1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra. Tononkiram-pitiavana
.2Ny foko miboiboika teny soa, ry mpanjaka,
raha hambarako ny tononkaloko ho anao.
Fomba kanto no hanononako an’izany,
tahaka ny soratra voasikotra ambony vato.
3Soa indrindra amin’ny samy olombelona ianao
sady mahafinaritra ny teny ambaranao;
koa aminao mandrakizay ny fitahian’Andriamanitra.
4Ry ilay mpiady mahery fo ô,
fehezo amin’ny etra ny sabatrao
izay mari-piandrianana sy voninahitrao.
5Mitaingena kalesy ianao ka mirosoa
hiaro ny hitsiny sy hitandro ny rariny.
Loza no hafitsoky ny herinao:
6ho lavo eo ambaninao ireo firenena,
satria maranitra ny zana-tsipîkanao
ka hitsatoka am-pon’ireo fahavalonao.
7Ny sezafiandriananao dia tahaka ny an’Andriamanitra
ka maharitra mandrakizay mandrakizay;
araka ny fahitsiana tokoa
no itondranao ny fanjakanao.
8Tia rariny sy mpankahala ratsy ianao.
Noho izany ilay Andriamanitra Andriamanitrao
dia nanokana anao fa tsy ireo namanao
ka nanosotra diloilo fifaliana tamin’ny lohanao.
9Mamerovero ny fitafianao rehetra
fa manitra sahondra sy kanela ary miora;
avy ao an-dapanao voaravaka ivoary
dia andrenesanao mozika izay ankafizinao.
10Misy andriambavy iray mitsena anao,
dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao
sady miravaka volamena avy any Ôfira.
11Mihainoa, razazavavy, atongilano ny sofinao
ary aoka ho tandrinao tsara izao:
Aza raharahaina intsony ny firenenao
sy ny fianakavian-drainao.
12Ny mpanjaka mankatelina ny bikanao,
ka iondreho izy fa tomponao.
13Ny mpanefoefo avy any Tiro
sy ny mpanankarena amin’ny vahoaka
dia samy hitondra fanatitra
hahazoana sitraka aminao.
14Mamirapiratra tokoa ilay Andriambavy
ombàn’ny firavaka mifaham-bolamena.
15Manao fitafiana misoratsoratra izy
no entina eo amin’ny mpanjaka.
Manotrona ny andriambavy koa
ireo zazavavy sakaizany
izay efa nentina teo aminy:
16mandroso amim-pifaliana sy haravoana ireo
ary miditra ao an-dapan’ny mpanjaka.
17Ry mpanjaka ô, ny zanakao anie handimby anao
eo amin’ny sezafiandrianan’ny razanao,
ka hotendrenao ho mpifehy
manerana ny tany tontolo!
18Izaho kosa hampahatsiaro ny lazanao
amin’ny taranaka mifandimby;
izany no hahatonga ny firenen-kafa
hidera anao mandrakizay mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.