Isaià 18 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fampitandremana ny iraka etiôpianina

1Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra

izay manara-morona ny onin’i Etiôpia!

2Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro

eny ambonin’ny ranon’i Neily.

–Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha,

any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy,

any amin’ilay firenena atahorana

hatreto ka hatrany am-paran’ny tany,

any amin’ilay firenena matanjaka

izay manosihosy ny fahavalony.

Miverena any amin’ny taninareo

izay vakivakîn’ny ony maro.

3Ianareo rehetra mponina amin’izao tontolo izao

ka mipetraka eto ambonin’ny tany,

mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra

ny faneva famantarana,

mihainoa raha vao maneno ny anjomara.

4Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko:

«Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ

no andinihako izay miseho,

ka tsy mihontsona mihitsy Aho

toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro

sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»

5Fa alohan’ny fotoam-pijinjana,

rehefa tapitra namelana avokoa ny voaloboka

ary rehefa tonga voany mihamasaka ny voniny,

dia horantsanana amin’ny hety ny rantsany,

ary hotapahina ny sakeliny sy ny raviny.

6Izany rehetra izany dia hilaozana

ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra

sy ny bibidia eny ambonin’ny tany;

ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza

ary handany ririnina ny bibidia rehetra.

7Amin’izany fotoana izany

dia hanolotra fanomezana

ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao

ireo olona ranjanana sy malandilandy,

dia ilay firenena atahorana

hatreto ka hatrany am-paran’ny tany,

ilay firenena matanjaka

izay manosihosy ny fahavalony

sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny.

Any an-tendrombohitra Tsiôna

izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao

no hanolorany izany fanomezana izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help