1Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe:
–Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.
2Fa novalian’i Aharôna hoe:
–Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.
3Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin’i Aharôna.
4Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe:
–Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!
5Nony hitan’i Aharôna izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan’ny sarivongana izy, ary nanambara hoe:
–Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!
6Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.
7Dia nilaza tamin’i Mosesy ny TOMPO hoe:
–Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta.
8Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»
9Ary hoy Izaho TOMPO taminao: «Hitako tsara io vahoaka io fa mafy hatoka.
10Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy: haringako amin’ny fahatezerako izy, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»
11Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe:
–TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?
12Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan’ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.
13Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin’ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»
14Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.
15Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray.
16Asan’Andriamanitra ireo vatofisaka roa ireo, nosoratan’ny tanan’Andriamanitra mihitsy.
17Ren’i Josoa ny feon’ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin’i Mosesy:
–Horakoraky ny ady any an-toby izany!
18Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.
19Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.
20Nalain’i Mosesy koa ny sarivongana ombilahikely izay namboarin’ireo ka nodorany tamin’ny afo. Avy eo, notorotoroiny ho vovoka ny sisa tavela, dia naparitany tamin’ny rano izay nasainy nosotroin’ny Israelita.
21Ary nanontany an’i Aharôna izy hoe:
–Nanao inona anao ity vahoaka ity no dia nentinao amin’izao heloka bevava izao?
22Fa novaliany hoe:
–Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity.
23Tonga nilaza tamiko izy hoe: «Anaovy andriamanitra izahay hitarika anay satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.»
24Dia nanontany azy aho hoe: «Iza àry no manana volamena?» Niaraka tamin’izay dia nesorin-dry zareo ny firavaka teny aminy ka natolony ahy. Narendriko tamin’ny afo kosa izany, ary io ombilahikely io no nivoaka avy tao.
Ny famaizana25Tsapan’i Mosesy tamin’izay fa navelan’i Aharôna hanao izay tiany hatao ny vahoaka, sady navelany hataon’ny fahavalony ho fihomehezana.
26Koa nitsangana teo am-bavahadin’ny toby izy, ary niantso hoe:
–Izay an’ny TOMPO, mankanesa etỳ amiko!
Dia nitangorona teo amin’i Mosesy ny Levita rehetra,
27ka nitenenany hoe:
–Izao no baikon’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Samia mandray ny sabany avy ianareo, ka mandehàna mivezivezy isam-baravarana ato amin’ny toby, vonoy ny rahalahinareo sy ny namanareo ary ny mpifanolo-bodirindrina aminareo.»
28Nankatoavin’ny Levita ny tenin’i Mosesy, ka Israelita telo arivo eo ho eo no maty tamin’izany andro izany.
29Dia hoy i Mosesy tamin’ny Levita:
–Androany dia voatokana ho amin’ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen’ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana
.Nitaraina tamin’Andriamanitra i Mosesy mba havelany ny helok’i Israely30Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka israelita:
–Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin’ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.
31Dia niverina tany amin’ny Tompo i Mosesy ka nanao hoe:
–Indrisy, TOMPO ô! Efa nanao heloka bevava ity vahoaka ity fa nanao andriamani-bolamena.
32Koa ankehitriny raha sitrakao dia avelao ny helony, raha tsy izany dia vonoy ny anarako ao amin’ny bokim-piainana izay nosoratanao.
33Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin’ny bokiko afa-tsy ny anaran’ireo izay nanota tamiko ihany.
34Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.
35Koa namely ny Israelita ny TOMPO satria nangataka tamin’i Aharôna ireo mba hanao sarivongana ombilahikely ho azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.