Estera Grika D - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nanatona ny amperôra i Estera

1Telo andro taorian’izany, dia natsahatr’i Estera ny fivavahany. Nesoriny ny fitafiam-pivalozana fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.

2Tao amin’izany famirapiratany mirentirenty izany no niantsoany indray an’ilay Andriamanitra mpiahy ny olona rehetra sy mpamonjy azy; dia nentiny hiaraka aminy avy eo ny mpanompovavy anankiroa anisan’ireo mpanotrona azy.

3Niankina moramora tamin’ny anankiray i Estera;

4fa ny iray hafa nanaraka avy ato aoriana sady nanainga ny akanjolavan’ity mpanjakavavy.

5Somary nivolo mena ny tavan’i Estera ka fatratra erỳ ny bikany; miramirana sy mahatehotia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan’ny tahotra.

6Rehefa tafita ny vavahady rehetra tao an-dapa i Estera, dia niseho teo anatrehan’ny amperôra. I Artakserksesa izany mipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, nitafy ny fanamiana rehetra maha-andriamanjaka azy sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr’endriny.

7Natrakany ny tarehiny mitara-pamirapiratana; saingy fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka nivembena nila ho torana sady nivaloarika ny mpanjakavavy ary nirona tamin’ny sorok’ilay mpanompovavy nandeha teo anoloany.

8Fa novan’Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran’ny amperôra; velona ahiahy izy, dia niantoraka avy amin’ny sezafiandrianany, nanohana an’i Estera tamin’ny sandriny mandra-pahatsiarony tena, ary nampahery aza tamin’ny teny fampitoniana sady nanontany azy hoe:

9«Fa maninona ianao, ry Estera? Vonon-kiaro anao aho, ka matokia.

10Tsy ho faty ianao, fa ho an’ny sarambabem-bahoaka ny fandrarana hanatona ahy.

11Avia ho etsy anilako.»

12Dia naingain’ny amperôra ny tehim-bolamena ary natehiny teo amin’ny vozon’i Estera; avy eo dia nanoroka ny mpanjakavavy izy sady nanao hoe:

-Lazao ahy ny anton-dianao.

13Ka novaliany hoe:

-Toy ny anjelin’Andriamanitra no nahitako anao, ry andriamanjaka ô, ka nitebiteby ny foko azon’ny tahotra ny famirapiratanao;

14mendrika higagana ianao ary feno hatsaram-po ny endrikao.

15Mbola miteny eo izy, dia nivembena nila ho torana indray,

16ka nitebiteby ny amperôra, ary nampahery ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help