Deoterônômy 16 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fankalazana ny Paska

1Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.

2Koa hatolotrareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin’ny Paska, dia ondry aman’osy na omby, eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO mba hipetrahan’ny voninahiny.

3Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.

4Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan’ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin’ny harivan’ny andro voalohany.

5Tsy ho azonareo anaovana ny soron’ny Paska avokoa tsy akory ny tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;

6fa amin’ny toerana izay hofidiny hipetrahan’ny voninahiny ihany no hanaovanareo ny soron’ny Paska, rehefa hariva maty masoandro iny, izany hoe amin’ilay fotoana nialanareo tany Ejipta

7Dia handrahoinareo izany ka hohaninareo eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo; ary rehefa maraina ny andro, dia hody any an-dainareo ianareo.

8Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.

Ny fetin’ny Pentekôsta

9Hanisa fito herinandro ianareo, ka miantomboka amin’ny andro hiandohan’ny fijinjam-bary no hanisanareo izany.

10Dia hankalaza ny fetin’ny Pentekôsta ianareo, ka hanavaka fanati-tsitrapo homenareo araka izay itahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.

11Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.

12Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ka imasoy hotanterahina ireo didy ireo.

Ny fetin’ny Tranotomboka

13Rehefa voaangonareo ny avy amin’ny famoloanareo sy famiazanareo, dia hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka ianareo.

14Ary hifaly am-piravoravoana ianareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita ary koa ny vahiny sy kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanareo.

15Mandritra ny fito andro no hanaovanareo izany fankalazana izany ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo eo amin’ny toerana izay hofidiny; ary dia hifaly tokoa ianareo satria notahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo avokoa ny vokatrareo sy ny asan-tananareo.

16Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;

17fa aoka samy hitondra izay fanatitra zakany avy, araka ny fitahiana omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy.

Fepetra momba ny fitsarana

18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran’ireo ny vahoaka.

19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ka mampamadika ny raharahan’ny manan-drariny.

20Ny ara-drariny mihitsy no harahinareo mba ho velona ianareo ka hahazo ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.

Fomba sasany tokony hofadina ara-pivavahana

21Aza anangananareo tsato-kazo fanajana an’i Aserà eo anilan’ny alitara izay hamboarinareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo;

22ary aza ampijoroanareo tsangambaton-tsampy koa eo, fa halan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help