Tôbita 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Niainga ho any Media niaraka tamin’i Rafaela i Tôbià

1Dia niteny i Tôbià ka nanao tamin’i Tôbita rainy hoe:

–Hataoko avokoa, ry Dada, izay rehetra nanafatrafaranao ahy.

2Kanefa ahoana no hahazoako izany vola izany amin’i Gabaela, satria tsy mifankalala izahay? Inona no famantarana homeko azy mba hahalalany ahy, ka hitokiany ahy ary hanomezany ahy ny vola? Sady tsy fantatro koa ny lalana hankanesana any Media.

3Tamin’izay no niteny i Tôbita ka namaly an’i Tôbià zanany hoe:

–Nisy taratasim-pifanekena voasonian’i Gabaela ary nomeny ahy hosoniaviko. Dia nozaraiko roa izany taratasy izany ka samy naka ilan-taratasy avy izahay; ary navelako miaraka amin’ny vola ny ilan-taratasy anjarany. Roapolo taona lasa izay no nametrahako io vola io hotahiriziny. Ankehitriny, anaka, mitadiava olona mahatoky, izay hiara-dalana aminao. Homentsika karama izy, rehefa tafaverina avy any ianao; fa ndeha alao any amin’i Gabaela izany vola izany.

4Koa niainga i Tôbià hitady olona izay hiara-dia aminy hankany Media sady mahalala tsara ny lalana; vao tafavoaka ny trano izy, dia nahita ny anjely Rafaela nijoro teo anatrehany; saingy tsy fantany hoe anjelin’Andriamanitra io.

5Dia hoy i Tôbià taminy:

–Avy aiza ianao, ry sakaiza?

Ka novalian’i Rafaela hoe:

–Anankiray amin’ireo Israelita mpiray firenena aminao aho, ary tonga eto mba hitady asa.

Ary nanontany azy i Tôbià hoe:

–Fantatrao ve ny lalana mankany Media?

6Ka novaliany hoe:

–Fantatro tokoa. Matetika no efa nandeha tany aho ary mahalala tsara ny lalana rehetra. Imbetsaka aho no efa tany Media, ka ny fipetrahako dia tao an-tranon’i Gabaela izay mpiray firenena amintsika sady monina ao Ragao, tanànan’i Media. Misy lalana dia an-tongotra andro roa hatreo Ekbatàna mankany Ragao, satria samy miorina an-tendrombohitra ireo tanàna anankiroa ireo.

7Dia hoy i Tôbià tamin’i Rafaela:

–Mba andrasonao kely eto aho, ry sakaiza, mandra-piditro ao an-trano hampahafantatra izao amin-draiko. Ilaiko hiara-dia amiko ianao ary homeko ny karamanao.

8Ka novalian’ny anjely hoe:

–Eny àry, hiandry eto aho, kanefa aza ela ianao!

9Dia niditra tao an-trano i Tôbià ary nampahafantatra izany tamin’i Tôbita rainy sady nanao hoe:

–Indro aho fa nahita olona, dia anankiray amin’ireo Israelita mpiray firenena amintsika.

Hoy kosa i Tôbita tamin-janany:

–Antsoy ho aty amiko hoe izany olona izany, anaka. Tiako ho fantatra ny tarika sy ny foko nipoirany ary koa raha mahatoky izy mba hiara-dia aminao.

10Dia nivoaka ny trano i Tôbià ary niantso an’i Rafaela sy niteny taminy hoe:

–Antsoin-draiko ianao, ry sakaiza.

Dia niditra tao an-trano ilay anjely; ary i Tôbita no niarahaba azy voalohany, ka novaliany hoe:

–Mirary fanambinana betsaka ho anao aho!

Dia niteny indray i Tôbita ka nanao tamin’ilay anjely hoe:

–Fanambinana inona moa no mbola mety hananako? Tsy afa-mahita mihitsy ny masoko. Tsy hitako intsony ny hazavàn’ny habakabaka; ao anatin’ny haizina no itoerako, tahaka ny maty izay tsy mibanjina intsony ny hazavana. Mbola velona aina aho, saingy efa eo anivon’ny maty. Reko feo ny olona fa tsy mahita azy aho.

Hoy kosa ilay anjely tamin’i Tôbita:

–Mahereza! Tsy ho ela, dia hositranin’Andriamanitra ianao. Mahereza!

Dia i Tôbita ihany no nanao tamin’ilay anjely hoe:

–I Tôbià zanako dia mikasa hankany Media. Koa afaka ny miara-dia aminy sy mitari-dalana azy ve ianao? Homeko ny karamanao ianao, rahavako.

Ary novalian’ilay anjely hoe:

–Afaka miara-dia aminy aho, sady fantatro ny lalana rehetra satria imbetsaka aho no efa nandeha tany Media; efa noteteziko avokoa ny lemaka sy tendrombohitra ao aminy, ka fantatro tokoa ny lalana rehetra ao.

11Ary nanontany azy indray i Tôbita hoe:

–Inona moa ny fianakaviana sy foko nipoiranao, rahavako? Mba ampahafantaro ahy, azafady.

12Fa novalian’ilay anjely hoe:

–Nahoana no ilainao hofantarina ny foko nipoirako?

Ka hoy i Tôbita taminy:

–Iriko ho fantatra marina hoe zanak’iza ianao, rahavako, ary iza no anaranao?

13Ka novalian’ilay anjely hoe:

–Izaho no Hazarià, zanakalahin’i Hananià ilay atao hoe Malaza sady anankiray amin’ireo mpiray firenena aminao.

14Dia hoy i Tôbita taminy:

–Rarîna ho finaritra soa aman-tsara hatrany ianao, rahavako. Aza tezitra amiko ianao raha naniry hahafantatra ny marina momba ny fianakavianao aho. Miharihary fa mpiray firenena amiko ianao; ary mahafatra-po tokoa ny tarika nipoiranao. Fantatro i Hananià sy i Natàna izay samy zanakalahin’i Semelià ilay natao hoe Malaza. Fahiny dia izy roa lahy no niara-dia tamiko tany Jerosalema ary niaraka tamiko tao nitsaoka an’Andriamanitra. Tsy mba naniasia izy mirahalahy fa olona nahafatra-po; ka tsara fototra ianao. Rarîna ho finaritra hatrany ianao!

15Ary hoy koa i Tôbita hoe:

–Homeko ny karama drakma iray isan’andro ianao; ary momba ny zavatra ilainao eny an-dalana, dia homeko mitovy amin’izay homeko an-janako ianao.

16Aoka ho mpiara-dia amin-janako tokoa ianao, dia mbola hampiako ny karamanao!

17Dia novalian’i Hazarià hoe:

–Ho mpiara-dia aminy tokoa aho. Aza matahotra fa ho tsara mandroso ho tsara miverina izahay, satria azo antoka ny lalana.

Ary hoy indray i Tôbita taminy:

–Ho aminao anie ny fitahian’Andriamanitra, rahavako!

Avy eo dia nantsoin’i Tôbita ny zanany ka nitenenany hoe:

–Omany, anaka, ny zavatra ilainao ho an’ny dia, ary ndeha miainga miaraka amin’ity namanao. Enga anie Andriamanitra, Izay ao an-danitra, hiaro anareo any; ary enga anie Izy hampiverina soa aman-tsara anareo eto amiko! Ny anjeliny anie, anaka, no hiara-dalana aminareo mba hiambina anareo!

Dia lasa i Tôbià niomankomana hanainga ny diany; ary rehefa avy nanoroka ny ray aman-dreniny izy, dia mbola norarîn’i Tôbita ho tsara dia indray.

18Nitomany kosa ny reniny sady niteny tamim-badiny hoe:

–Nahoana no ampanefanao iraka ny zanako? Tsy izy ve no mpanohantohana antsika, tamin’izy nikeninkenina teto anoloantsika?

19Aoka tsy izay hampiavosa vola ihany no himasoanao, fa aoka mba tsy hisy vidiny akory izany miohatra amin’ny zanatsika!

20Ampy antsika izao nomen’ny Tompo hivelomantsika izao.

21Dia hoy i Tôbita tamin’ny vadiny:

–Aza manahy ianao. Ho tsara mandroso ho tsara miverina ny zanatsika! Ary ho hitanao maso ny andro hahatafaverina azy soa aman-tsara eto aminao.

22Aza manahy ianao; aza matahotra ny amin’izy roa lahy, ry vady malalako. Hisy anjely tsara hiara-dalana amin’io zanatsika io, ka ho tomombana ny diany ary ho tafaverina soa aman-tsara izy.

23Dia nitsahatra nitomany ny vadin’i Tôbita.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help