1«Izahay Jiosy eto Jerosalema sy manerana an’i Jodea dia manoratra aminareo mpiray firenena Jiosy aty Ejipta; miarahaba anareo ary mirary anareo hiadam-pinaritra.
2«Enga anie Andriamanitra hanototra soa anareo ka hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba izay samy mpanompony mahatoky!
3Ianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka Azy sy manatanteraka ny sitrapony amim-pahazotoana sy amim-piniavana!
4Hosokafany hahazo ny lalàna amam-pitsipiny anie ny fonareo ary hataony heni-piadanana.
5Hihaino ny vavakareo anie Izy ary hamela heloka anareo ka tsy handao anareo amin’ny androm-pahoriana!
6Manao izany vavaka izany ho anareo izahay aty izao ankehitriny izao.
7«Tamin’ny taona faha-169, fony nanjaka i Demetry, no efa nanoratanay Jiosy eto Jerosalema ho anareo ka nilazanay hoe: Fahoriana mangidy tokoa no nianjady taminay, nanomboka tamin’ny nivadihan’i Jasôna sy ireo mpomba azy ka tsy niraharahàny intsony ny tany masina sy ny fanjakan’Andriamanitra.
8Nodorany ny vavahadin’ny tempoly, ary novonoiny ny olona tsy manan-tsiny. Saingy nivavaka tamin’ny Tompo izahay ary nohenoiny ny vavakay; ka dia azonay atao indray ny manolotra ny sorona sy ny lafarinina tsara indrindra ary koa ny mandrehitra ny jiron’ny tempoly sy ny mandahatra ny mofo voatokana ho an’Andriamanitra.
9«Ankehitriny kosa manoratra aminareo izahay hanaingana anareo hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka, amin’ny volana Kisleo.
10«Voasoratra tamin’ny taona 188.»
Taratasy faharoa: Midera ny Tompo ireo Jiosy taorian’ny nahafatesan’i Antiôkosa Epifàna«Izahay Jiosy eto Jerosalema sy Jodea ary koa ny antenimieran-doholona sy ny tenako Joda dia manoratra aminao ry Aristôbola mpanolotsain’ny mpanjaka Ptôlemeo sady taranaky ny mpisorona voahosotr’Andriamanitra ary koa aminareo Jiosy aty Ejipta. Miarahaba anareo izahay ary mirary anareo ho salama soa aman-tsara.
11«Misaotra an’Andriamanitra fatratra izahay, satria novonjeny ho afaka amin’ny loza lehibe fony Izy niaro anay teo anatrehan’ny mpanjaka;
12fa Andriamanitra mihitsy no nandroaka an’ireo fahavalo nilahatra hamely ny tanàna masina.
13Rehefa lasa nankany Persia manko i Antiôkosa filohan’ny fahavalo, dia tafika toa tsy ho azo resena no nentiny; kanefa ny tenany sy ireo mpomba azy dia voavono ho faty tao amin’ny tempolin’i Nanea noho ny hafetsen’ireo mpisoron’io andriamanibavy io.
14Nankao amin’io toerana io nombam-tsakaiza i Antiôkosa, mody hoe hanambady ilay andriamanibavy, kanjo nikendry ny hahazo ny rakitr’io tempoly io ho harena manara-bady.
15Narantirantin’ny mpisoron’i Nanea ireo rakitra ireo, ka ny tenan’i Antiôkosa no niditra tao an-tempoly niaraka tamin’ny mpanaraka azy vitsy foana; kanjo nohidian-dry zareo ilay tempoly, vantany vao tafiditra i Antiôkosa.
16Ary novohany ny varavara-miafina teo amin’ny valindrihana, ka nanjerany vato namonoany ho faty an’ity filoham-pahavalo sy ireo mpomba azy; dia norasarasaina ny fatiny sady notapahin-doha, ary natsipy tamin’ny olona tany ivelany kosa ireny loha ireny.
17Hisaorana amin’ny zavatra rehetra anie ny Andriamanitsika, Izay nanolotra ho faty ireo mpankahala fivavahana!
Ny zava-mahagaga momba ny afo teo amin’ny alitara18«Amin’ny andro faha-25 n’ny volana Kisleo, dia hankalazainay ny fanadiovana ny tempoly tahaka ny fanao amin’ny fetin’ny Tranotomboka. Noheverinay fa ilaina ny milaza izany aminareo mba hankalazanareo azy koa; amin’izay rahateo no hahatsiarovanareo ilay afo nirehitra fony nanolotra sorona i Nehemià, rehefa avy nanorina indray ny tempoly sy ny alitara.
19Satria nony nentina tany Persia ny razantsika, dia nangalan’ireo mpisorona tia vavaka fahizany ny afon’ny alitara ka nafeniny mangingina tao amin’ny lava-pantsakana maina anankiray; fatratra ny fomba nanafenany azy tao, ka tsy nisy nahalala izany toerana izany ny olon-kafa rehetra.
20Taona maro no lasana; ka rehefa sitrak’Andriamanitra, dia nalefan’ny amperôran’i Persia hankany Jodea i Nehemià, ka naniraka ny taranak’ireo mpisorona nanafina ilay afo mba hikaroka azy. Nolazain’ireo fa rano marihitra no hitany fa tsy ilay afo, ka nasain’i Nehemià nanovozana sy nitondrana izany.
21Rehefa vonona ny zavatra ilaina hanaovan-tsorona, dia nodidian’i Nehemià hofafazan’ny mpisorona tamin’izany rano izany ny kitay hazo sy ny sorona teo ambony alitara.
22Notanterahina izany; ka vetivety foana taorian’izay, dia namirapiratra ny masoandro izay voatakon-drahona teo, ary nisy afo mivaivay lehibe nirehitra tambonin’ny alitara; hany ka gaga ny olona rehetra.
23Fony nihalevona ny sorona, dia nanao vavaka ny mpisorona sy ny olona rehetra nanatrika; i Jônatàna no nitarika, ary ny sisa rehetra hatramin’i Nehemià kosa niray feo taminy.
24Ka toy izao izany vavaka izany:
«Tompo ô, Tompo Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra Ianao, mahatahotra sy mahery ary mitandro ny rariny sy be indrafo; hany mpanjaka sady tsara fo Ianao,
25hany mazava fo, hany mitandro ny rariny, mahefa ny zavatra rehetra sy maharitra mandrakizay. Ianao no manafaka an’i Israely amin’ny ratsy isan-karazany ka efa nahatonga ny razanay ho olom-boafidinao sy efa nanokana azy ho Anao.
26Raiso àry ity sorona ity izay atolotra ho an’i Israely vohoakanao manontolo; arovy izy satria fanananao ary atokany hatrany ho Anao.
27Afaho ireo mpiray firenena aminay mbola andevozina any amin’ny firenen-kafa ka vorio avy any amin’ny tany izay nielezany; topazo maso miantra ireo esoina sy ankahalaina mba ho fantatry ny firenen-kafa ny maha Andriamanitray Anao.
28Faizo izay mampahory sy maniratsira anay amim-piavonavonana.
29Aoka ny vahoakanao haorinao indray eo amin’ny taninao masina, araka ny efa voalazan’i Mosesy!
30«Avy eo dia niredona hira fiderana an’Andriamanitra ny mpisorona.
31Rehefa levona manontolo ny sorona, dia nodidian’i Nehemià hararaka tamina vato vaventy ny rano sisa.
32Vao vita izany, dia nisy afo nirehitra teo; kanefa voatalin’ny tara-pahazavana avy eo amin’ny alitara izany.
33Niely ny lazan’izany zava-nitranga izany. Ary nitantarana ny amperôran’i Persia fa teo amin’ny toerana nanafenan’ny mpisorona ilay afo masina, fony ireo hoenti-ko babo, dia nahitana zavatra nandranoka; ary io zavatra mandranoka io no nandoran-dry i Nehemià ny sorona.
34Rehefa nanamarina ny zava-niseho ny amperôra, dia nampamefy ilay toerana sy nahatonga azy ho manan-kasina;
35ary io toerana io dia nahazoan’ny amperôra vola be, izay nozarainy tamin’ny olona notsimbininy manokana.
36Neftara, izany hoe fanadiovana, no niantsoan-dry i Nehemià sy ny namany an’izany zava-mandranoka izany; fa Nefta kosa no niantsoan’ny ankamaroan’ny olona azy.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.