1 Makabeo 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny nandresen’i Joda ny firenena manodidina(Jereo 2 Mak 10.14-33)

1Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny alitara fisoronan’ny Jiosy ary vita nody amin’ny toetrany taloha indray ny tempoly.

2Koa nanapa-kevitra ireo fa handringana ny taranak’i Jakôba nitoetra teo aminy ary nanomboka namono sy nandripaka maro tamin’ny vahoaka israelita.

3Namely an’i Israely ny taranak’i Hesao tao Idomea, ka niadian’i Joda tao Akrabatàna; nataony resy dia resy tokoa ireo ka naetriny sy nangalany babo.

4Tsaroan’i Joda koa ny haratsiam-pon’ireo taranak’i Baiàna, izay nitsangan-ko fandrika aman-tsakana ho an’ny vahoaka israelita, ka nanao otrika hahavoa azy teny an-dalana;

5notemerin’i Joda hihidy ao anaty tilikambo ireo, dia nataony fahirano sy nianianany haringana; ka nodorany ny tilikambony mbamin’izay rehetra tao anatiny.

6Avy eo i Joda nankany amin’ny Hamônita, ka nisehatra tafika iray lehibe, nisy miaramila maro notarihin’i Timôty;

7niadiany imbetsaka ireo, ka montsana teo anatrehany ary resy mihitsy.

8Nalainy ny tanàna Jazera mbamin’ny zana-bohitra miankina aminy; dia niverina nankany Jodea izy.

Nisy Israelita niantso vonjy tamin’i Joda Makabeo

9Nitambatra ny hafa firenena tao Gilehada mba hamely sy handringana ny Israelita nonina teo amin’ny faritaniny; fa lasa nialoka tao amin’ny tanàna mimanda atao hoe Datemà kosa ireo.

10Dia nampitondra taratasy tany amin’i Joda mbamin’ny rahalahiny izy nanao hoe:

–Nitambatra hamely anay sy handringana anay ny hafa firenena manodidina anay.

11Efa miomana haka ny tanàna mimanda ialofanay izy, ary i Timôty no mpitarika ny tafiny.

12Koa avia hanafaka anay tsy ho azon’ireo, fa efa nahafatesana maro rahateo izahay.

13Ny Jiosy rehetra havanay, nonina teo amin’ny tanin’i Tôbia, dia voavono avokoa; nentin’ny fahavalo ho babo ny vady aman-janany, lasany ny fananany, efa ho arivo lahy no matiny tao.

14Mbola vakîna eo izany taratasy izany no nisy iraka hafa rovi-pitafiana, tonga avy any Galilea, nitondra izao vaovao izao:

15–Nitambatra hamongotra anay ny olona avy any Ptolemaîda sy Tiro ary Tsidôna mbamin’i Galilea manontolo onenan’ny hafa firenena.

16Nony nandre izany toe-javatra izany i Joda sy ny tafiny, dia nampanao fivoriana lehibe, handinihana izay tokony hatao ho an’ireo havana jiosy tra-pahoriana sy asiam-pahavalo.

17Dia hoy i Joda tamin’i Simôna rahalahiny:

–Mifidiana miaramila ka mandehana manafaka ny mpiray firenena aminao any Galilea, fa ny tenako sy i Jônatàna rahalahiko kosa ho any Gilehada.

18Dia i Jôsefa zanakalahin’i Zakarià ary koa i Hazarià mpifehy vahoaka no navelany tao Jodea miaraka amin’ny miaramila sisa mba hiambina,

19ka nomeny didy hoe:

–Entonareo ity vahoaka ity, nefa aza mandrafitra ady amin’ny hafa firenena mandra-piverinay.

20Vatan-dehilahy andiany telo no voatendry hiaraka amin’i Simôna ho any Galilea, ary andiany iray kosa no hiaraka amin’i Joda ho any Gilehada.

Nahazo fandresena maro i Simôna sy i Joda(2 Mak 12.10-31)

21Nankany Galilea i Simôna, ka niady imbetsaka tamin’ny hafa firenena; dia resy ireo ka nitsoaka teo anoloany

22ary nenjehiny hatrany amin’ny vavahadin’i Ptôlemaîda. Nahafatesan’ny Israelita sahabo ho andiany telo ny hafa firenena sady nentiny ny babo tamin’ireo.

23Nangoniny koa ny Jiosy tany Galilea sy Arbatà, mbamin’ny vady aman-janany sy izay rehetra nananany, dia nentiny ho any Jodea tamin-kafaliana lehibe.

24Tamin’izay kosa ry i Joda Makabeo sy i Jônatàna mirahalahy dia nita an’i Jôrdàna, ka nandroso lalana telo andro tany an-taniefitra.

25Ny Nabateanina no tojo azy sy nandray azy tamim-pihavanana, ka nitantaràny ny manjo ireo Jiosy any Gilehada hoe:

26–Maro amin’ireo Jiosy ireo no iharan’ny fahirano ao anatin’ireto tanàna lehibe sady mafy ireto, dia i Bôsôrà sy i Bôsôro ary i Alemà mbamin’i Kasfao sy i Makeda ary i Karnaîma;

27misy koa voafahirano amin’ny tanàna hafa any Gilehada. Efa tapa-kevitra ny fahavalony fa hananika ireo tanàna mimanda ialofan’ny Jiosy ireo rahampitso, ka hahazo azy ary handringana amin’ny indray andro monja ny Jiosy rehetra ao.

28Dia niova lalana tampoka i Joda sy ny tafiny, ka nizotra tany an-taniefitra hankany Bôsôrà; nalainy ny tanàna, novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny lahy rehetra tamin’ny mponina, nentiny avokoa ny babo tao, ary nodorany ny tanàna.

29Alina no nialan’i Joda sy ny tafiny teo ka nandrosoany hatrany Datemà, izay tanàna mimanda nialofan’ny Jiosy.

30Nony maraina, nanopy maso izy ireo ka nahatazana miaramila tsy tambo isaina nitondra tohatra sy milina fandrobahan-drindrina ary efa rafitra ady tamin’ny Jiosy.

31Rehefa hitan’i Joda fa efa rafitra ny ady ary efa nisondrotra nanaka-danitra ny akoran’ny mponina niaraka tamin’ny feon-trompetra mbamin’ny horakoraka be,

32dia hoy izy tamin’ny miaramilan’ny tafiny:

–Miadia anio ho an’ny mpiray firenena aminareo.

33Dia nozarain’i Joda ho telo toko ny tafiny no nampandrosoiny hankeo ivohon’ny fahavalo; ka nampaneno ny trompetra ireo sady nanandra-peo nivavaka.

34Ny tafik’i Timôty kosa, vantany vao nahafantatra hoe Makabeo izay, dia nandositra teo anoloany; ka nataon’i Joda resy mafy izy ireo ary sahabo ho andiany valo vatan-dehilahy taminy no maty androtr’io.

35Taorian’izay i Joda dia nihodina nankany Alemà; nasiany io tanàna io, dia azony, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra tamin’ny mponina, nentiny avokoa ny babo tao, ary nodorany ny tanàna.

36Avy eo dia nirosoany ka azony avokoa i Kasfao sy i Makeda ary i Bôsôro mbamin’ny tanàna hafa any Gilehada.

Fandresena hafa azon’i Joda tany Gilehada

37Namory tafika hafa indray i Timôty taorian’izany, dia lasa nitoby tandrifin’i Rafôna, teo an-dafin’ny lohasahan-driaka.

38Nandefa iraka hizaha io tafika io i Joda, ka izao no tatitra natao taminy:

–Nitambatra tamin’i Timôty avokoa ny firenena manodidina antsika, ka tonga tafika iray goavana tokoa;

39nisy koa Arabo voakaramany hanampy azy. Naoriny ery an-dafin’ny lohasahan-driaka ny tobiny, ary efa vonona hirotsaka hiady aminao izy.

Niroso kosa ry i Joda mba hifanehatra aminy.

40Rehefa nanakaiky ny lohasahan-driaka i Joda sy ny miaramilany, dia hoy i Timôty tamin’ireo lehiben’ny tafiny:

–Raha mita voalohany i Joda handroso hamely antsika, dia tsy hahatohitra azy isika fa ho resiny mihitsy.

41Raha matahotra ny hita kosa i Joda, ka miorin-toby eny an-dafin’ny lohasahan-driaka, dia isika no hita hamely azy ary handresy azy.

42Nony mby teo akaikin’ny lohasahan-driaka i Joda, dia nasainy nijoro teo amoron-drano ny mpitan-tsoratry ny tafika, sady nomeny didy hoe:

–Aza avela hisy hijanona fa aoka hiroso an’ady avokoa ny olona!

43Dia nita voalohany i Joda hankeny amin’ny fahavalo ary narahin’ny tafiny manontolo, ka nanamontsana ny hafa firenena izay teo anoloany. Dia nanary fiadiana ny fahavalo sisa ka rifatra nandositra tao amin’ny tempolin-tsampy tao Karnaîma.

44Saingy azon’i Joda sy ny tafiny kosa ny tanàna, ka nodorany ny tempoly mbamin’izay rehetra tao anatiny. Dia rava tanteraka i Karnaîma ary tsy nahatohitra an’i Joda intsony ny fahavalo.

45Tamin’izay i Joda dia nanangona ny Israelita rehetra tany Gilehada, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ny vady aman-janany sy ny fananany; dia vahoaka zavon-tany no nentiny ho any amin’ny faritanin’i Jodea.

46Tao Hefrôna, tanàna lehibe sy mafy tokoa sady manakana ny làlany, no tonga izany vahoaka izany; ary tsy nisy azony hiviliana hiankavia na hiankavanana fa tsy maintsy hamaky ny tanàna izy.

47Kanefa tsy namela azy handalo ny mponin’i Hefrôna, ary nanampina vato ny vavahady aza.

48Dia nandefasan’i Joda tenim-pihavanana ireo ka nilazany hoe:

–Aoka mba hahazo mamaky ny faritaninareo izahay hankanesanay any amin’ny taninay! Tsy hisy olona hanao ratsy aminareo izahay; fa ny handalo an-tongotra ihany no hataonay.

Saingy tsy nety namoha azy mihitsy ny mponin’i Hefrôna.

49Ka nasain’i Joda nilazana ny miaramilany mba samy hivonon-kanafika eo amin’izay nisy azy avy;

50dia samy nivonona amin’izany tokoa ny vatan-dehilahy mpiantafika. Niadian’ny tafik’i Joda nandritra ny andro sy nandritra ny alina ilay tanàna, ka natolotr’Andriamanitra azy.

51Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nisy niangana i Hefrôna, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no voadiany namaky azy.

52Avy eo dia nita an’i Jordàna ny Israelita, dia tonga teo amin’ny lemaka lehibe tandrifin’i Bety-Seàna.

53Tsy nitsahatra i Joda nanainga ny mpitaredretra vodilaharana mba hanatratra ny namany ary koa nampirisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatodiny tany Jodea.

54Ary tamim-pifaliana sy firavoravoana no niakaran’ny besinimaro tao an-tendrombohitra Tsiôna sady nanaterany sorona dorana manontolo, satria tonga soa aman-tsara izy rehetra tsy nisy maty na dia iray aza.

Faharesena nihatra tamin’i Jôsefa sy i Hazarià(Jereo 2 Mak 12.32-45)

55Fony mbola tany Gilehada i Joda sy i Jônatàna mirahalahy, ary tany Galilea anoloan’i Ptôlemaida koa i Simôna rahalahiny,

56dia ren’i Jôsefa zanakalahin’i Zakarià mbamin’i Hazarià izay samy mpitari-tafika ny herimpo lehibe nasehony sy ny ady nataony.

57ka nifampilaza izy roa lahy ireto hoe: «Ndao koa isika mba hampanehoeho ny lazantsika, ka hiady amin’ny hafa firenena manodidina antsika».

58Dia nomeny didy ny miaramila nankinina taminy ka nandroso hamely an’i Jamnià.

59Nivoaka ny tanàna kosa i Gorjià mbamin’ny miaramilany, ka nisehatra azy an’ady.

60Resy ny tafik’i Jôsefa sy i Hazarià ka nenjehin’ny miaramilan’i Gorjià hatreo amin’ny sisin-tanin’i Jodea; ary nahafatesana vatan-dehilahy roa ny Israelita tamin’izay andro izay.

61Voan’ny faharesena goavana ny vahoaka israelita, satria i Jôsefa sy i Hazarià dia tsy nihaino an’i Joda mirahalahy avy, fa mba nihevi-tena haneho herimpo koa.

62Kanefa tsy isan’ireo olona izay nanankinan’Andriamanitra ny fanafahana an’i Israely izy roa lahy.

Nandresy tany Idomea sy tany Filistia i Joda Makabeo

63Nahazo voninahitra lehibe i Joda mahery fo sy ireo rahalahiny teo anatrehan’i Israely manontolo sy ny hafa firenena rehetra izay nandrenesana ny lazany.

64Nitangorona nanodidina azy mirahalahy avy ny olona mba hiarahaba azy.

65Dia niainga koa i Joda mbamin’ireo rahalahiny hiady amin’ny taranak’i Hesao eo amin’ny faritany atsimo; azony i Hebrôna mbamin’ny tanàna madinika momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin’izany manda manodidina azy izany.

66Avy eo dia lasa nankany amin’ny tanin’ny Filistinina ry i Joda mirahalahy avy ka namaky ny tanàna Maresà.

67Tamin’izany andro izany no nisy mpisorona maro maty an’ady: te hanampatra herimpo fotsiny ireo, ka nisosoka niady tsy malina akory.

68Nizotra ho any Asdôda tao anaty faritanin’ny Filistinina ihany i Joda ka noravàny ny alitaran’ireny, nodorany ny sarivongan-tsampiny ary nobaboiny ny tanànany, vao niverina tany Jodea izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help