Salamo 44 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Kinanjo Ianao nanary anay...

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra

.

2Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre

ny razanay no nitantara taminay

ireo zava-bitanao fahiny

tamin’ny andro fahavelony.

3Norobainao ireo firenen-kafa

mba hamponenana ny firenenay;

nampahorînao ireo vahoakany

mba hanomezan-toerana ny vahoakanao.

4Ny nahazoan’ny razanay ity tany ity

dia tsy ny sabatra nananany;

ny nahazoany fandresena

dia tsy ny heriny velively,

fa ny herinao nirotsaka an-tsehatra

sy ny fanatrehanao azy amim-pitiavana.

5Ianao tokoa, ry Andriamanitra Mpanjakako,

no manome fandresena an’i Jakôba vahoakanao.

6Ianao no anosehanay ny fahavalonay;

ny anaranao no anitsakitsahanay ny mpamely anay.

7Tsy ny tsipîkako no itokiako,

tsy ny sabatro no andreseko;

8fa Ianao no mamonjy anay amin’ny fahavalonay

sy manafo-kenatra ny mpankahala anay.

9Ianao Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva

ary ny voninahitrao no derainay mandrakizay.

Fiatoana

10Kinanjo Ianao nanary sy nanafo-kenatra anay,

tsy mandeha miaraka amin’ny tafikay intsony.

11Izahay ataonao mihemotra

eo anoloan’ny fahavalonay

sy famabon’ny mpankahala anay;

12atolotrao azy toa ondry hatao sakafo izahay

sy aelinao any amin’ny firenen-kafa.

13Ny vahoakanao ataonao varo-boba

ka tsy ahazoanao tombony velively.

14Izahay ataonao fandatsan’ny vahoaka hafa

izay mpifanila aminay,

zary fanakora sy faneso

ho an’ireo firenena manodidina anay;

15ambentin-dresak’ireo firenen-kafa

sy mampihifikifi-doha an’ireo vahoakany.

16Eo anoloako mandrakariva ny fahafaham-baràkako

ary manarona ahy ny fangaihaizako,

17vokatry ny fandatsana sy ny fanarabiana

avy amin’ireo fahavalo sy mpisompatra.

18Mihatra aminay izany rehetra izany,

na dia tsy nohadinoinay aza Ianao

ary na tsy nivadihanay akory aza

ilay fanekempihavananao taminay.

19Tsy nihemotra hianòtra ny fonay,

tsy niala tamin’ny lalanao ny dianay,

20nefa izahay asesikao atỳ an-toeram-bibidia

sady saronanao amin’ny haizina mikitroka.

21Raha nanadino Anao Andriamanitray izahay

na nananty tanana tamin’andriamani-kafa,

22tsy ho tsinjonao ve izany, Andriamanitra ô,

Ianao ilay mahalala ny tsiambaratelon’ny fo?

23Eny, noho ny aminao

no amonoana anay mandrakariva

sy iheverana anay

ho toy ny ondry fanjedaka.

24Mifohaza, Tompo ô! Nahoana Ianao no matory?

Miarena Ianao fa aza manary mandrakizay.

25Ahoana Ianao no tsy te hanatrika anay

ary manadino ny fahorianay sy ny famoretana anay,

26kanefa mihohoka amin’ny tany izahay

sady mifetaka amin’ny tany ny kibonay?

27Koa midira an-tsehatra hamonjy anay,

avoty izahay noho ny fitiavanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help