1 Tantara 16 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan’ny tranolay izay efa namboarin’i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan’Andriamanitra.

2Ary rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny TOMPO.

3Nasainy nizaràna sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofo boribory iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy.

Ny hira fiderana nataon’ny levita ho an’ny Tompo(Jereo Sal 105.1-15; 96; 106.1-47, 48)

4Nisy levita sasany notendren’i Davida ho amin’ny fanompoana teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mba hampahatsiaro sy hidera ary hanome voninahitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.

5I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.

6I Benaià sy i Elihezera mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.

7Koa tamin’io andro io no voalohany nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.

8Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany,

ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe!

9Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno;

tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.

10Ireharehao ny anarany masina;

aoka hifaly ny fon’ireo mitady ny TOMPO.

11Katsaho ny TOMPO mahery;

tadiavo lalandava ny fanatrehany.

12-13Ry taranak’i Israely mpanompony

sady terak’i Jakôba voafidiny,

tsarovy ny asa mahagaga nataony,

dia ny zava-mahatalanjona vitany

sy ny didim-pitsarana navoakany.

14Izy no TOMPO Andriamanitsika;

manerana ny tany tontolo ny fanapahany.

15Tsarovy hatrany ny fanekempihavanany,

dia ny fampanantenana izay napetrany

ho an’ny taranaka arivo mifandimby:

16Fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama

sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka.

17Naoriny ho zo raikitra ho an’i Jakôba izany

ho fanekempihavanana mandrakizay

ho an’ny taranak’i Israely,

18fony Andriamanitra nilaza hoe:

«Homeko ho anao ny tany Kanahàna

ho anjara lova ho anao sy ny taranakao».

19Tamin’izay ianareo mbola mora isaina,

mpifindra monina vitsy kely teo amin’ny tany;

20nivezivezy nitety firenena ianareo

ka niala tamin’ny fanjakana iray

hankany amin’ny vahoaka hafa.

21Kanefa tsy nisy navelan’Andriamanitra

hampahory anareo

fa nampitandrina ny mpanjaka Izy

noho ny aminareo hoe:

22«Aza kasihina ireo voahosotro,

ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro!»

23Mihirà ho an’ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo,

torio isan’andro isan’andro ny namonjeny antsika.

24Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny,

lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.

25Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra

sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

26Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa,

fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.

27Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy,

ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany.

28Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra,

tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.

29Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy.

Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany;

dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO,

rehefa miseho ny fahamasinany.

30Mangovita eo anoloany,

ry mponin’ny tany tontolo,

fa izao rehetra izao

voaorina mafy ka tsy hihontsona.

31Aoka hifaly ny lanitra,

ary hiravoravo ny tany!

Lazao amin’ny olona hoe: «Ny TOMPO no mpanjaka!»

32Aoka hirohondrohona ny ranomasina

mbamin’izay ao anatiny!

Aoka hibita-kafaliana ny saha

mbamin’izay rehetra ao aminy!

33Aoka ny hazo any an’ala hihoby

mba hitsena ny TOMPO, satria tamy Izy.

Eny, tamy Izy mba hifehy ny tany.

34Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:

Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany.

35Lazao hoe: «Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô!

Afaho avy any amin’ny hafa firenena izahay

ka angony mba hideranay ny anaranao masina,

sy hireharehanay amin’ny fankalazana Anao!»

36Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely

hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.

Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: «Amen!» sy hoe: «Ankalazao ny TOMPO!»

37Dia teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO teo i Davida no nanankina adidy tamin-dry i Asafa sy ny namany mba hanao fanompoam-pivavahana tsy an-kiato eo, araka ny raharaha tokony hatao isan’andro;

38nanankinany adidy koa ry i Hôbeda-Edôma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hôbeda-Edôma zanakalahin’i Jeditòna, ary i Hôsà mba ho mpiandry vavahady.

39Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.

40Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely,

41Niaraka tamin’ny mpisorona ry i Hemàna sy i Jedotòna ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay.

42Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady.

43Farany, dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra; ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help