Jeremià 47 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fanambaràna ny amin’ny Filistinina

1Hafatry ny TOMPO izay tonga tamin’i Jeremià mpaminany momba ny Filistinina, talohan’ny hamelezan’ny Farao an’i Gazà.

2Izao no lazain’ny TOMPO:

«Misy ranotrambo mipoitra avy any avaratra,

ary tonga ranon-driaka misamboaravoara

ka manafotra ny tany sy izay rehetra eo aminy,

dia ireo tanàna sy ny mponina ao aminy.

Mikiakiaka ny olona;

ary manao hira fitarainana

ny mponina rehetra amin’ny tany.

3Mikatrokatroka ny kitron’ireo soavaly matanjaka

mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany;

ka manadino zanaka ny ray aman-dreny

satria efa miraviravy tanana.

4Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra,

hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony

mba hanampy an’i Tiro sy i Sidôna.

Ravan’ny TOMPO tokoa ny Filistinina,

dia ireo sisa velona avy any amin’ny nosy Kaftôra.

5Voaharatra ny lohan’ny ao Gazà fa misaona

ary mangina tanteraka ny ao Askelôna.

Ianareo sisa tamingan’ny rapetonolona,

mandra-pahoviana ianareo no hiteti-tena?

6Hoy ianareo hoe:

‹Indrisy ry sabatry ny TOMPO,

tsy mba hiato mihitsy ve ianao?

Midira ao anaty tranonao,

mialà voly ka mijanòna.›

7Ahoana moa no hiatoany?

Ny TOMPO no manome baiko azy;

ary hamely an’i Askelôna

sy ny tany amoron-dranomasina

no tanjona nanendreny azy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help