, ka nihorohoro ny firenena manodidina.
26Tonga hatrany amin’ny mpanjaka ny lazany; ary niresaka ny fandresen’i Joda avokoa ny hafa firenena.
I Lisià no nasain’i Antiôkosa handrava an’i Israely27Nisafoaky ny hatezerana i Antiôkôsa mpanjaka, rehefa nandre izany vaovao izany; ka nanome didy hamory ny miaramilany rehetra ho tafika matanjaka dia matanjaka.
28Nosokafany ny tahirin-drakiny, dia nomeny karama herintaona ny miaramilany sady nodidiany ho vonona amin’izay rehetra hilana azy.
29Hitany tamin’izay koa fa tsy nisy vola intsony tao am-batany, satria kely ny hetra azo avy amin’ny faritany andrefana. Ny anton’izany moa dia ny korontana sy loza nampidiriny tamin’ny tany, fony izy namongotra ny lalàna efa narahina hatramin’ny fahagola.
30Fanaon’i Antiôkôsa ny fandaniana sy fizaràna be loatra sady mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza; ka natahorany ny tsy hahavita izany intsony.
31Sahirana mafy tokoa izy ka tapa-kevitra ny hankany Persia hamory hetra amin’ireo faritra any sy hanangom-bola be.
32Ka dia i Lisià, lehilahy mendri-kaja sady anisan’ireo hoe «havan’ny mpanjaka», no napetrany hiandraikitra ny raharaham-panjakana manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta;
33nampisahaniny azy koa ny fikarakarana an’i Antiôkôsa zanany lahy, mandra-piveriny;
34ary napetrany tamin’i Lisià ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ka nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra rehetra voakasany. Ny amin’ny mponina any Jodea sy Jerosalema,
35dia tsy maintsy handefasan’i Lisià tafika handrava sy hamongotra ny fahefàn’i Israely mbamin’izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy amin’izany toerana izany;
36ka olona hafa firenena no hasainy hiorim-ponenana eo amin’io tany manontolo io sy hotsinjarany izany.
37Dia nentin’i Antiôkôsa homba ny tenany kosa ny antsasaky ny miaramilany, ka tamin’ny taona faha-147 no nialany tao Antiôkia sy nitany ny ony Eofrata ary namakivakiany ny faritra am-patrana persianina.
Nidiran’ny tafik’i Lisià i Jodea(2 Mak 8.8-15)38Tamin’ireo «sakaizan’ny mpanjaka» no nifidianan’i Lisià an’i Ptôlemeo zanakalahin’i Dôrimeno ary koa an’i Nikanôra sy i Gôrjià izay samy kapiteny mahay;
39ka miaramila an-tongotra misy antokony efapolo sy miaramila an-tsoavaly nisy antokony fito no nalefany hiaraka amin’izy telo lahy hanafika ny tanin’i Jodea sy handrava azy, araka ny didin’ny mpanjaka.
40Dia niainga ireto kapiteny mbamin’ny miaramilany rehetra, ka nony tonga teo akaikin’i Emaosy, dia nitoby teo amin’ny lemaka.
41Vao nandre ny fahatongavany kosa ny mpandranto tamin’izany faritra izany, dia namory volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo, ka nitondra izany nankao amin’ny toby sirianina mba hividianana Israelita hatao andevo. Nikambana tamin’io tafika sirianina io koa ny andia-miaramila avy any Idomea sy avy any amin’ny tanin’ny Filistinina.
42Hitan’i Joda mbamin’ireo rahalahiny fa nihamafotaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin’ny tanin’ny Israelita ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen’ny mpanjaka hampandringana sy hampamongotra ny fireneny.
43Ka dia nifampilaza izy mirahalahy avy hoe: «Aoka isika hanangana indray ny firenentsika rava, ary aoka isika hiady ho an’izany firenentsika izany sy ho an’ny tempolintsika!»
44Dia nantsoina hivory tamin’izay ny vahoaka mba hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amam-pamindrampo.
45I Jerosalema dia toy ny taniefitra tsy nisy olona;
ny mponiny tsy hita niditra
na nivoaka ny tanàna intsony;
ny tempoly voahosihosy;
ny toera-mafy voatanan’ny vahiny
ka tonga fonenan’ny hafa firenena.
Niala teo amin’ny taranak’i Jakôba ny hafaliana;
ary tsy re feo intsony ny sodina mbamin’ny valiha.
Nioman-kiady ny Jiosy(Jereo 2 Mak 8.16-25)46Dia nifamory ny Jiosy ka nankany Mitsepà tandrifin’i Jerosalema, satria tao fahiny no nisy toeram-pivavahana ho an’ny vahoaka Israely.
47Tamin’io andro io dia nifady hanina ireo, nandraraka lavenona teo an-dohany, ary nandriatra ny fitafiany sy nitafy lasàka;
48novelariny ny bokin’ny lalàna mba hikarohany ny zavatra izay tadiavin’ny hafa firenena any amin’ny sarin-tsampiny.
49Dia nentiny ny fanamia-mpisorona sy ny voaloham-bokatra mbamin’ny fahafolon-karena, ary nasainy nijoro ny nazirita nahatapitra fotoam-boady;
50ka feo avo no niantsoan’ny Jiosy vonjy tamin’Andriamanitra hoe:
–Inona no hataonay amin’ireo fanomezana ireo, ary aiza no hitondranay ireto olona ireto?
51Ny tempolinao efa voahosihosy sady nozimbazimbaina; ny mpisoronao dia misaona sy mietry tena.
52Indro ny hafa firenena tafakambana hamely anay mba hamongotra anay. Ianao mahafantatra ny kasainy hatao aminay.
53Ahoana no hanoheranay azy, raha tsy vonjenao izahay?
54Dia nitsoka trompetra ny mpivory ary nanao horakoraka mafy.
55Avy eo i Joda nanendry mpifehy vahoaka, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato ary mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
56Nalefany hody araka ny lalàna kosa izay vao nanorin-trano na nampaka-bady na namboly voaloboka mbamin’izay natahotra.
57Dia niainga ny tafika israelita, ka nandeha hitoby teo atsimon’i Emaosy
58sady nilazan’i Joda hoe:
–Aoka ianareo hirongo fitaovam-piadiana ary samia mahery fo. Mivonòna rahampitso maraina mba hiady amin’ireo hafa firenena ireo, fa tafakambana izy hamely antsika mba hamongotra ny tenantsika sy ny tempolintsika.
59Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty an’ady toy izay ny mahita ireo loza hanjo ny firenentsika sy ny tempolintsika.
60Na inona na inona sitrapon’Andriamanitra, dia hotanterahiny tokoa izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.