Jodita 9 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Vavak’i Jodita

1Tamin’ny fotoana hariva fanolorana ny vovo-javamanitra

tao an-tranon’Andriamanitra tao Jerosalema no nihohoka tamin’ny tany i Jodita. Nohosorany lavenona ny lohany ary nasehony ny akanjo malailay fitondrany ho fitafiana anatiny; ka feo avo no niantsoany vonjy tamin’ny Tompo hoe:

2–Tompo ô, Ianao no Andriamanitr’ilay Simehôna razambeko. Notoloranao sabatra izy hamaliany ny olona hafa firenena izay namaha ny fehikibon’ny anabaviny mba handotoany azy. Nitondra henatra ho an’ilay tovovavy ary nahafa-baràka azy ny nanendahany akanjo azy sy nametavetany azy. Zavatra voalazanao fa tsy tokony hatao no nataon’ireo hafa firenena ireo.

3Izany no nanoloranao an’ireo lehibeny haringana. Anjarany koa ny mba ho voafitaka: ny farafara izay nanalany baràka an’ilay tovovavy manko no tonga henika ny ran’ireo mpametaveta azy. Niaraka tamin’ny tompony no namelezanao ny mpanompo ary teo amin’ny sezafiandrianany no namelezanao ireo manampahefana.

4Navelanao hobaboina ny vehivavy vadiny ary nentina handevozina ny zanany vavy. Izay rehetra fananany nifampizaran’ireo olona notiavinareo, dia ny Israelita izay nazoto niraiki-po taminao. Naharikoriko an’ireto Israelita ireto manko ny fanalàm-baràka ity anabaviny, ka dia izay no niantsoany vonjy taminao.

Ry Andriamanitra Andriamanitra ô, mba henoy aho, dia izaho izay mpitondratena.

5Ianao manko no nanao ny zava-nitranga fahagola sy izay talohany ary koa taoriany. Ny toe-javatra ankehitriny sy ho avy dia samy nosaintsaininao; ka izay nosaintsaininao no nihatra.

6Ny zavatra nokasainao no niseho sy niteny hoe: «Indreto izahay!» Ireo asanao rehetra dia voaomanao ary ny fanapahan-kevitrao efa fantatrao mialoha.

7Hitanao, Tompo ô, fa tafika marobe no an’ny Asirianina; nirehaka izy tamin’ny soavaliny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, ary niavonavona tamin’ny herin’ireo miaramilany an-tongotra; nitokiany ny lefona aman’ampingany, ary ny tsipîka aman’antsamotadiny. Hadinony fa Ianao no ilay Tompo afa-mampitsahatra ny ady.

8Ny Tompo no anaranao: koa poteho amin’ny fahefànao ny heriny ary ataony mianòtra amin’ny fahaviniranao ny tafiny fa nikasa hanimbazimba ny Toeramasinao izy sy handoto ny fonenana itoeran’ny anaranao be voninahitra ary handrodana ny tandroky ny alitaranao amin’ny famaky.

9Jereo ny fiavonavonany, Tompo ô, ary alefaso ny fahaviniranao hiantonta amin’ny lohany. Izaho izay mpitondratena mba omeo ny hery hanatanterahako ny zavatra nokasaiko.

10Ampiasao ny teny manodoka hotononiko mba hamelezana ny mpanompo mbamin’ny tompony, izay hoe ireo miaramila mbamin’ny filohany. Ataovy montsan’ny tanam-behivavy ireo avo ranjanana ireo.

11Ny herinao tsy miankina amin’ny hamaroana; ny fahefànao tsy miankina amin’ny matanjaka; fa Andriamanitry ny manetry tena kosa Ianao, ka manampy ireo madinika sy manohana ireo osa ary miaro ireo manirery sy mamonjy ireo kivy.

12Eny tokoa, ry ilay Andriamanitry ny razambeko, Andriamanitry ny tanin’i Israely, Mpifehy ny tany aman-danitra, Mpahary ny rano, ary Mpanjakan’ny voaary rehetra, mba henoy vavaka aho.

13Enga anie ny teny manodoka hataoko no handratra sy hamono hahafaty an’ireo olona nanao tetika mahatsiravina hanoherana ny fanekempihavananao sy ny tempolinao masina, ny tendrombohitra Tsiôna ary ny tany onenan’ny olonao.

14Ataovy fantatry ny firenenao manontolo sy ny foko isan-tokony fa Ianao no Andriamanitry ny hery amam-pahefana rehetra sady tsy misy miahy ny taranak’i Israely afa-tsy Ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help