Salamo 60 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Henoin’Andriamanitra vavaka ny vahoakany resy(60.7-14; jereo Sal 108.7-14)

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Hira malefaka fahatsiarovana, nataon’i Davida ho fampianarana.

2Tsiahivin’i Davida etoana ny nanafihany an’ireo Sirianina tany Mezôpôtamia sy tany Tsôbà; rehefa nody kosa, dia noresen’i Jôaba ny tafika edômita nisy miaramila 12 000

.

3Andriamanitra ô, narianao sy nahahakao izahay;

kanefa na tezitra aza Ianao, dia velombelomy izahay.

4Nohozongozoninao ny tany ka nitresaka;

amboary re izy fa nisy nihotsaka.

5Nataonao nahita ny mafy ilay vahoakanao

ary nampisotroinao divay mahafanina.

6Faneva manainga handositra no natsanganao

mba ho lavitra ny tsipîka ireo mpanaja Anao.

Fiatoana

7Vonjeo amin’ny herinao izahay ary valio vavaka,

dia ho afaka fa vahoaka malalanao.

8Ao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe:

«Faly tokoa Aho fa hizara an’i Sekema

sy ny lohasahan’i Sokôta ho an’ny vahoakako;

9Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase;

i Efraîma no toy ny fiaro lohako;

i Joda no toy ny tehim-piandrianako.

10I Môaba hampiasaiko toy ny tavy fisasàko;

i Edôma hanipazako kapa ho fananako;

i Filistia hanaovako horakora-pandresena.»

11Iza no hampiditra ahy ho eo anivon’i Edôma?

Zovy no hitondra ahy ho ao amin’ilay tanàna mafy?

12Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra ô?

Kanefa izahay efa narianao mihitsy

ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.

13Ampio re izahay hiady amin’ilay mpandrafy,

fa tsy mankaiza ny famonjena ataon’ny olona.

14Andriamanitra no hahazoanay fahombiazana goavana,

satria Izy no hanitsakitsaka ireo mpandrafy anay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help