1Henoy, rey anaka, ny anatry ny rainareo
ary ampiharo izany mba hamonjena anareo;
2fa ny Tompo manome voninahitra ny ray eo amin-janany,
ary manorina ny fahefàn’ny reny eo amin’ny naterany.
3Izay manaja ny rainy dia manoni-pahotana
4ary izay manome voninahitra ny reniny
dia tahaka ny olona manangon-karena.
5Izay manaja ny rainy dia hampifalîn-janaka
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany.
6izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hahafa-po ny reniny;
7tahaka ny mpanabe azy no anompoany ray aman-dreny.
8Hajao ny rainao, na amin’ny atao na amin’ny teny,
mba hirotsahan’ny tsodranony aminao;
9fa ny tsodranon-dray aman-dreny
manamafy ny tranon’ireo zanany,
ary ny ozony kosa mampiongotra ny fanorenany.
10Aza atao voninahitra ho anao
ny fahafaham-baràkan-drainao,
satria tsy ahazoanao voninahitra
ny fahafaham-baràka mihatra aminy;
11ny voninahitry ny rainy manko
no iavian’ny hajan’ny olona;
ary ny reny voatevateva
dia henatra ho an’ny zanany.
12Karakarao, anaka, ny rainao amin’ny fahanterany
ary aza ampalahelovina izy amin’ny andro iainany.
13Na dia very saina aza izy, dia anehoy fandeferana;
ary aza manatsinontsinona azy ianao izay heni-tanjaka.
14Satria ny fiantrana ataonao amin-drainao
dia ho tsaroan’Andriamanitra hatrany;
ho solon’ny fahotanao izany
sy ho fanambinana ny tranonao.
15Hotsarovan’Andriamanitra ianao amin’ny andro mahory;
ka toy ny ranomandry levon’ny masoandro
no indro hahalevonan’ny fahotanao.
16Izay mahafoy an-drainy dia mpanevateva an’Andriamanitra
ary izay mampahatezitra ny reniny dia ho voaozon’ny Tompo.
Ny fanetrentena17Anaka, ataovy amin-kalemen-panahy ny asanao,
dia hotiavina noho ny olona malala-tanana ianao.
18Arakaraka ny maha lehibe anao no ietreo tena,
dia hahita sitraka amin’ny Tompo ianao!
20Na lehibe aza manko ny fahefàn’ny Tompo,
dia ny manetry tena no manome voninahitra Azy.
21Aoka ianao tsy hitady zava-tsarotra loatra aminao
ary tsy hikarokaroka izay tsy tratry ny herinao!
22ny didy nampitaina taminao no saintsaino,
fa tsy ilaina hanadihady ny zava-miafina ianao.
23Aza milofo amin-draharaha tsy tratran’ny eritreritrao,
fa ny naseho anao aza efa tsy takatry ny sain’olona.
24Efa nampivoana olona maro ny fahadisoan-keviny,
ka ny fisainana ratsy no nampivily eritreritra azy.
Ny fiavonavonana26Hiafara amin’ny fahavoazana ny fo maditra,
ary izay mankamamy loza no ho fatin’izany.
27Hivesatra fahoriana ny fo maditra,
ary fahotana mifanongoa no havosan’ny mpanota.
28Tsy laitram-panafody ny voina mahazo ny mpiavonavona,
satria efa tsara fototra ao aminy ny tsirim-paharatsiana.
29Ny fon’ny olona misaina no hieritreritra ny fanoharana;
ny sofina malady no zavatra irîn’ny hendry.
Ny asa fiantrana30Ny rano mamono ny afo midedadeda
ary ny asa fiantrana mikosoka ny fahotana.
31Izay manao asa soa dia mitsinjo ny ho avy,
ka hahita fiankinana fony izy hivembena.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.