Salamo 34 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Nafahan’ny Tompo tamin’ny tahotro rehetra aho

1 Nataon’i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha.

ALEFA

2Hisaotra ny TOMPO lalandava aho

ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.

BETA

3Ny TOMPO no reharehako;

koa mifalia, ry mpandefitra,

rehefa mandre ny fideràko Azy.

GIMELA

4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,

ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.

DALETA

5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;

ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.

HE

6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;

VAO

ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.

ZAINA

7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra

ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny

tamin’izay fahoriako rehetra.

HETA

8Ny anjelin’ny TOMPO miambina

manodidina ny mpanaja an’Andriamanitra

ka manafaka azy amin’ny loza.

TETA

9Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO.

Sambatra ny olona mialoka aminy!

JODA

10Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany:

fa tsy misy mahory ny mpankatò Azy.

KAFA

11Na dia ireo mpanankarena aza,

mety tsy ampy hanina ka ho noana;

fa izay mitady ny TOMPO

tsy mba ho orin-java-tsoa.

LAMEDA

12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,

fa hampianariko hanaja ny TOMPO.

MEMA

13Raha misy olona mankamamy fiainana

ka te ho ela velona sy ho sambatra,

NONA

14dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy

ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,

SAMEKA

15hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara

ary haharitra hikatsaka fiadanana.

HAINA

16Tsinjovin’ny TOMPO ireo olo-marina

ary henoiny hatrany ny antsony.

PE

17Toherin’ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy,

ka fongorany tsy eo amin’ny tany

ny fahatsiarovana azy ireny.

TSADE

18Vao miantso vonjy ny olo-marina,

dia henoin’ny TOMPO sy afahany

tamin’izay fahoriany rehetra.

KÔFA

19Fa akaikin’ny torotoro fo IZY

sady mamonjy ny rera-tsaina.

RESA

20Na maro fahoriana aza ny olo-marina,

dia afahan’ny TOMPO amin’izany rehetra izany.

SINA

21Arovan’ny Tompo avokoa ny rantsam-batany

ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.

TAO

22Ho fatin’ny haratsiany kosa ny olon-dratsy

ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.

23Vonjen’ny TOMPO hatrany ny ain’ny mpanompony

ary tsy hisy hohelohina izay mialoka aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help