1Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.
2Fa namaly i Abrama hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,
3inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka.
4Fa hoy ny TOMPO taminy:
–Tsy handova anao izy, fa ilay haterakao ihany no handova anao.
5Dia nentin’ny TOMPO nivoaka teny ivelan’ny tranolay izy ka nilazany hoe:
–Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao!
Dia mbola nampiany hoe:
–Ho toy izany ny taranakao!
6Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken’ny TOMPO azy ho marina izany.
7Ka hoy indray Izy taminy:
–Izaho TOMPO no nampivoaka anao avy tany Ora any Babilônia mba hanomezako anao ity tany ity ho fanananao.
8Fa nanontany kosa i Abrama hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, amin’ny fomba ahoana moa no hahalalako fa ho lasako ity tany ity?
9Dia novaliany hoe:
–Itondray vantotr’ombivavy iray sy osivavy iray sy ondrilahy iray samy telo taona Aho ary koa domohina sy voromahailala iray avy.
10Dia nentin’i Abrama teo amin’ny TOMPO ireo rehetra ireo, ary nosasahiny teo afovoany afa-tsy ny vorona ka napetrany mifanatrika ny tapany avy.
11Ary nidina teo ambonin’ireo ny vorona mpihaza ka noroahin’i Abrama.
12Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.
13Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama:
–Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.
14Avy eo kosa dia hofaiziko ny firenena izay notompoiny, ka hiainga mitondra fananam-be avy any ireo taranakao.
15Ianao kosa ho faty amim-piadanana ka halevina, rehefa tratra antitra tsara.
16Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy.
17Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.
18Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe:
–Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe
19izany hoe ny tany onenan’ireto foko ireto: ny Kenita sy ny Kenizita, ny Kadmônita
20sy ny Hetita, ny Perizita sy ny Refaita,
21ny Amôrita sy ny Kanahanita ary ny Girgasita sy ny Jebosita.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.