Jeremià 51 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izao no lazain’ny TOMPO:

«Indro misy tafio-drivotra mpandrava

asaiko mitsoka hamely an’i Babilôna

sy hamely ny mponina ao aminy.

2Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna

ka hanaparitaka azy toy ny akofa,

ary hahatonga ny taniny ho foana.

Amin’izany andro mandoza izany

dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.»

3–Aoka tsy hanenjan-tsipîka intsony ao Babilôna

ireo mpitifitra amin’ny tsipîka!

aoka izy tsy hisalotra intsony

ny akanjo vy fiarovan-tratra!–

Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny;

ataovy ringana ny tafiny manontolo!

4Eny amin’ny tanin’i Babilôna

dia hiampatrampatra ireo maratra,

ary eny an-dalambeny

no hitsitsitra ireo maty an’ady.

5Satria manenika an’i Babilônia

ny fahotany tamin’ilay Masin’i Israely.

–Ilay Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao kosa

tsy mba namela an’i Israely

sy i Joda ho mpitondratena.–

6Mandosira hiala an’i Babilôna

ka samia manavo-tena ianareo,

fandrao hiara-devona aminy

noho ny sazim-pahotàny;

fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao

ka valiany araka ny sahaza azy izy.

7I Babilôna dia tsatokaty volamena

teo an-tanan’ny Tompo.

Nahamamo ny tany manontolo izy;

ny divainy efa nisotroan’ny firenena

no nahavery saina ireny.

8Kanjo tampoka no nianjeran’i Babilôna

sy nahamontsamontsana azy.

–Manaova hira fisaonana ho azy,

makà balsama hatao amin’ny feriny.

Angamba ho sitrana ihany izy?

9–Efa nitsabo an’i Babilôna izahay

saingy tsy nety sitrana izy.

Aoka hilaozantsika izy,

ka samia mody any an-tanintsika avy!

Satria goavana ny fanamelohana mihatra aminy

fa mahatakatra ny lanitra sy ny rahona.

10Naneho fanafahana antsika ny TOMPO.

Andao hotantaraintsika any Tsiôna

izay nataon’ny TOMPO Andriamanitsika.

11Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina.

Koa ranito ny zana-tsipîkanareo,

ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.

12Atsangano ny fanevam-panairana

hanafihana ny mandan’i Babilôna.

Hateveno mafy ny fiambenana

ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily.

Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany,

dia izay efa nambarany

momba ny mponin’i Babilôna.

13Ry Babilôna izay mipetraka

eo amoron’ny ony lehibe

sady manana harena sarobidy ô,

tonga ny fiafaranao fa feno ny fatranao.

14Ny TOMPOn’izao rehetra izao

dia nianiana tamin’ny tenany hoe:

«Handefa olona hibosesika ao aminao Aho,

ka ho maro toy ny valala ireny,

ary hanao akoran’ady hamelezana anao.»

15Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany,

tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao,

ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.

16Baikony no mampitoby

ny ranobe any an-danitra any

sy mampiakatra ny rahona matevina

avy eny am-paravodilanitra,

ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana

sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.

17Ketrina avokoa ny olona rehetra

ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany.

Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy

dia menatra avokoa tamin’ny nataony;

satria fitaka ireo sarivongana ireo

fa tsy manam-pofonaina akory.

18Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny;

fa amin’ny andro hamaizana azy,

no hahalevona ny sarivongan-tsampy.

19Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo,

ilay Anjaran’i Jakôba,

satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra;

ary ny vahoaka Israely dia fananany.

Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.

Ny fiafaran’i Babilôna

20«Ry Babilôna, hoy ny Tompo,

kanonta sy fitaovam-piadiana ho Ahy ianao.

Ianao no nampiasaiko hanorotoroana firenena

sy hanapotehana fanjakana maro.

21Ianao no nampiasaiko

hanorotoroana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

22Ianao no nampiasaiko

hanorotoroana lehilahy sy vehivavy,

na antitra na tanora na ankizy.

23Ianao no nampiasaiko hanorotoroana

ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny,

ny mpamboly sy ny ombiny mizioga,

ary ny governora sy ny lefiny.»

24Hoy ny teny hentitry ny TOMPO:

Ho hitanareo kosa izao

fa hatsingeriko amin’i Babilôna

sy ny mponina rehetra any Babilônia

ny ratsy rehetra nataony tamin’i Tsiôna.

25Indro mamely anao Aho,

ry Babilôna mpampiavosa fandravana,

ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

Maninji-tanana hamely anao Aho,

ka manjera anao avy eny ambony harambato.

Hataoko vainafo miavosa ianao,

26ka tsy ho azo akàna vato intsony

hatao vato fehizoro na vato fanorenana.

Ho toerana mahonena mandrakizay ianao,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

27Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany,

tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara;

entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna,

antsoy hamely azy ny fanjakana

any Ararata sy Menỳ ary Askenaza.

Manendre mpifehy hamory miaramila;

soavaly marobe no alefaso hanafika

toy ny valala manao andiany.

28Entano ny firenena maro hamely azy,

indrindra fa ny mpanjakan’i Medianina,

ny governora rehetra sy ny lefiny

ary ny faritany manontolo izay iadidiany.

29Mihorohoro sy mihovitrovitra ny tany

fa tanteraka amin’i Babilôna

ny fikasan’ny TOMPO hamelezana azy

mba hahatonga an’i Babilônia

ho tany mahonena tsy misy mponina intsony.

30Tsy mety hiady intsony

ny miaramila kalazan’i Babilôna,

fa lasa niery any amin’ny trano fiarovana.

Lefy herim-po izy,

ka nalemy toy ny vehivavy.

Nodorana ny fonenany,

potika ny hidim-baravarany.

31Mifampita vaovao ny iraka mpihazakazaka

mba hampandre ny mpanjakan’i Babilôna,

fa azom-pahavalo ny tanànany manontolo.

32Voatazona ny toeram-pitàna,

voadoro ny volotara eny an-kady fiarovana,

kivy ny miaramila babilônianina.

33Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely:

«Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana

toy ny famoloana omanina hivelezam-bary;

fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»

Andriamanitra no miandraikitra ny valifaty ho an’ny vahoakany Jerosalema

34«Nandripaka sy nitsentsitra ahy

i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna;

dia napetrany toy ny vilia nolelafina aho.

Tahaka ny fitelin’ny mamba no nitelemany ahy,

ka ny tsokako no namenoany ny kibony;

izay aho vao naloany.

35Aoka ny mponin’i Tsiôna hiteny hoe:

Hanody an’i Babilôna anie

ny herisetra nataony tamiko!

Aoka i Jerosalema hiteny hoe:

Hanody azy anie ny heloka nataony

tamin’ny nandatsahany ny rako!»

*

36Izao àry no lazain’ny TOMPO amin’i Jerosalema:

«Horaisiko an-tanana ny momba anao

ka Izaho no hamalifaty anao:

hataoko maina ny oniny

ary horitiko ny loharanony.

37Ho tonga korontam-bato i Babilôna,

ka ho fonenan’ny amboadia,

ho toerana tsy misy mponina intsony

fa mahonena sy mampivarahontsana.

38Miara-mierona toy ny liona tanora

ny mponina ao Babilôna ankehitriny

ary mikonainaina toy ny zana-diona.

39Raha mbola eo am-pilendalendana izy,

dia efa manomana fanasana ho azy Aho:

Homamoiko izy mba hiravoravo

dia hatory mandrakizay,

ka tsy hifoha intsony.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

40Any amin’ny toeram-pamonoana

no hitondrako azy toy ny zanak’ondry

sy toy ny ondrilahy aman’osilahy.»

Tomany momba an’i Babilôna.

41Andray! Nalaza eran-tany ny tanànan’i Sesàka

nefa azo sy voatazona izy izao!

Andray! Tonga toerana mahonena i Babilôna

eo anivon’ny firenena maro!

42Tafakatra hatrany aminy ny ranomasina,

nandrakotra azy ny onjany misafoaka.

43Tonga aolo ny tanànany;

karankaina sy ngazana ny taniny

sady tsy misy mponina intsony

ary tsy misy olona mandalo azy.

44Hoy ny TOMPO hoe:

«Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela

andriamanitr’i Babilôna Aho,

hasaiko haloany izay nateliny.

Hitsahatra tsy hitanjozotra

ho any aminy ireo firenen-kafa.

Nirodana ny mandan’i Babilôna!

45Koa ilaozy ny tanànany, ry vahoakako,

ary samia manavo-tena ianareo

mba tsy hiharan’ny fahatezerako mirehitra!

46«Tandremo tsy ho kivy na hatahotra ianareo noho ny tsaho izay taterina ao amin’ny tany. Fa hifandimby ny tsaho samihafa arakaraky ny taona: herisetra ao amin’ny tany, fanonganan’ny mpanao didy jadona an’izay talohany...

47Ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra

hamely ireo sarivongan-tsampin’i Babilôna.

Afa-baràka ny taniny manontolo;

hiampatrampatra ao an-tanàna ny maty rehetra.

48Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy

dia hanao hobim-pandresena

noho ny amin’i Babilôna,

rehefa tonga avy any avaratra

ireo tsy maintsy handrava azy.»

Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Ny mpaminany

49Nahatonga fahafatesan’olona maro i Babilôna

teo amin’ny tany manontolo;

koa anjarany indray izao ny ho faty

noho ireo Israelita izay novonoiny.

50Koa ianareo izay afaka tamin’ny ady,

mandehana fa aza mijanona eo.

Avy any lavitra any no tsarovy ny TOMPO

ary ataovy ao an-tsainareo i Jerosalema.

Ny vahoakan’Andriamanitra

51Afa-baràka izahay nandre fandatsana!

Rakotry ny henatra ny endrikay

fony nidiran’ireo hafa firenena

ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO.

Ny Tompo

52Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

dia ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra

hamely ireo sarivongan-tsampin’i Babilôna.

Ho re manerana ny taniny

ny tolokon’ireo maratra.

53Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna

ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina,

dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Ny mpaminany

54Misy feo miantso vonjy avy any Babilôna:

fandringanana goavana no re avy ao amin’ny taniny.

55Fa ny TOMPO no mandrava an’i Babilôna,

sy mampangina ny horakorany.

Mamelona akoran’ady ny fahavalo

ka toy ny feon’onjan-dranomasina

ao anaty kotro-baratra izany.

56Tonga hanafika an’i Babilôna ny mpandrava,

ka hanao sambo-belona ireo maherifony,

sy hanapotika ny tsipîkany.

Fa ny TOMPO dia Andriamanitra mamaly ny natao

ka mampihatra tokoa ny valifatiny.

57«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»

58Dia nampian’ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe:

«Rava tanteraka ny manda matevin’i Babilôna,

ary voadoro ny vavahadiny avo;

ka dia sahiram-poana ny vahoaka,

zavatra ho kilan’ny afo

no isasaran’ireo firenena.»

Hafatra natsipy tao amin’ny ony Eofrata

59-60I Seraià, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, no lehiben’ny tobin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan’i Tsedekià dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilôna izy. Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an’i Babilôna, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an’i Seraià i Jeremià hoe:

61«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;

62avy eo dia milazà hoe: ‹Ny tenanao mihitsy, TOMPO ô, no niteny taminay fa handringana ity tanàna ity ka tsy hisy hitoetra eto intsony na olona na biby fa fahonenana mandrakizay izy.›

63Rehefa vitanao ny famakiana ny horonan-taratasy, dia afatory amin’ny vato iray izy, ary atsipazo ao amin’ny ony Eofrata;

64sady ataovy hoe: «Tahaka an’izao no hilentehan’i Babilôna ka tsy hipoirany intsony noho ny loza hataon’ny Tompo mihatra aminy.»

«Izany no isasaran’ireo firenena»: mifarana eto ny tenin’i Jeremià.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help