Salamo 49 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Tsy hitondra na inona na inona ny olona, rehefa maty

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra

.

2Mandrenesa, ry olombelona rehetra;

mihainoa, ry mponina eran-tany,

3na olona ambony na sarambabem-bahoaka,

na ny mpanankarena na ny mahantra;

4fa hilaza fahendrena ny vavako,

hametsovetso fahalalana ny foko.

5Atongilako hihaino oha-teny ny sofiko;

arahin-dokanga no hivoasako ny ankamantatra.

6Inona moa no hatahorako amin’ny andro fahoriana,

raha manodidina ahy ny mpisompatra mandoza

7izay mitoky amin’ny hareny miavosa

sy mirehareha amin’ny fananam-beny?

8Tsy misy olona mahavotra ny hafa tsy akory

na mahaloa tamby ho azy amin’Andriamanitra;

9satria lafo loatra ny avotra aina,

tsy ho voaloa na oviana na oviana

10mba hahavelomana mandrakizay

sy tsy hahitana ny fasana...

11Samy iaraha-mahita tokoa

fa ny olon-kendry dia maty,

ny adala sy ny ketrina koa levona,

ka mamela ny hareny ho an’ny hafa.

12Ny fasana no tranony mandrakizay

sy fonenany amin’ny taona mifandimby,

na ohatra aza ka ny anarany

no niantsoana ireo taniny fahiny.

13Eny, rehefa ao anaty voninahitra ny olona,

dia tsy mahatsapa fa mbola ho faty

ka ho tahaka ny biby ihany.

14Izao no hanjo ny mpitoky tena

sy hiafaran’ny olona mpirehaka:

Fiatoana

15horoahina toa andian’ondry izy

mba ho any amin’ny toeran’ny maty

ka Rafahafatesana no mpiandry hampiraotra azy;

hanitsy izy no midina am-pasana

ka tsy hotsaroana ny bikany;

ary ny toeran’ny maty no fonenany.

16Hotsimbinin’Andriamanitra kosa ny aiko

mba ho afaka amin’ny herin’ny fahafatesana,

satria Izy Andriamanitra no handray ahy.

Fiatoana

17Aza mba mialona raha misy tonga mpanana,

raha mitombo voninahitra ny tranony.

18Fa tsy hitondra na inona na inona izy, rehefa maty;

tsy ho avy hanaraka azy tsy akory ny voninahiny.

19Fony izy velona no miarahaba tena

sady noderain’ny olona satria nahomby.

20Kanjo lasa tafaray amin’ny razany izy,

tsy hahita hazavana na oviana na oviana.

21Eny, rehefa ao anaty voninahitra ny olona,

dia tsy mahatsapa fa mbola ho faty

ka ho tahaka ny biby ihany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help