Ohabolana 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fahendrena sy ny fanajana ny Tompo

1Anaka, aza manadino ny fampianarako;

ary aoka ho voatandron’ny fonao ny didiko.

2Fa andro lava sy taona maro iainana

ka hiadam-pinaritra hatrany

no ho vokatr’ireny ho an’ny tenanao:

3Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;

kajio toa firavaka fiambozonanao izany,

ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.

4Fa hahita sitraka sy fahombiazana ianao

eo imason’Andriamanitra sy ny olona.

5Matokia ny TOMPO amin’ny fonao manontolo,

fa aza miantehitra amin’ny fahakingan-tsainao.

6Mieke Azy amin’izay rehetra alehanao,

dia hatorony anao ny soritra harahinao.

7Aza manao ny tenanao ho hendry,

fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy.

8Hanasitranana ny tenanao izany

ary hamelombelomana ny taolanao.

9Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao

sy izay voaloham-bokatrao rehetra.

10Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao;

ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.

11Anaka, aza hamavoinao ny famaizan’ny TOMPO

ary aza tofoka amin’ny fananarany.

12Fa izay tian’ny TOMPO no anariny

toy ny ataon-dray amin’ny zanany malala.

Fahendrena sy fahasambarana

13Sambatra izay olona nahita ny fahendrena

sy izay olona nahazo ny fahaiza-manavaka.

14Fa ny fananana azy dia tsara noho ny fananana volafotsy

ary ny tombontsoany dia mihoatra noho ny volamena.

15Sarobidy noho ny voahangy ny fahendrena;

ary izay rehetra azo irina dia tsy misy mitovy aminy.

16Mahaela velona ny fahendrena etsy an-kilany

ary mampahazo harena sy haja etsy an-daniny.

17Lalana mahafinaritra ny lalany;

ary antoky ny fiadanana ny sakeli-dalany rehetra.

18Hazon’aina sy fahasambarana ny fahendrena

ho an’izay mitana azy sy mifikitra aminy.

19Fahendrena sy fahaiza-manavaka

no nanorenan’ny TOMPO ny tany

sady nahariany ny lanitra.

20Ny fahaizany no nampiboiboika rano

avy any an-kibon-tany lalina any

sy mampitosaka orana avy amin’ny rahona.

Miaro ny hendry ny Tompo

21Anaka, ny fahamalinana sy ny fahaiza-mandinika

no ifikiro ka imasoy hatrany.

22Fa ho antoky ny fiainana ho anao izany

sady sarobidy toa firavaka fiambozonanao.

23Handroso amim-pahatokiana ianao

ka tsy hosolafa-mamindra.

24Tsy hatahotra ianao rehefa miala sasatra,

ary ho tafandry mandry rehefa matory.

25Aza manahy ny fampitahoran’ireo adala

na ny famelezan’ny olon-dratsy, raha tonga izany.

26Fa ny TOMPO no ho tokinao

ka hiaro ny tongotrao tsy ho voafandrika.

Ny fitiavana ny namana

27Aza misalasala manao soa

amin’izay mila izany

raha azonao atao ihany.

28Aza manao amin’ny namanao hoe:

«Miverena fa rahampitso aho manome»,

raha manan-komena azy izao ianao.

29Aza mikendry hanisy ratsy namana

izay mitoetra amin-toky eo anilanao.

30Aza miady tsy amin’antony amin’olona,

raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

31Aza mialona ny mpanao an-keriny

ary aza misy alain-tahaka ny ataony,

32satria halan’ny TOMPO ny mpaniasia

fa ny olo-marina kosa isakaizany fatratra.

33Ozonin’ny TOMPO ny tranon’ny olon-dratsy

fa ny fonenan’ny olo-marina kosa tahîny.

34Maniratsira izay mpaniratsira Azy Izy

nefa kosa manome fahasoavana ny manetry tena.

35Haja no anjaran’ny hendry

fa henatra kosa ny an’ireo adala.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help