1Lehilahy nahita fahoriana aho
tamin’ny kapoky ny fahatezeran’ny Tompo.
2Notarihiny aho, ka nampandehaniny
tamin’ny maizina fa tsy tamin’ny mazava.
3Izaho irery ihany no velesin’ny tanany
mandritra ny andro manontolo.
BETA4Nolazoiny ny nofoko sy ny hoditro,
ary notapatapahiny ny taolako.
5Nampijoro tovon-tany hamelezana ahy Izy,
ka zava-mangidy sy fahoriana no nataony manemitra ahy.
6Nampitoeriny tao amin’ny haizina aho
tahaka ireo efa maty fahiny.
GIMELA7Nofefeny manodidina aho tsy ho afa-nivoaka;
nataony mavesatra ny gadrako.
8Nikiakiaka niantso vonjy aho;
fa nosakanany ny fivavako.
9Notampenany rindrim-bato voapaika ny lalako
ary naolikoliny ny alehako.
DALETA10Toa orsa manotrika hamely ahy Izy,
toa liona mamitsaka ao anaty kirihitra,
11ka nampivily lalana ahy
ary namiravira sy namela ahy ho potika.
12Nanenjana ny tsipîkany Izy
ary nikendry hitifitra ahy.
HE13Ny zana-tsipîkany rehetra
no nanagorobahany ny voako.
14Tonga fihomehezan’ny olona rehetra aho,
ataony resaka fanarabiana isan’andro.
15Nobobohan’ny Tompo zava-mampalahelo aho
ary nomamoiny zava-mangidy.
VAO16Notereny hikarepoka vatokely aho
ary nohoseny tao anaty lavenona.
17Noroahiny lavitry ny fiadanana aho
ka nanadino izay atao hoe fahasambarana.
18Ka hoy aho hoe: Potika ny hoaviko,
ary tsy misy fanantenàko ny TOMPO intsony.
*ZAINA19Poizi-mangidy ho ahy
ny mahatsiaro ny fahoriako sy firenireneko
20Tsaroako tokoa izany, eny, tsaroako
ka trotraka aho tamin’ny nanjo ahy.
21Izao anefa no hoeritreretiko am-po
sady antony hanantenako:
HETA22Tsy ritra ny mari-pitiavan’ny TOMPO
ary tsy mitsahatra ny famindrampony;
23vaovao isa-maraina ireny.
Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo ô!
24Hoy aho anakampo hoe: ny TOMPO no anjarako;
noho izany, dia manantena Azy aho.
TETA25Tsara ny TOMPO amin’izay miandry Azy,
dia amin’ny olona mitady Azy.
26Tsara ny manantena mangina
ny famonjen’ny TOMPO.
27Tsara ho an’ny lehilahy
ny mitondra zioga amin’ny fahatanorany.
JODA28Aoka izy hipetraka mitokana sy hangina,
rehefa mizaha toetra azy ny Tompo.
29Aoka hanohoka vava am-bovoka izy,
ndrao mba hisy fanantenana.
30Aoka izy hanolotra ny takolany
amin’izay mikapoka azy, ka ho voky latsa!
KAFA31Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo.
32Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo
araka ny halehiben’ny fitiavany.
33Fa tsy sitrany ny mampahory
na mampijaly ny olombelona.
LAMEDA34Rehefa hosihosena avokoa
ny mpigadra eo amin’ny tany,
35rehefa ny zon’olombelona no hitsakitsahina
eo anatrehan’ilay Avo Indrindra,
36rehefa ny rariny no avadika eo amin’ny fitsarana,
dia tsy ho hitan’ny Tompo ve izany?
MEMA37Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra?
Moa tsy ny Tompo va no mandidy?
38Moa tsy ny tenin’ilay Avo Indrindra ve
no mampisy ny loza sy ny soa?
39Koa inona àry no imenomenonan’ny olona
izay mbola velona sy tomady,
na dia eo aza ny fahotany?
NONA40Dinihontsika sy fantaro ny fitondrantenantsika,
ka miverena amin’ny TOMPO isika.
41Aoka hasandratsika miaraka ny fo aman-tanana,
rehefa mivavaka amin’Andriamanitra any an-danitra isika.
42Efa nanota sady nikomy izahay;
ary Ianao, Tompo ô, tsy namela heloka anay.
SAMEKA43Nisarom-pahatezerana Ianao no nanenjika anay,
ka nandringana anay tsy nisy fiantrana.
44Nisaron-drahona Ianao
mba tsy ho takatry ny vavakay.
45Nataonao fakofako sy fanary
teo anivon’ny firenen-kafa izahay.
PE46Nanoka-bava hamely anay
ny fahavalonay rehetra.
47Horohoro sy fanina no mahavoa anay,
ary koa fandringanana sy faharatrana.
48Rano mandriaka no avoakan’ny masoko
noho ny faharatrana nanjo ny fireneko.
HAINA49Mikoriana ranomaso tsy mety ritra ny masoko
satria tsy misy fitsaharanay mihitsy.
50Andrasako ny hitsinjovan’ny TOMPO
ka hijereny avy any an-danitra.
51Fijaliana ho ahy ny mahita
izay manjo ny zazavavy rehetra ao an-tanànako.
*TSADE52Ireo fahavaloko tsy amin’antony
manenjika ahy toy ny fanenji-boronkely.
53Nanidy ahy velona
tao an-davaka izy
ary nanjera vato teo amboniko.
54Nandifotra ny lohako ny rano,
ka hoy aho hoe: «Very aho ity!»
KÔFA55Avy tany am-paran’ny lava-drano aho
no niantso vonjy taminao, TOMPO ô.
56Renao ny feoko manao hoe: «Aza anampenan-tsofina
ny fitarainako miantso vonjy aminao.»
57Nanatona Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao,
ka nanao tamiko hoe: «Aza matahotra!»
RESA58Tompo ô, niady ho ahy Ianao
ka nanavotra ny aiko.
59TOMPO ô, hitanao ny fiangarana natao tamiko
ka notsarainao ara-drariny aho.
60Hitanao avokoa ny valifaty nataony tamiko,
dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.
SINA61TOMPO ô, efa renao ny latsa nataony,
dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.
62Izay lazain’ny mpanohitra ahy sy eritreretiny
dia kendreny hamelezana ahy tontolo andro.
63Jereo izy na mipetraka na mitsangana
fa izaho ihany no ambentin-dresany.
TAO64TOMPO ô, araka izay nataony tamiko
no hamalianao azy koa.
65Hataonao donto ny fisainany;
ary hiharan’ny ozonao ireo.
66Hoenjehinao amim-pahatezerana izy
ka haringanao tsy ho etỳ ambonin’ny tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.