1Fantatr’i Nikanôra tamin’izay fa naka toerana teo akaikin’i Samaria i Joda Makabeo sy ny namany, ka tapa-kevitra izy ny hamely azy andro sabata amin’ny fomba azo antoka.
2Ireo Jiosy noteren’i Nikanôra hanaraka azy kosa dia nilaza taminy hoe:
–Aza mamono azy ireo amin’ny fomba masiaka sy barbarianina toy izany, fa omeo voninahitra ny andro izay efa nahazo haja aman-kasina tamin’ilay Andriamanitra miahy an’izao tontolo izao!
3Kanefa io jiolahy tsy misy toa azy io dia nanontany hoe:
–Misy ve manampahefana any an-danitra nandidy ny hankalazana ny andro sabata?
4Ka novalian’ireo Jiosy hoe:
–Eny, ilay manampahefana any an-danitra dia ilay Tompo Velona Izay nandidy ny hankalazana ny andro fahafito.
5Fa hoy kosa i Nikanôra hoe:
–Izaho koa manampahefana eto an-tany ka mandidy anareo handray fiadiana sy hanao ny fanompoam-panjakana.
Kanjo tsy afaka nanatanteraka ny fikasan-dratsiny izy.
Nampaherezin’i Joda Makabeo ireo namany6Nasesiky ny fireharehana mihoa-pampana i Nikanôra ka nihevitra sahady ny hampijoro tsangambatom-pandresena amin’ny fitaovam-piadian-dry i Joda sy ny namany.
7I Joda Makabeo kosa nitana fitokiana tsy lefy ka nanantena koa ny hahazo fanampiana avy amin’ny Tompo.
8Ireo mpomba azy koa nampirisihany mba tsy hatahotra ny famelezan’ny mpanompo sampy, fa hahatsiaro ny fanampiana nomen’Andriamanitra azy taloha: izany no tokony hiandrandrany fa ilay Tompon’izao rehetra izao dia mbola hanome azy fandresena ankehitriny.
9Teny nalaina tamin’ny Lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny Mpaminany no nampaherezana azy; ary nampahatsiaroviny azy koa ny ady efa voatohany, ka nataony feno herimpo ireo.
10Rehefa avy namelombelona herimpo azy indray i Joda, dia nandresy lahatra azy farany tamin’izy naneho ny fitaka afitsok’ireo mpanompo sampy sy ny fivadihany amin’ny fianianany.
11Izany no nampahatanjahan’i Joda ireo mpomba azy, tsy tamin’ny antoka omen’ny ampinga aman-defona fa tamin’ny hery aterak’ireo teny soa nafafiny.
Dia notantarain’i Joda tamin’ireo mpomba azy koa ity nofy mendrika hinoana sady nahafaly azy rehetra ity.
12Izao no niseho hitan’i Joda: I Ônià, mpisorombe taloha sady lehilahy mpanao soa, mora hatonina sy malemy fanahy ary mpamoaka teny voalanjalanja; hatramin’ny fahazazany no efa nilofosany harahina avokoa ny hatsaram-panahy; io Ônià io dia nanandra-tanana nivavaka ho an’ny firenena jiosy manontolo no nahitan’i Joda azy.
13Avy eo dia niseho taminy toy izany koa ity lehilahy fotsy volo sy ravaham-pahamendrehana ary mahatalanjona satria mitaratra fahefana amam-piandrianana.
14I Ônià kosa no niteny tamin’i Joda hoe: «Ity no Jeremià, mpaminan’Andriamanitra, sakaizan’ny mpiray tanindrazana aminy, ary mazoto mivavaka ho an’ny firenentsika sy ho an’i Jerosalema tanàna masina.»
15Rehefa izany, dia natsotran’i Jeremià ny tanany havanana ka nanolotra sabatra volamena ho an’i Joda; ka hoy izy teo am-panolorana izany:
16«Ity sabatra masina ity dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ka raiso. Io no hanorotoroanao ny fahavalonao.»
Faharesen’i Nikanôra sy fahafatesany(Jereo 1 Mak 7.39-50)17Izany teny tsara dia tsara avy amin’i Joda Makabeo izany no nahatarika ireo zatovo miaramilany hahery fo sy hitombo fahasahiana. Ambanan-doza i Jerosalema sy ny fivavahana jiosy ary ny tempoly. Koa tapa-kevitra ny tafika jiosy tsy hiaro tena fotsiny ao an-toby, fa hiantoraka tsy am-pisalasalana hiseha-pahavalo, hikiry an’ady ary hamita ny fizotran-draharaha.
18Tsy dia noheveriny loatra izay vady aman-janany na mpiray tampo aman-kavany, fa ny nahîny mafy sy voalohany indrindra dia ny tempoly masina.
19Tsy latsaka noho izany koa ny tebitebin’ireo vahoaka tafajanona tao Jerosalema; nampanahy azy ny ho fizotran’ny ady efa ho rafitra any an-kodahoda any.
20Ny besinimaro no nitaintaina ny amin’izay hiafaran’ny ady efa antomotra. Nivory ny fahavalo ka nilahatra hiady; ny mpitaingin-tsoavaly nataony teo amin’ny vazan-tafika, ary ny elefanta efa voalamina amin’ny toerana sahaza.
21I Joda Makabeo kosa, rehefa nahita ny tafi-pahavalo zavon-tany sady mirongo fiadiana isan-karazany, ary koa ireto elefanta maneho endrika masiaka, dia nanandra-tanana tamin’Andriamanitra ary niantso ilay Tompo mpanao zava-mahagaga: fantatr’i Joda manko fa tsy ny herin’ny fitaovam-piadiana no ahazoam-pandresena fa ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra izay manome izany an’izay mendrika azy.
22Tamin’io fiantsoana ny Tompo io kosa dia izao no tonon-bavaka nataon’i Joda: «Ry Tompo tsy refesi-mandidy ô, Ianao tamin’ny andron’i Hezekià mpanjaka no naniraka ny anjelinao, izay nandringana antokon-tafika 185 tao an-tobin’i Saneheriba;
23koa ankehitriny, ry ilay manampahefana ao an-danitra, aniraho anjely soa indray eo anoloanay mba hamafy tahotra sy fivadiham-po.
24Ny herinao anie handaroka mafy an’ireo tonga hamely ny vahoakanao masina sady nanevateva Anao!» Izany no namaranan’i Joda ny tonombavaka nataony.
25Tamin’izay i Nikanôra sy ny tafiny dia nandroso ombàn’ny feon-trompetra sy hiran’ady.
26I Joda sy ny tafiny kosa nitsena ny fahavalo ombam-bavaka sy fiantsoana an’Andriamanitra.
27Sady niady tamin’ny tanany izy no nivavaka am-po tamin’Andriamanitra ka antokon-tafika 35 farafahakeliny no nataony maty niampatrampatra tamin’ny tany; ary nahafaly azy fatratra ny vonjy nahariharin’Andriamanitra.
28Nony vita ny ady, raha ilay niparitaka an-kafaliana iny ny miaramila Jiosy, dia nahita an’i Nikanôra niampatra teo koa mbola nirongo ny fitaovam-piadiany rehetra.
29Niteraka horakoraka sy hahohaho izany, ary nisaorany an’ilay Andriamanitra mahefa tamin’ny tenin-drazany.
30I Joda Makabeo dia lohalaharana hatrany nanolo-tena mba hiady vatana am-panahy ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy, sady efa hatry ny hatanorana izy no tsy nitsaha-nitia ireo mpiray firenena aminy. Izy no nanome baiko ny hanapahana ny lohan’i Nikanôra mbamin’ny taniny miray amin’ny sandriny sy ny hitondrana ireo ho any Jerosalema.
31Nankany koa ny tenany ka niantso ny mpiray firenena aminy ho vory ao an-tempoly ary nametraka ny mpisorona teo anoloan’ny alitara; dia nampanalainy koa ny miaramila mpiambina ny tanàna mimanda.
32Nasehon’i Joda ny besinimaro teo ny lohan’i Nikanôra mbamin’ny tanany izay nahinjitr’io mpanevateva an’Andriamanitra io ka nireharehany hanoherana ny fonena-masin’ilay Tompon’izao rehetra izao.
33Avy eo notapahiny ny lelan’i Nikanôra mpankahala ny fivavahana jiosy ka notetitetehiny ary nasainy nomena ho sakafon’ny voro-manidina; ny tanany izay tambin’ny hadalany kosa dia nasain’i Joda nahantona tandrifin’ny tempoly.
34Fankalazana ny Tompo be voninahitra no nataon’ny olona rehetra ka nasandrany ho any an-danitra sady nilazany hoe: «Hankalazaina anie Ilay niaro ny toeram-ponenany tsy ho voakasi-pentina!»
35Nahanton’i Joda tao amin’ny Tanàna mimanda ny lohan’i Nikanôra ho famantarana miharihary sy mety hitan’ny olona rehetra ny amin’ny vonjy nomen’ny Tompo.
36Nifanarahan’ny olona rehetra vory teo ny hamoaka didy ampahibemaso mba tsy hamela izany andro izany ho very tadidy, fa hankalaza azy isan-taona amin’ny volana antsoina amin’ny teny aramianina hoe Adara, andro faha-13, na ny andro ankatok’ilay atao hoe andron’i Môrdekay.
Fehin-teny aroson’ilay mpanoratra37Izany àry ny zava-nitranga momba an’i Nikanôra. Nanomboka tamin’izay fotoana izay no nipetraka ho fananan’ny Jiosy i Jerosalema, ka ajanoko eto koa ny fitantaràko.
38Raha tsara sy tomombana ny fandrafetana io tantara io, dia izay rahateo no tanjona nokendreko; raha tsy misy lanjany firy sady tsizarizary kosa ilay izy, dia izay no hany azoko natao.
39Samy tsy tsara manko ny misotro divay tsy mitampoka na misotro rano fotsiny amin’izao, fa ny divay miharo rano no zava-pisotro tsara sy ahazoam-pahafinaretana; toy izany koa, ny fahaiza-mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny fahazoan’izay mamaky ny lahatsoratra voarafitra. Ka dia ireo teny ireo no ho famaranana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.