Salamo 121 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Avy aiza ny famonjena ahy?

1 Hira fiakarana.

Manopy maso any amin’ireo tendrombohitra aho.

Avy aiza moa ny famonjena ahy?

2–Ny famonjena ahy dia avy amin’ny TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany!

3–Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao;

tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4–Tsia, tsy rendremana na matory

ny mpiambina an’i Israely.

5Ny TOMPO no mpiambina anao amin’ny alina;

ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;

6ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro;

tsy hamely anao ny volana, raha alina.

7Ny TOMPO hiambina anao amin’ny ratsy rehetra;

eny, hiambina ny ainao Izy,

8hiambina anao mandroso sy miverina

manomboka izao ka ho mandrakizay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help