Estera Grika 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny nanonganana an’i Hamàna sy namonoana azy

1Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin’ny mpanjakavavy, ho ao amin’ilay fanasana fanindroany.

2Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin’i Estera:

–Ahoana moa, ry Estera mpanjakavavy? Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakàko aza, dia ho lasanao tokoa.

3Dia hoy ny navaliny azy hoe:

–Ry andriamanjaka, raha mba nahazo sitraka taminao aho, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko!

4Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana ary koa mba horobaim-pananana sy handevozina ho tonga mpanompo izahay sy ny zanakay. Kanefa nangina aho, satria tsy mendrika hisahana andraikitra ato an-dapan’ny amperôra ilay miampanga anay.

5Dia nanontanian’ny amperôra i Estera hoe:

–Iza no sahy nanao izany zavatra izany?

6Ka novaliany hoe:

–Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay.

Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna.

7Niala teo amin’ny fanasana kosa ny amperôra mba hankeny amin’ny zaridainan’ny lapa; fa i Hamàna nahatsapa fa tafiditra anaty toe-javatra ratsy ny tenany ka nangataka famindrampo tamin’ny mpanjakavavy ary tafahohoka teo amin’ny saofà nipetrahan’i Estera.

8Fony niverina avy teo an-jaridaina ny amperôra, dia mbola nitalaho tamin’ny mpanjakavavy toy izany i Hamàna ka nilazan’ny amperôra hoe:

–Dia sahinao koa ve ny misavika ny vadiko ato an-tranoko? Vao nandre ny tenin’ny amperôra kosa i Hamàna, dia nitodi-doha azon’ny henatra.

9I Bôgatàna izay anisan’ireo tandapa kosa no nanao tamin’ny amperôra hoe:

–Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an’i Môrdôkay, ilay nilaza ny teti-dratsy ny aminao. Miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony.

Dia hoy ny amperôra hoe:

–Ahantony amin’io i Hamàna!

10Ary nahantona tamin’ilay hazo efa nomaniny hanantonana an’i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran’ny amperôra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help